Péricope du Dimanche 04 Aout

Table des matières

Ancien Testament

Eksodosy 16 : 2 – 15 (MRV)

2 Dia nimonomonona tamin’i Mosesy sy i Arona tany an-tany efitra ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo
3 ka hoy izy ireo: Inay anie izahay mba matin’ny tanan’NY TOMPO tany amin’ny tany Ejipta, raha nipetraka teo anilan’ny vilany fahandroan-kena mba nihinan-kanina ka voky! Fa nitondra anay nivoaka ho atỳ amin’ity tany efitra ity ianareo hahafaty mosary izao fiangonana manontolo izao.
4 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Dia ho avy ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isanandro mba hizahako toetra azy, na handeha hanaraka ny lalànako izy na tsia.
5 Ary amin’ny andro fahenina, raha manamboatra izay azony izy, dia hisy indroa toraka izay angoniny isanandro amin’io.
6 Dia hoy i Mosesy sy i Arona tamin’ny Zanak’Israely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa NY TOMPO no nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta;
7 ho hitanareo koa ny voninahitry NY TOMPO rahampitso maraina, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin’NY TOMPO; fa izahay moa no inona no imonomononanareo?
8 Hoy koa i Mosesy: Ho hitanareo, rehefa homen’NY TOMPO hena hohanina ianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina, fa efa ren’NY TOMPO ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo fa NY TOMPO.
9 Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona: Lazao amin’ny fiangonan’ny Israely manontolo hoe: Manatòna eo anatrehan’NY TOMPO; fa efa reny ny fimonomononanareo.
10 Ary raha mbola niteny tamin’ny fiangonan’ny Israely manontolo i Arona dia nitodika nanatrika ny tany efitra izy ireo ka indro, ny voninahitry NY TOMPO niseho teo amin’ny rahona.
11 Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
12 Efa reko ny fimonomononan’ny Zanak’Israely, koa mitenena aminy hoe: Hihinan-kena ianareo anio hariva milenti-masoandro ary rahampitso maraina kosa dia ho voky mofo, dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
13 Nony hariva, niakatra ny papelika ka rakotra azy ny toby; nony maraina, nisy ando matevina nanodidina ny toby.
14 Nony niala ny ando matevina dia indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ny tany efitra, madinika toy ny fanala amin’ny tany.
15 Rehefa hitan’ny Zanak’Israely izany dia nifanontany izy hoe: Inona itony? Satria tsy fantany hoe inona ireny. Dia hoy i Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen’NY TOMPO ho fihinanareo.

2 Toute l’assemblée des Israélites murmura contre Moïse et Aaron dans le désert.
3 Les Israélites leur dirent: «Pourquoi ne sommes-nous pas morts de la main de l’Eternel en Egypte, quand nous étions assis près des marmites de viande, quand nous mangions du pain à satiété? Au contraire, vous nous avez conduits dans ce désert pour faire mourir de faim toute cette assemblée.»
4 L’Eternel dit à Moïse: «Je vais faire pleuvoir du pain pour vous depuis le ciel. Le peuple sortira et en ramassera chaque jour la quantité nécessaire. Ainsi, je le mettrai à l’épreuve et je verrai s’il suivra, ou non, ma loi.
5 Le sixième jour, ils prépareront ce qu’ils auront apporté, c’est-à-dire le double de la portion ramassée chaque jour.»
6 Moïse et Aaron dirent à tous les Israélites: «Ce soir, vous reconnaîtrez que c’est l’Eternel qui vous a fait sortir d’Egypte.
7 Le matin, vous verrez la gloire de l’Eternel, parce qu’il a entendu vos murmures contre lui. Que sommes-nous, en effet, pour que vous murmuriez contre nous?»
8 Moïse dit: «L’Eternel vous donnera ce soir de la viande à manger, et le matin du pain à satiété, parce qu’il a entendu les murmures que vous avez proférés contre lui. Que sommes-nous en effet? Ce n’est pas contre nous que vous murmurez, c’est contre l’Eternel.»
9 Moïse dit à Aaron: «Dis à toute l’assemblée des Israélites: ‘Approchez-vous devant l’Eternel, car il a entendu vos murmures.’»
10 Tandis qu’Aaron parlait à toute l’assemblée des Israélites, ils se tournèrent du côté du désert, et voici que la gloire de l’Eternel parut dans la nuée.
11 L’Eternel s’adressa à Moïse:
12 «J’ai entendu les murmures des Israélites. Dis-leur: ‘Au coucher du soleil vous mangerez de la viande, et le matin vous vous rassasierez de pain. Ainsi vous reconnaîtrez que je suis l’Eternel, votre Dieu.’»
13 Le soir survinrent des cailles qui couvrirent le camp, et le matin il y eut une couche de rosée autour du camp. 14 Une fois cette rosée dissipée, il y avait à la surface du désert quelque chose de petit comme des grains, quelque chose de fin comme la gelée blanche sur la terre.
15 Les Israélites regardèrent et se dirent l’un à l’autre: «Qu’est-ce que c’est?» En effet, ils ne savaient pas ce que c’était. Moïse leur dit: «C’est le pain que L’Eternel vous donne pour nourriture.

