Péricope du Dimanche 14 Juillet

Table des matières

Ancien Testament

Amosa 7 : 12 – 15 (MRV)

12 Ary hoy i Amazia tamin’i Amosa: Ry mpahita! Andeha mandositra mankany amin’ny tanin’ny Joda ianao ; any ianao no hihinan-kanina ary any ianao no haminany.
13 Aza maminany eto Betela intsony fa fitoerana masin’ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity.
14 Dia namaly an’i Amazia i Amosa hoe : Tsy mba mpaminany aho na zanaky ny mpaminany; mpiandry ondry sy mpikarakara aviavy aho.
15 Nefa nalain’NY TOMPO tany am-piandrasana ondry aho ka nitenenany hoe : Mandehana ka maminania amin’ny Israely oloko.

12 Et Amatsia dit à Amos : « Visionnaire, va-t’en, fuis dans le pays de Juda, manges-y ton pain, et là tu prophétiseras.
13 Mais ne continue pas à prophétiser à Béthel, car c’est un sanctuaire du roi, c’est une maison royale. »
14 Amos répondit à Amatsia : « Je ne suis pas prophète, ni fils de prophète, mais je suis berger et je cultive des sycomores.
15 L’Eternel m’a pris derrière le troupeau et c’est lui qui m’a dit : ‘Va prophétiser à mon peuple, Israël!’

.

Epître

Efesiana 1 : 3 – 14 (MRV)

Fitahiana feno ao amin’i Kristy
3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
4 araka ny nifidianany antsika tao Aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika
5 rehefa notendreny rahateo tamin’ny fitiavana mba ho Azy amin’ny fananganana anaka, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony,
6 mba ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany izay nanasoavany antsika maimaimpoana tao amin’ny Malalany.
7 Ao Aminy no ananantsika fanavotana tamin’ny alalan’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny harenan’ny fahasoavany
8 izay nataony be dia be ho antsika tamin’ny fahendrena sy ny fisainana rehetra :
9 Nampahafantariny antsika ny zavamiafina ny amin’ny sitrapony, araka ny safidiny izay nokasain’ny tenany, 10 mba hanatanterahany izany rehefa tonga ny fotoana voatendry, ka hanangonany indray ny zavatra rehetra, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany ho ambanin’ny mpitondra tokana dia Kristy.
11 Tao Aminy koa no nandraisantsika ny anjara lovantsika, dia isika izay notendrena mialoha araka ny fikasan’Izay mahefa ny zavatra rehetra, araka izay sitraky ny fony,
12 mba ho fiderana ny voninahiny isika izay manana fanantenana ao amin’i Kristy.
13 Ao Aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny Filazantsara izay mamonjy anareo. Eny, ao Aminy koa ianareo, rehefa nino ka nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina, araka ny teny fikasana.
14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ny fanavotana ny olona izay nalainy ho an’ny tenany, mba ho fiderana ny voninahiny.

Les merveilleuses bénédictions du salut en Christ
3 Béni soit le Dieu et Père de notre Seigneur Jésus-Christ, qui nous a bénis de toute bénédiction spirituelle dans les lieux célestes en Christ !
4 En lui, Dieu nous a choisis avant la création du monde pour que nous soyons saints et sans défaut devant lui. Dans son amour,
5 il nous a prédestinés à être ses enfants adoptifs par Jésus-Christ. C’est ce qu’il a voulu, dans sa bienveillance, 6 pour que nous célébrions la gloire de sa grâce, dont il nous a comblés dans le bien-aimé.
7 En lui, par son sang, nous sommes rachetés, pardonnés de nos fautes, conformément à la richesse de sa grâce.
8 Dieu nous l’a accordée avec abondance, en toute sagesse et intelligence.
9 Il nous a fait connaître le mystère de sa volonté, conformément au projet bienveillant qu’il avait formé en Christ
10 pour le mettre à exécution lorsque le moment serait vraiment venu, à savoir de tout réunir sous l’autorité du Messie, aussi bien ce qui est dans le ciel que ce qui est sur la terre.
11 En lui nous avons été désignés comme héritiers, ayant été prédestinés suivant le plan de celui qui met tout en œuvre conformément aux décisions de sa volonté
12 pour servir à célébrer sa gloire, nous qui avons par avance espéré dans le Messie.
13 En lui vous aussi, après avoir entendu la parole de la vérité, l’Evangile qui vous sauve, en lui vous avez cru et vous avez été marqués de l’empreinte du Saint-Esprit qui avait été promis.
14 Il est le gage de notre héritage en attendant la libération de ceux que Dieu s’est acquis pour célébrer sa gloire.

Evangile

Marka 6 : 7 – 13 (MRV)

Ny nanirahan’i Jesosy ny roa amby folo lahy
7 Ary niantso ny roa amby folo lahy hankeo Aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana amin’ny fanahy maloto.
8 Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin’ny halehany, na mofo, na kitapo, na vola ao anatin’ny fehikibony, afa-tsy tehina ihany.
9 Nefa asio kapa ny tongotrareo ary aza mitondra akanjo roa, hoy Izy.
10 Hoy koa Izy taminy: Izay trano idiranareo dia mitoera ao mandra-pialanareo any.
11 Ary izay tanàna tsy mampandroso anareo na tsy mihaino anareo, rehefa miala tao ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.
12 Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona.
13 Ary demonia maro no noroahiny; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.

7 Alors il appela les douze et commença à les envoyer deux à deux, et il leur donna autorité sur les esprits impurs.
8 Il leur recommanda de ne rien prendre pour le voyage, sauf un bâton, de n’avoir ni pain, ni sac, ni argent dans la ceinture,
9 de chausser des sandales et de ne pas mettre deux chemises.
10 Puis il leur dit : « Si quelque part vous entrez dans une maison, restez-y jusqu’à votre départ.
11 Et si, dans une ville, les gens ne vous accueillent pas et ne vous écoutent pas, retirez-vous de là et secouez la poussière de vos pieds en témoignage contre eux. [Je vous le dis en vérité, le jour du jugement, Sodome et Gomorrhe seront traitées moins sévèrement que cette ville-là.] »
12 Ils partirent et prêchèrent en appelant chacun à changer d’attitude.
13 Ils chassaient beaucoup de démons, appliquaient de l’huile à beaucoup de malades et les guérissaient.

Retour en haut