Péricope du Dimanche 30 Juin

Table des matières

Ancien Testament

Ezekiela 18 : 21 – 32 (MRV)

Ny faharetana amin’ny fitondrantena marina
21 Fa raha ny ratsy fanahy no miala amin’ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.
22 Ny fahadisoany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony.
23 Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy NY TOMPO Andriamanitra, fa tsy ny hialany amin’ny lalany mba ho velona izy?
24 Fa raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon’ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana. Noho ny fahadisoana sy ny fahotana izay nataony dia ho faty izy.
25 Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny lalan’ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak’Israely! Moa ny lalako va no tsy marina? Tsy ny lalanareo va no tsy marina?
26 Raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin’izany dia maty noho ny heloka nataony ihany izy.
27 Ary raha ny ratsy fanahy no miala amin’ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy dia hahavonjy ny ainy izy.
28 Raha mahita ny fahadisoana rehetra izay nataony izy ka miala amin’izany dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.
29 Nefa hoy ny taranak’Israely: Tsy marina ny lalan’ny Tompo. Ry taranak’Israely, ny lalako va no tsy marina? Tsy ny lalanareo va no tsy marina?
30 Koa samy hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Mitodiha ka mibebaha amin’ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
31 Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo. Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’Israely?
32 Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Koa mibebaha ianareo mba ho velona!

21 « Si le méchant renonce à tous les péchés qu’il a commis, s’il respecte toutes mes prescriptions et applique le droit et la justice, il vivra, il ne mourra pas.
22 Toutes les transgressions qu’il a commises seront oubliées. Il vivra grâce à la justice qu’il a pratiquée.
23 Est-ce que je prends plaisir à voir le méchant mourir ? déclare le Seigneur, l’Eternel. N’est-ce pas plutôt à le voir changer de conduite et vivre ?
24 « Si le juste renonce à sa justice et se met à commettre l’injustice, s’il imite toutes les pratiques abominables du méchant, vivra-t-il ? Tous ses actes de justice seront oubliés parce qu’il s’est livré à l’infidélité et au péché. A cause de cela, il mourra.
25 « Vous dites : ‘La manière d’agir du Seigneur n’est pas correcte.’ Ecoutez donc, communauté d’Israël! Est-ce que c’est ma manière d’agir qui n’est pas correcte ? Ne seraient-ce pas plutôt vos façons d’agir qui ne sont pas correctes ?
26 Si le juste renonce à sa justice, s’il se met à commettre l’injustice et meurt pour cela, c’est à cause de ses actes d’injustice qu’il mourra.
27 Si le méchant renonce à ses actes de méchanceté, s’il se met à appliquer le droit et la justice, il sauvera sa vie.
28 S’il ouvre les yeux et renonce à toutes les transgressions qu’il a commises, il vivra, il ne mourra pas.
29 « La communauté d’Israël dit : ‘La manière d’agir du Seigneur n’est pas correcte.’ Est-ce que ce sont mes façons d’agir qui ne sont pas correctes, communauté d’Israël ? Ne seraient-ce pas plutôt vos façons d’agir qui ne sont pas correctes ?
30 C’est pourquoi je vous jugerai chacun en fonction de sa conduite, communauté d’Israël, déclare le Seigneur, l’Eternel. Revenez à moi et détournez-vous de toutes vos transgressions, afin que vos fautes ne causent pas votre perte !
31 Débarrassez-vous de toutes les transgressions que vous avez commises ! Faites-vous un cœur nouveau et un esprit nouveau ! Pourquoi devriez-vous mourir, communauté d’Israël ?
32 En effet, je ne prends pas plaisir à voir mourir quelqu’un, déclare le Seigneur, l’Eternel. Changez donc d’attitude et vivez !

.

