Péricope du Dimanche 26 Mai – Trinité

Table des matières

Ancien Testament

Deoteronomia 4 : 32 – 40 (MRV)

Ny tombontsoan’ny Israely
32 Fa anontanio anie ny andro lasa teo alohanao hatramin’ny andro namoronan’Andriamanitra ny olombelona tetỳ ambonin’ny tany ary hatramin’ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.
33 Moa efa nisy firenena nandre ny feon’Andriamanitra niteny avy tao amin’ny afo, tahaka izay renao va, nefa velona ihany?
34 Moa va efa nisy andriamanitra izay nanandrana handeha haka firenena ho an’ny tenany, avy amin’ny firenena hafa, tamin’ny alalan’ny fizahan-toetra, ny famantarana, ny fahagagana, ny ady, ny tanana mahery, ny sandry natsotra ary ny asa lehibe sady mahatahotra, araka izay rehetra nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo ho anareo teo imasonao tany Ejipta?
35 Ianao no nampahitany izany, mba hahafantaranao fa NY TOMPO no Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy.
36 Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao ary tetỳ ambonin’ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny dia efa renao avy tao afovoan’ny afo.
37 Satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny taranany mandimby azy, dia Izy tenany no nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta tamin’ny heriny lehibe,
38 handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin’izao anio izao.
39 Koa aoka ho fantatrao anio, ary tsarovy ao am-ponao, fa NY TOMPO no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany, ary tsy misy afa-tsy Izy.
40 Dia tandremo ny lalànany sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho anao mandrakizay.

32 « Interroge le passé, les jours qui t’ont précédé depuis celui où Dieu a créé l’homme sur la terre, et informe-toi d’une extrémité du ciel à l’autre: y a-t-il déjà eu si grand événement et a-t-on déjà entendu chose pareille?
33 Y a-t-il déjà eu un peuple qui entende Dieu parler du milieu du feu, comme tu l’as entendu, et qui soit resté en vie?
34 Y a-t-il déjà eu un dieu qui cherche à venir se prendre une nation du milieu d’une autre nation, par des épreuves, des signes, des miracles et des combats, avec puissance et force et avec des actes terrifiants? C’est pourtant exactement ainsi que l’Eternel, votre Dieu, a agi pour vous en Egypte et sous vos yeux.
35 Et toi, tu as eu la possibilité de voir cela afin que tu reconnaisses que c’est l’Eternel qui est Dieu et qu’il *n’y en a pas d’autre que lui.
36 Du ciel il t’a fait entendre sa voix pour t’instruire et sur la terre il t’a fait voir son grand feu, et tu as entendu ses paroles du milieu du feu.
37 Il a aimé tes ancêtres et il a choisi leur descendance après eux. Il t’a fait lui-même sortir d’Egypte par sa grande puissance.
38 Il a chassé devant toi des nations supérieures en nombre et en force pour te faire entrer dans leur pays, pour te le donner en possession, comme tu le vois aujourd’hui.
39 Sache donc aujourd’hui et retiens dans ton cœur que c’est l’Eternel qui est Dieu, en haut dans le ciel et en bas sur la terre, et qu’il n’y en a pas d’autre.
40 Respecte ses prescriptions et ses commandements, que je te donne aujourd’hui, afin d’être heureux, toi et tes enfants après toi, et de vivre longtemps sur le territoire que l’Eternel, ton Dieu, te donne en propriété perpétuelle.»

.

Epître

Romana 8 : 14 – 17 (MRV)

14 Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra.
15 Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ny fananganana anaka, izay ahazoantsika miantso hoe: Aba! Ray ô!
16 Izy Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.
17 Raha zanaka dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra isika no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra Aminy mba hiara-manam-boninahitra Aminy koa.

14 En effet, tous ceux qui sont conduits par l’Esprit de Dieu sont fils de Dieu.
15 Et vous n’avez pas reçu un esprit d’esclavage pour être encore dans la crainte, mais vous avez reçu un Esprit d’adoption, par lequel nous crions: «Abba! Père!»
16 L’Esprit lui-même rend témoignage à notre esprit que nous sommes enfants de Dieu.
17 Or, si nous sommes enfants, nous sommes aussi héritiers: héritiers de Dieu et cohéritiers de Christ, si toutefois nous souffrons avec lui afin de prendre aussi part à sa gloire.

Evangile

Matio 28 : 16 – 20 (MRV)

Naniraka ny mpianany Ilay nitsangana tamin’ny maty
16 Ary ny mpianatra iraika amby folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesosy halehany.
17 Ary nony nahita Azy izy ireo dia niankohoka, nefa ny sasany dia nisalasala.
18 Ary nanatona Jesosy dia niteny taminy hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,
20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Mission confiée aux disciples
16 Les onze disciples allèrent en Galilée, sur la montagne que Jésus leur avait désignée.
17 Quand ils le virent, ils se prosternèrent [devant lui], mais quelques-uns eurent des doutes.
18 Jésus s’approcha et leur dit: «Tout pouvoir m’a été donné dans le ciel et sur la terre.
19 Allez [donc], faites de toutes les nations des disciples, baptisez-les au nom du Père, du Fils et du Saint-Esprit
20 et enseignez-leur à mettre en pratique tout ce que je vous ai prescrit. Et moi, je suis avec vous tous les jours, jusqu’à la fin du monde.»

Retour en haut