Péricope du Dimanche 11 Aout

Table des matières

Ancien Testament

1 Mpanjaka 19 : 4 – 8 (MRV)

4 Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-tany efitra, ary tonga teo ambanin’ny anjavidy iray izy dia nipetraka; nangataka ho faty teo izy ka niteny hoe: Aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny, TOMPO ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.
5 Nony nandry teo izy ka natory, indro nisy anjely nanohina azy ka niteny taminy hoe: Miarena ka homàna!
6 Dia nijery izy ka indro, teo anilan’ny lohany dia nisy mofo voaendy tamin’ny vato mahamay sy rano iray tavoara. Nihinana sy nisotro izy dia nandry indray.
7 Tonga nanohina azy fanindroany ilay Anjelin’NY TOMPO dia nanohina azy ka niteny hoe: Mifohaza ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao.
8 Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro ary nandeha tamin’ny tanjaka azony tamin’izany hanina izany efapolo andro sy efapolo alina ho any Horeba,

4 Quant à lui, il marcha toute une journée dans le désert, puis il s’assit sous un genêt et demanda la mort en disant: «C’est assez! Maintenant, Eternel, prends-moi la vie, car je ne suis pas meilleur que mes ancêtres.»
5 Il se coucha et s’endormit sous un genêt. Et voici qu’un ange le toucha et lui dit: «Lève-toi et mange.»
6 Elie regarda et il vit à son chevet un gâteau cuit sur des pierres chauffées ainsi qu’une cruche d’eau. Il mangea et but, puis se recoucha.
7 L’ange de l’Eternel vint une deuxième fois, le toucha et dit: «Lève-toi et mange, car le chemin est trop long pour toi.»
8 Il se leva, mangea et but. Puis, avec la force que lui donna cette nourriture, il marcha 40 jours et 40 nuits jusqu’à la montagne de Dieu, jusqu’à Horeb.

.

Epître

Efesiana 4.30 – 5.2 (MRV)

4.30 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ny andro fanavotana.
4.31 Esory aminareo ny lolompo rehetra, ny fahavinirana, ny fahatezerana, ny fitabatabana, ny fitenenan-dratsy ary ny faharatsiana rehetra;
4.32 ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.
5.1 Koa aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala;
5.2 ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo ka nanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra ho fanatitra sy ho fanavotana ary ho hanitra ankasitrahana.

4.30 N’attristez pas le Saint-Esprit de Dieu, par lequel vous avez été marqués d’une empreinte pour le jour de la libération.

4.31 Que toute amertume, toute fureur, toute colère, tout éclat de voix, toute calomnie et toute forme de méchanceté disparaissent du milieu de vous.

4.32 Soyez bons et pleins de compassion les uns envers les autres; pardonnez-vous réciproquement comme Dieu nous a pardonné en Christ.

5.1 Soyez donc les imitateurs de Dieu, puisque vous êtes ses enfants bien-aimés,

5.2 et vivez dans l’amour en suivant l’exemple de Christ, qui nous a aimés et qui s’est donné lui-même pour nous comme une offrande et un sacrifice dont l’odeur est agréable à Dieu.

Evangile

Jaona 6 : 41 – 51 (MRV)

41 Dia nimonomonona tamin’i Jesosy ny Jiosy satria Izy nilaza hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.
42 Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, zanak’i Josefa, izay fantatsika ny ray aman-dreniny? Koa ahoana indray no ilazany ankehitriny hoe: Izaho ilay nidina avy tany an-danitra?
43 Fa hoy Jesosy hoe: Aza mimonomonona ianareo.
44 Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.
45 Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: «Ary izy rehetra dia hampianarin’Andriamanitra» (Isa 54.13). Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ny Ray no manatona Ahy.
46 Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
47 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izay mino no manana fiainana mandrakizay.
48 Izaho no mofon’aina.
49 Ny razanareo dia nihinana ny mana tany an-tany efitra nefa maty ihany.
50 Inty kosa dia mofo midina avy any an-danitra mba tsy ho faty izay mihinana azy.
51 Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko mba ho fiainan’izao tontolo izao.

41 Les Juifs murmuraient à son sujet parce qu’il avait dit: «Je suis le pain descendu du ciel»,
42 et ils disaient: «N’est-ce pas Jésus, le fils de Joseph, celui dont nous connaissons le père et la mère? Comment donc peut-il dire: ‘Je suis descendu du ciel’?»
43 Jésus leur répondit: «Ne murmurez pas entre vous.
44 Personne ne peut venir à moi, à moins que le Père qui m’a envoyé ne l’attire, et moi, je le ressusciterai le dernier jour.
45 Il est écrit dans les prophètes: Ils seront tous enseignés de Dieu. Ainsi donc, toute personne qui a entendu le Père et s’est laissé instruire vient à moi.
46 C’est que personne n’a vu le Père, sauf celui qui vient de Dieu; lui, il a vu le Père.
47 En vérité, en vérité, je vous le dis, celui qui croit [en moi] a la vie éternelle.
48 Je suis le pain de la vie.
49 Vos ancêtres ont mangé la manne dans le désert et ils sont morts.
50 Voici comment est le pain qui descend du ciel: celui qui en mange ne mourra pas.
51 Je suis le pain vivant descendu du ciel. Si quelqu’un mange de ce pain, il vivra éternellement, et le pain que je donnerai, c’est mon corps, [que je donnerai] pour la vie du monde.»

Retour en haut