.

Epître

Efesiana 4 : 17 – 24 (MRV)

Ny olona taloha sy ny olom-baovao
17 Koa izao no lazaiko sady ambarako marina ao amin’ny Tompo: Ny mba tsy handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny Jentilisa amin’ny fahafoanan’ny sainy;
18 fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny noho ny tsy fahalalana izay ao anatiny, noho ny hamafin’ny fony,
19 dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijangajangana, hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fitiavam-bola.
20 Fa ianareo kosa dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy,
21 raha Izy tokoa no renareo ka tao Aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy,
22 mba hialanareo ny toetra maha olona taloha anareo araka ny fitondrantenanareo fahiny izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka;
23 fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo,
24 ary mba hotafinareo ny toetra maha olom-baovao izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.

La vie nouvelle en Christ
17 Voici donc ce que je dis et ce que j’affirme dans le Seigneur: vous ne devez plus vous conduire comme les non-croyants, qui se laissent guider par la sottise de leurs pensées.
18 Ils ont l’intelligence obscurcie, ils sont étrangers à la vie de Dieu à cause de l’ignorance qui est en eux, à cause de l’endurcissement de leur cœur.
19 Ils ont perdu tout sens moral et se sont livrés à la débauche pour commettre avec avidité toutes sortes d’impuretés.
20 Mais vous, ce n’est pas ainsi que vous avez appris à connaître Christ,
21 si du moins c’est lui que vous avez écouté et si c’est en lui que vous avez été enseignés conformément à la vérité qui est en Jésus.
22 On vous a enseigné à vous débarrasser du vieil homme qui correspond à votre ancienne manière de vivre et se détruit sous l’effet de ses désirs trompeurs,
23 à vous laisser renouveler par l’Esprit dans votre intelligence
24 et à vous revêtir de l’homme nouveau, créé selon Dieu dans la justice et la sainteté que produit la vérité.

Evangile

Jaona 6 : 24 – 35 (MRV)

24 koa nony hitan’ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ireo ka nankany Kapernaomy mba hitady an’i Jesosy.
25 Rehefa nahita Azy teny ampitan’ny ranomasina izy ireo dia niteny Taminy hoe: Raby ô, oviana no tonga teto Ianao?
26 Dia hoy Jesosy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.
27 Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ny Zanak’Olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombo-kase.
28 Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?
29 Dia novalin’i Jesosy hoe: Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
30 Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao?
31 Ny razantsika dia nihinana ny mana tany an-tany efitra, araka ny voasoratra hoe: «Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny» (Sal 78.24).
32 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy i Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.
33 Fa ny mofon’Andriamanitra dia ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’izao tontolo izao.
34 Dia hoy ireo Taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.
35 Hoy Jesosy taminy: “Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana ary izay mino Ahy dia tsy mba hangetaheta intsony.”

24 Quand les gens s’aperçurent que ni Jésus ni ses disciples n’étaient là, ils montèrent dans ces barques et allèrent à Capernaüm à la recherche de Jésus.
25 Ils le trouvèrent de l’autre côté du lac et lui dirent: «Maître, quand es-tu venu ici?»
26 Jésus leur répondit: «En vérité, en vérité, je vous le dis, vous me cherchez non parce que vous avez vu des signes, mais parce que vous avez mangé du pain et que vous avez été rassasiés.
27 Travaillez, non pour la nourriture périssable, mais pour celle qui subsiste pour la vie éternelle, celle que le Fils de l’homme vous donnera, car c’est lui que le Père, Dieu lui-même, a marqué de son empreinte.»
28 Ils lui dirent: «Que devons-nous faire pour accomplir les œuvres de Dieu?»
29 Jésus leur répondit: «L’œuvre de Dieu, c’est que vous croyiez en celui qu’il a envoyé.»
30 «Quel signe miraculeux fais-tu donc, lui dirent-ils, afin que nous le voyions et que nous croyions en toi? Que fais-tu?
31 Nos ancêtres ont mangé la manne dans le désert, comme cela est écrit: Il leur a donné le pain du ciel à manger.»
32 Jésus leur dit: «En vérité, en vérité, je vous le dis, ce n’est pas Moïse qui vous a donné le pain du ciel, mais c’est mon Père qui vous donne le vrai pain du ciel.
33 En effet, le pain de Dieu, c’est celui qui descend du ciel et qui donne la vie au monde.»
34 Ils lui dirent alors: «Seigneur, donne-nous toujours ce pain-là!»
35 Jésus leur dit: «C’est moi qui suis le pain de la vie. Celui qui vient à moi n’aura jamais faim et celui qui croit en moi n’aura jamais soif. »

Retour en haut