Péricope 03/01/2021

Isaia 60 : 1 – 6

1 [Ny ho voninahitr’i Jerosalema amin’ny andro ho avy] Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao.
2 Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.
3 Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao.
4 Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.
5 Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren’ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan’ny firenena.
6 Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an’i Jehovah no teny mahafaly hambarany.

Esaïe 60 : 1 – 6

1 Lève-toi, sois éclairée, car ta lumière arrive, Et la gloire de l’Éternel se lève sur toi.
2 Voici, les ténèbres couvrent la terre, Et l’obscurité les peuples; Mais sur toi l’Éternel se lève, Sur toi sa gloire apparaît.
3 Des nations marchent à ta lumière, Et des rois à la clarté de tes rayons.
4 Porte tes yeux alentour, et regarde: Tous ils s’assemblent, ils viennent vers toi; Tes fils arrivent de loin, Et tes filles sont portées sur les bras.
5 Tu tressailliras alors et tu te réjouiras, Et ton coeur bondira et se dilatera, Quand les richesses de la mer se tourneront vers toi, Quand les trésors des nations viendront à toi.
6 Tu seras couverte d’une foule de chameaux, De dromadaires de Madian et d’Épha; Ils viendront tous de Séba; Ils porteront de l’or et de l’encens, Et publieront les louanges de l’Éternel.

Efesiana 3 : 2 – 6

2 raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
3 fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin’ny teny fohifohy teo.
4 Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin’i Kristy,
5 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran’ny Fanahy ankehitriny amin’ny Apostoly masina sy ny mpaminany,
6 dia ny ahatongavan’ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,

Ephésiens 3 : 2 – 6

2 si du moins vous avez appris quelle est la dispensation de la grâce de Dieu, qui m’a été donnée pour vous.
3 C’est par révélation que j’ai eu connaissance du mystère sur lequel je viens d’écrire en peu de mots.
4 En les lisant, vous pouvez vous représenter l’intelligence que j’ai du mystère de Christ.
5 Il n’a pas été manifesté aux fils des hommes dans les autres générations, comme il a été révélé maintenant par l’Esprit aux saints apôtres et prophètes de Christ.
6 Ce mystère, c’est que les païens sont cohéritiers, forment un même corps, et participent à la même promesse en Jésus Christ par l’Évangile,

Matio 2 : 1 – 12

1 Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an’i Jodia, tamin’ny andron’i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:
2 Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.
3 Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin’i Jerosalema rehetra.
4 Dia namory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy ka nanontany ary hoe: Aiza mba no hahaterahan’i Kristy?
5 Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an’i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:
6 Ary ianao, ry Betlehema, tanin’ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin’ny andrianan’ny Joda ianao tsy akory; Fa avy ao aminao no hivoahan’izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko (Mik. 5.1).
7 Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan’ilay kintana.
8 Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin’ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.
9 Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zazakely.
10 Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra.
11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora.
12 Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy tsy hiverina any amin’i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.

Matthieu 2 : 1 – 12

1 Jésus étant né à Bethléhem en Judée, au temps du roi Hérode, voici des mages d’Orient arrivèrent à Jérusalem,
2 et dirent: Où est le roi des Juifs qui vient de naître? car nous avons vu son étoile en Orient, et nous sommes venus pour l’adorer.
3 Le roi Hérode, ayant appris cela, fut troublé, et tout Jérusalem avec lui.
4 Il assembla tous les principaux sacrificateurs et les scribes du peuple, et il s’informa auprès d’eux où devait naître le Christ.
5 Ils lui dirent: A Bethléhem en Judée; car voici ce qui a été écrit par le prophète:
6 Et toi, Bethléhem, terre de Juda, Tu n’es certes pas la moindre entre les principales villes de Juda, Car de toi sortira un chef Qui paîtra Israël, mon peuple.
7 Alors Hérode fit appeler en secret les mages, et s’enquit soigneusement auprès d’eux depuis combien de temps l’étoile brillait.
8 Puis il les envoya à Bethléhem, en disant: Allez, et prenez des informations exactes sur le petit enfant; quand vous l’aurez trouvé, faites-le-moi savoir, afin que j’aille aussi moi-même l’adorer.
9 Après avoir entendu le roi, ils partirent. Et voici, l’étoile qu’ils avaient vue en Orient marchait devant eux jusqu’à ce qu’étant arrivée au-dessus du lieu où était le petit enfant, elle s’arrêta.
10 Quand ils aperçurent l’étoile, ils furent saisis d’une très grande joie.
11 Ils entrèrent dans la maison, virent le petit enfant avec Marie, sa mère, se prosternèrent et l’adorèrent; ils ouvrirent ensuite leurs trésors, et lui offrirent en présent de l’or, de l’encens et de la myrrhe.
12 Puis, divinement avertis en songe de ne pas retourner vers Hérode, ils regagnèrent leur pays par un autre chemin.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *