Table des matières

Ancien testament

ISAIA 60 : 1 – 6 [MPB]
1 [Ny ho voninahitr’i Jerosalema amin’ny andro ho avy] Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary
ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao.
2 Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i
Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.
3 Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao.
4 Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia
avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.
5 Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina
ho anao ny haren’ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan’ny firenena.
6 Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba
izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an’i Jehovah no teny mahafaly
hambarany.

ESAÏE 60 : 1 – 6 [PDV]
Jérusalem sera une lumière pour le monde
1 Debout, Jérusalem ! Brille avec éclat : en effet, ta lumière arrive, la gloire du Seigneur se lève sur toi !
2 Regarde : la nuit couvre la terre, un brouillard enveloppe les peuples. Mais sur toi, le Seigneur se lève
et sa gloire brille sur toi.
3 Les autres peuples marchent vers ta lumière, et les rois se dirigent vers la clarté qui s’est levée sur toi.
4 Lève les yeux et regarde autour de toi ! Tous se rassemblent et viennent vers toi. Tes fils arrivent de loin,
tes filles sont portées dans les bras.
5 En voyant cela, tu brilleras de joie, ton cœur battra de bonheur. En effet, les richesses de la mer
arriveront chez toi, les trésors des autres peuples parviendront jusqu’à toi, Jérusalem.
6 Des troupeaux de chameaux te couvriront, de jeunes chameaux de Madian et d’Éfa. Ils viendront tous de
Saba. Ils apporteront de l’or et de l’encens et ils chanteront devant tous la louange du Seigneur.

Epître

EFESIANA 3 : 2 – 6 [MPB]
2 raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
3 fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin’ny teny fohifohy teo.
4 Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin’i
Kristy,
5 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran’ny
Fanahy ankehitriny amin’ny Apostoly masina sy ny mpaminany,
6 dia ny ahatongavan’ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i
Kristy Jesosy noho ny filazantsara,

EPHÉSIENS 3 : 2 – 6 [PDV]
2 Vous avez sans doute entendu parler du service que Dieu, dans sa bonté, m’a chargé d’accomplir pour vous,
afin de réaliser son projet.
3 Il m’a ouvert les yeux pour me faire connaître ce projet caché, je viens de vous en parler un peu.
4 En lisant ma lettre, vous pouvez voir combien je connais le mystère que Dieu réalise par le Christ.
5 Ce mystère, Dieu ne l’avait pas fait connaître aux ancêtres. Mais aujourd’hui, il vient de le faire connaître par
son Esprit à ses apôtres saints et à ses prophètes.
6 Voici ce mystère : en étant unis au Christ Jésus par la Bonne Nouvelle, ceux qui ne sont pas juifs reçoivent en
partage les mêmes biens que les Juifs. Ils font partie du même corps, ils participent à la même promesse.

Evangile

MATIO 2 : 1 – 12 [MPB]
1 Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an’i Jodia, tamin’ny andron’i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy
avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:
2 Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba
hiankohoka eo anatrehany.
3 Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin’i Jerosalema rehetra.
4 Dia namory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy ka nanontany ary
hoe: Aiza mba no hahaterahan’i Kristy?
5 Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an’i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:
6 Ary ianao, ry Betlehema, tanin’ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin’ny andrianan’ny Joda ianao tsy akory;
Fa avy ao aminao no hivoahan’izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko (Mik.
5.1).
7 Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan’ilay kintana.
8 Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin’ilay Zazakely; koa
rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.
9 Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana
nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zazakely.
10 Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra.
11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany;
ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra
ary miora.
12 Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy tsy hiverina any amin’i Heroda, dia lalana hafa
no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.

MATTHIEU 2 : 1 – 12 [PDV]
Des sages de l’est viennent adorer Jésus
1 Jésus naît à Bethléem, en Judée, au moment où Hérode le Grand est roi. Alors, des sages viennent de l’est et
arrivent à Jérusalem.
2 Ils demandent : « Où est le roi des Juifs qui vient de naître ? Nous avons vu son étoile se lever à l’est, et nous
sommes venus l’adorer. »
3 Quand le roi Hérode apprend cela, il est troublé, et tous les habitants de Jérusalem aussi.
4 Le roi réunit tous les chefs des prêtres de son peuple avec les maîtres de la loi. Il leur demande : « À quel
endroit est-ce que le Messie doit naître ? »
5 Ils lui répondent : « Le Messie doit naître à Bethléem, en Judée. En effet, le prophète a écrit :
6 “Et toi, Bethléem, du pays de Juda, tu n’es sûrement pas la moins importante des villes de Juda. Oui, un chef
va venir de chez toi, il sera le berger de mon peuple, Israël .” »
7 Alors Hérode fait appeler les sages en secret. Il leur demande : « À quel moment est-ce que l’étoile est
apparue ? »
8 Ensuite il les envoie à Bethléem en disant : « Allez vous renseigner exactement sur l’enfant. Quand vous
l’aurez trouvé, venez me prévenir, et moi aussi, j’irai l’adorer. »
9-10 Après ces paroles du roi, les sages se mettent en route. Ils aperçoivent l’étoile qu’ils ont vue à l’est. Ils sont
remplis d’une très grande joie en la voyant. L’étoile avance devant eux. Elle arrive au-dessus de l’endroit où
l’enfant se trouve, et elle s’arrête là.
11 Les sages entrent dans la maison, et ils voient l’enfant avec Marie, sa mère. Ils se mettent à genoux et
adorent l’enfant. Ensuite, ils ouvrent leurs bagages et ils lui offrent des cadeaux : de l’or, de l’encens et de la
myrrhe .
12 Après cela, Dieu les avertit dans un rêve de ne pas retourner chez Hérode. Alors ils prennent un autre
chemin pour rentrer dans leur pays.

Retour en haut