Epître

2 Korintiana 8 : 7 – 15 (MRV)

7 Nefa noho ny fanananareo ny feno amin’ny lafiny rehetra, na amin’ny finoana, na amin’ny teny, na amin’ny fahalalana, na amin’ny fahazotoana rehetra, na amin’ny fitiavanareo anay, dia aoka hanana ny fitiavana feno koa ianareo amin’izao asa fanasoavana izao.
8 Tsy milaza izany ho didy aho fa noho ny zotom-pon’ny sasany dia te hizaha toetra ny fahamarinan’ny fitiavanareo.
9 Fa fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny fahantrany.
10 Ary ambarako izay hevitro ny amin’izany, fa mahatsara anareo izany, satria ianareo no nanomboka nanao fanangonana, ary ianareo rahateo no nanapa-kevitra ny hanao izany talohan’ny hafa, hatramin’ny taon-dasa.
11 Tanteraho hatramin’ny farany ary izany, koa tahaka ny fahazotoanareo tamin’ny famolavolana ny asa dia aoka koa ho tahaka izany ny fanatanterahana azy, araka izay anananareo.
12 Fa raha misy ny fahazotoana dia araka izay ananana no ankasitrahana ny mpanome fa tsy araka izay tsy ananana.
13 Kanefa tsy ny fanamaivanana ny fahorian’ny sasany no hanavesatra anareo fa ny mba hisian’ny fitoviana;
14 koa amin’izao ankehitriny izao, ny haben’ny harenanareo no hahafaka ny fahantran’ireo ary ny haben’ny haren’ireo kosa no hahafaka ny fahantranareo mba hampisy fitoviana,
15 araka ny voasoratra hoe: «Ny nanangona be dia tsy nanana amby ary ny nanangona kely dia tsy nanana ny tsy ampy» (Eks 16.18).

7 De votre côté, vous avez tout en abondance: la foi, la parole, la connaissance, le zèle à tout point de vue et l’amour pour nous. Faites en sorte que la même abondance se manifeste dans cet acte de grâce.
8 Je ne dis pas cela pour donner un ordre, mais pour éprouver la sincérité de votre amour par l’exemple du zèle des autres.
9 En effet, vous connaissez la grâce de notre Seigneur Jésus-Christ: pour vous il s’est fait pauvre alors qu’il était riche, afin que par sa pauvreté vous soyez enrichis.
10 C’est un avis que je donne à ce sujet et c’est ce qui vous convient, puisque dès l’année dernière vous avez été les premiers non seulement à faire une collecte, mais aussi à la vouloir.
11 Menez-la donc maintenant à bien afin que sa réalisation corresponde, en fonction de vos moyens, à l’empressement que vous avez mis à la vouloir.
12 Quand la bonne volonté existe, on est bien accueilli en fonction de ce que l’on a, et non de ce que l’on n’a pas.
13 En effet, il ne s’agit pas de vous exposer à la détresse pour en soulager d’autres, mais de suivre un principe d’égalité:
14 dans les circonstances actuelles votre abondance pourvoira à leurs besoins, afin que leur abondance aussi pourvoie à vos besoins. C’est ainsi qu’il y aura égalité,
15 conformément à ce qui est écrit: Celui qui avait ramassé beaucoup n’avait rien de trop et celui qui avait ramassé peu ne manquait de rien.

Evangile

Marka 5 : 21 – 43 (MRV)

Ny zanakavavin’i Jairo sy ilay vehivavy nikasika ny akanjon’i Jesosy
21 Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny ampita dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo Aminy. Ary teo amoron-dranomasina Izy.
22 Dia avy ny mpanapaka ny sinagoga iray, Jairo no anarany. Rehefa nahita an’i Jesosy izy dia niankohoka teo an-tongony
23 ka niangavy fatratra Taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako vavy kely; andeha re, apetraho aminy ny tananao, mba ho sitrana izy ka ho velona.
24 Dia nandeha niaraka taminy Jesosy. Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanizina Taminy.
25 Ary nisy vehivavy iray izay efa narary nandeha ra nandritra ny roa amby folo taona
26 sady efa niaritra zavatra be tamin’ny mpitsabo maro ka nandany ny fananany rehetra nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka niha narary kokoa aza.
27 Rehefa nahare ny amin’i Jesosy izy dia nankao aorianany namakivaky ny vahoaka ary nikasika ny akanjony. 28 Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko dia ho sitrana aho.
29 Ary niaraka tamin’izay dia ritra ny loharanon’aretiny ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy.
30 Ary teo no eo dia fantatr’i Jesosy fa nisy hery niala Taminy ka nihodina teo afovoan’ny vahoaka Izy sady niteny hoe: Iza izany nikasika ny akanjoko izany?
31 Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanositosika Aminao izao, koa hoy Ianao hoe: Iza no nikasika Ahy?
32 Ary nijery manodidina Izy hahitany ilay nanao izany.
33 Dia raiki-tahotra sady toran-kovitra Ravehivavy satria fantany izay nitranga taminy, koa nankeo Aminy izy sady niankohoka teo anatrehany ary nanambara Taminy ny marina rehetra.
34 Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana amin’ny fiadanana ary sitràna amin’ny aretinao.
35 Raha mbola niteny Jesosy dia nisy olona tonga avy tany amin’ilay mpanapaka ny sinagoga ka nilaza hoe: Efa maty ny zanakao vavy; koa nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?
36 Tsy nahoan’i Jesosy anefa izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin’ilay mpanapaka ny sinagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.
37 Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, rahalahin’i Jakoba.
38 Dia tonga tao an-tranon’ilay mpanapaka ny sinagoga izy ireo ka hitan’i Jesosy ny fikotaban’ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany.
39 Rehefa niditra Izy dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mikorontana sy mitomany? Tsy maty Razazavavy fa matory.
40 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy dia nitondra ny ray aman-drenin’ny zaza mbamin’izay olona teo aminy ka niditra tao amin’izay nisy ny zaza.
41 Dia nandray ny tanan’ilay zaza Izy ka niteny taminy hoe: Talita komỳ, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Aho aminao: Mitsangàna!
42 Dia nitsangana niaraka tamin’izay Razazavavy ka afaka nandeha; fa efa roa amby folo taona izy. Dia talanjona indrindra ny olona.
43 Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr’olona izany; ary nasainy nomena hanina Razazavavy.

