« Fa maro ny momba ny tena, nefa ny tena dia iray ihany … Ary ianareo no tenan’i Kristy, ka
samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy. » (1 Korintiana 12.20, 12.27)
« Maintenant donc il y a plusieurs membres, et un seul corps … Vous êtes le corps de
Christ, et vous êtes ses membres, chacun pour sa part.» (1 Corinthiens 12.20, 12.27)
Jeremia / Jérémie 1 : 4 – 19
4 Tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
5 Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony hianao tsy mbola
teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.
6 Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.
7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao
hianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
8 Aza matahotra azy hianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
9 Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-
bavanao ny teniko,
10 ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ny firenena sy ny fanjakana
hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
11 Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho:
Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.
12 Dia hoy Jehovah tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko.
13 Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho:
Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.
14 Dia hoy Jehovah tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin’ny tany.
15 Fa, indro, hantsoiko ny firenena rehetra amin’ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka
samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema avokoa hamelezany ny màndany
rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda.
16 Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-
kazo manitra ho an’ny andriamani-kafa ary ny niankohofany teo anatrehan’ny asan’ny tànany.
17 Fa hianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra
ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany hianao.
18 Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimànda sy andry vy ary mànda varahina mba tsy ho leon’ny tany
rehetra, na ny mpanjakan’ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.
19 Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
4 La parole de l’Éternel me fut adressée, en ces mots:
5 Avant que je t’eusse formé dans le ventre de ta mère, je te connaissais, et avant que tu fusses sorti de son
sein, je t’avais consacré, je t’avais établi prophète des nations.
6 Je répondis: Ah! Seigneur Éternel! Voici, je ne sais point parler, car je suis un enfant.
7 Et l’Éternel me dit: Ne dis pas: Je suis un enfant. Car tu iras vers tous ceux auprès de qui je t’enverrai, et tu
diras tout ce que je t’ordonnerai.
8 Ne les crains point, car je suis avec toi pour te délivrer, dit l’Éternel.
9 Puis l’Éternel étendit sa main, et toucha ma bouche; et l’Éternel me dit: Voici, je mets mes paroles dans ta
bouche.
10 Regarde, je t’établis aujourd’hui sur les nations et sur les royaumes, pour que tu arraches et que tu abattes,
pour que tu ruines et que tu détruises, pour que tu bâtisses et que tu plantes.
11 La parole de l’Éternel me fut adressée, en ces mots: Que vois-tu, Jérémie? Je répondis: Je vois une branche
d’amandier.
12 Et l’Éternel me dit: Tu as bien vu; car je veille sur ma parole, pour l’exécuter.
13 La parole de l’Éternel me fut adressée une seconde fois, en ces mots: Que vois-tu? Je répondis: Je vois une
chaudière bouillante, du côté du septentrion.
14 Et l’Éternel me dit: C’est du septentrion que la calamité se répandra sur tous les habitants du pays.
15 Car voici, je vais appeler tous les peuples des royaumes du septentrion, dit l’Éternel; ils viendront, et
placeront chacun leur siège à l’entrée des portes de Jérusalem, contre ses murailles tout alentour, et contre
toutes les villes de Juda.
16 Je prononcerai mes jugements contre eux, à cause de toute leur méchanceté, parce qu’ils m’ont abandonné
et ont offert de l’encens à d’autres dieux, et parce qu’ils se sont prosternés devant l’ouvrage de leurs mains.
17 Et toi, ceins tes reins, lève-toi, et dis-leur tout ce que je t’ordonnerai. Ne tremble pas en leur présence, de
peur que je ne te fasse trembler devant eux.
18 Voici, je t’établis en ce jour sur tout le pays comme une ville forte, une colonne de fer et un mur d’airain,
contre les rois de Juda, contre ses chefs, contre ses sacrificateurs, et contre le peuple du pays.
19 Ils te feront la guerre, mais ils ne te vaincront pas; car je suis avec toi pour te délivrer, dit l’Éternel.
1 KORINTIANA / 1 CORINTHIENS 12.31 – 13.13
12.31Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay làlana tsara indrindra
no atoroko anareo:
13.1 Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga
varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.
13.2 Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana
rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana
fitiavana, dia tsinontsinona aho.
13.3 Ary na dia omeko ho an’ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny
tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
13.4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
13.5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo,
13.6 tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa,
13.7 mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny
zavatra rehetra.
13.8 Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra,
dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.
13.9 Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika;
13.10 fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.
13.11 Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe
aho, dia nariako ny fahazazana.
13.12 Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika;
ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
13.13 Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana
no lehibe amin’ireo.