Guérison d’une femme et résurrection d’une fillette
21 Jésus regagna en barque l’autre rive, où une grande foule se rassembla autour de lui. Il était au bord du lac. 22 Alors vint un des chefs de la synagogue, du nom de Jaïrus. Lorsqu’il aperçut Jésus, il se jeta à ses pieds
23 et le supplia avec insistance: «Ma petite fille est sur le point de mourir. Viens, pose les mains sur elle afin qu’elle soit sauvée, et elle vivra.»
24 Jésus s’en alla avec lui. Une grande foule le suivait et le pressait de tous côtés.
25 Or, il y avait une femme atteinte d’hémorragies depuis 12 ans.
26 Elle avait beaucoup souffert entre les mains de nombreux médecins. Elle avait dépensé tout ce qu’elle possédait, mais cela n’avait servi à rien; au contraire, son état avait plutôt empiré.
27 Elle entendit parler de Jésus, vint dans la foule par-derrière et toucha son vêtement,
28 car elle se disait: «Même si je ne touche que ses vêtements, je serai guérie.»
29 A l’instant même, son hémorragie s’arrêta, et elle sentit dans son corps qu’elle était guérie de son mal.
30 Jésus se rendit aussitôt compte qu’une force était sortie de lui; il se retourna au milieu de la foule et dit: «Qui a touché mes vêtements?»
31 Ses disciples lui dirent: «Tu vois la foule qui te presse et tu dis: ‘Qui m’a touché?’»
32 Jésus regardait autour de lui pour voir celle qui avait fait cela.
33 La femme, effrayée et tremblante, sachant ce qui lui était arrivé, vint se jeter à ses pieds et lui dit toute la vérité.
34 Alors il lui dit: «Ma fille, ta foi t’a sauvée. Pars dans la paix et sois guérie de ton mal.»
35 Il parlait encore quand des gens arrivèrent de chez le chef de la synagogue et lui dirent: «Ta fille est morte. Pourquoi déranger encore le maître?»
36 Dès qu’il entendit cette parole, Jésus dit au chef de la synagogue: «N’aie pas peur, crois seulement.»
37 Et il ne laissa personne l’accompagner, sauf Pierre, Jacques et Jean, le frère de Jacques.
38 Ils arrivèrent à la maison du chef de la synagogue où Jésus vit du tumulte, des gens qui pleuraient et poussaient de grands cris.
39 Il entra et leur dit: «Pourquoi faites-vous ce tumulte et pourquoi pleurez-vous? L’enfant n’est pas morte, mais elle dort.»
40 Ils se moquaient de lui. Alors il les fit tous sortir, prit avec lui le père et la mère de l’enfant et ceux qui l’avaient accompagné, et il entra là où l’enfant était [couchée].
41 Il la prit par la main et lui dit: «Talitha koumi», ce qui signifie: «Jeune fille, lève-toi, je te le dis».
42 Aussitôt la jeune fille se leva et se mit à marcher, car elle avait 12 ans. Ils furent [aussitôt] remplis d’un grand étonnement.
43 Jésus leur adressa de fortes recommandations pour que personne ne le sache et demanda qu’on donne à manger à la jeune fille.

Retour en haut