12.31 Aspirez aux dons les meilleurs. Et je vais encore vous montrer une voie par excellence.
13.1 Quand je parlerais les langues des hommes et des anges, si je n’ai pas la charité, je suis un airain qui
résonne, ou une cymbale qui retentit.
13.2 Et quand j’aurais le don de prophétie, la science de tous les mystères et toute la connaissance, quand
j’aurais même toute la foi jusqu’à transporter des montagnes, si je n’ai pas la charité, je ne suis rien.
13.3 Et quand je distribuerais tous mes biens pour la nourriture des pauvres, quand je livrerais même mon
corps pour être brûlé, si je n’ai pas la charité, cela ne me sert de rien.
13.4 La charité est patiente, elle est pleine de bonté; la charité n’est point envieuse; la charité ne se vante
point, elle ne s’enfle point d’orgueil,
13.5 elle ne fait rien de malhonnête, elle ne cherche point son intérêt, elle ne s’irrite point, elle ne soupçonne
point le mal,
13.6 elle ne se réjouit point de l’injustice, mais elle se réjouit de la vérité;
13.7 elle excuse tout, elle croit tout, elle espère tout, elle supporte tout.
13.8 La charité ne périt jamais. Les prophéties prendront fin, les langues cesseront, la connaissance disparaîtra.
13.9 Car nous connaissons en partie, et nous prophétisons en partie,
13.10 mais quand ce qui est parfait sera venu, ce qui est partiel disparaîtra.
13.11 Lorsque j’étais enfant, je parlais comme un enfant, je pensais comme un enfant, je raisonnais comme un
enfant; lorsque je suis devenu homme, j’ai fait disparaître ce qui était de l’enfant.
13.12 Aujourd’hui nous voyons au moyen d’un miroir, d’une manière obscure, mais alors nous verrons face à
face; aujourd’hui je connais en partie, mais alors je connaîtrai comme j’ai été connu.
13.13 Maintenant donc ces trois choses demeurent: la foi, l’espérance, la charité; mais la plus grande de ces
choses, c’est la charité.
LIOKA / LUC 4 : 21 – 30
21 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Andro-any no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.
22 Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy:
Tsy Zanak’i Josefa va Ity?
23 Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: ,Mpanao fanafody, sitrano
ny tenanao:’ izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin’ny taninao koa.
24 Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin’ny
taniny.
25 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin’ny Isiraely tamin’ny andron’i Elia, raha
nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin’ny tany rehetra;
26 nefa tsy mba nirahina ho any amin’ny anankiray tamin’ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin’ny tany Sidona
ihany, dia ho any amin’izay vehivavy mpitondratena.
27 Ary maro no boka teo amin’ny Isiraely tamin’ny andron’i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na
dia iray akory aza, fa Namàna Syriana ihany.
28 Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin’ny synagoga, raha nandre izany,
29 ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon’ny havoana
niorenan’ny tanàna, mba hazerany amin’ny hantsana.
30 Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha.
21 Alors il commença à leur dire: Aujourd’hui cette parole de l’Écriture, que vous venez d’entendre, est
accomplie.
22 Et tous lui rendaient témoignage; ils étaient étonnés des paroles de grâce qui sortaient de sa bouche, et ils
disaient: N’est-ce pas le fils de Joseph?
23 Jésus leur dit: Sans doute vous m’appliquerez ce proverbe: Médecin, guéris-toi toi-même; et vous me direz:
Fais ici, dans ta patrie, tout ce que nous avons appris que tu as fait à Capernaüm.
24 Mais, ajouta-t-il, je vous le dis en vérité, aucun prophète n’est bien reçu dans sa patrie.
25 Je vous le dis en vérité: il y avait plusieurs veuves en Israël du temps d’Élie, lorsque le ciel fut fermé trois ans
et six mois et qu’il y eut une grande famine sur toute la terre;
26 et cependant Élie ne fut envoyé vers aucune d’elles, si ce n’est vers une femme veuve, à Sarepta, dans le
pays de Sidon.
27 Il y avait aussi plusieurs lépreux en Israël du temps d’Élisée, le prophète; et cependant aucun d’eux ne fut
purifié, si ce n’est Naaman le Syrien.
28 Ils furent tous remplis de colère dans la synagogue, lorsqu’ils entendirent ces choses.
29 Et s’étant levés, ils le chassèrent de la ville, et le menèrent jusqu’au sommet de la montagne sur laquelle
leur ville était bâtie, afin de le précipiter en bas.
30 Mais Jésus, passant au milieu d’eux, s’en alla.