Péricope du Dimanche 18 Aout

Table des matières

Ancien Testament

Ohabolana 9 : 1 – 6 (MRV)

Ny fanasana ataon’ny Fahendrena
1 Efa nanorina ny tranony ny Fahendrena, efa nipaika ny andriny fito izy.
2 Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy ary efa namelatra ny latabany koa.
3 Efa naniraka ny mpanompovaviny izy; miantso eny an-tampon’ny toerana avo eny an-tanàna izy ka miteny hoe:
4 Iza no kely saina? Aoka izy hivily hankaty! Ary amin’izay tsy ampy saina dia hoy izy:
5 Avia, hano ny mofoko ary sotroy ny divay voaharoko.
6 Ilaozy ny hadalana dia ho velona ianao ary mizora amin’ny lalan’ny fahalalana!

La sagesse et la folie
1 La sagesse a construit sa maison, elle a taillé ses sept colonnes.
2 Elle a abattu son bétail, mélangé son vin et dressé sa table.
3 Elle a envoyé ses servantes, elle crie sur le sommet des hauteurs de la ville:
4 «Qui manque d’expérience? Qu’il entre ici!» Elle dit à ceux qui sont dépourvus de bon sens:
5 «Venez manger de mon pain et boire du vin que j’ai mélangé!
6 Abandonnez la naïveté et vous vivrez, avancez sur la voie de l’intelligence!

.

Epître

Efesiana 5 : 15 – 20 (MRV)

15 Koa tandremo tsara izay fitondrantenanareo, mba tsy ho tahaka ny adala fa tahaka ny hendry.
16 Araraoty ny fotoana azo anaovan-tsoa fa ratsy izao andro izao.
17 Ary noho izany dia aza miadaladala fa fantaro izay sitrapon’ny Tompo.
18 Aza ho mamon-divay ianareo fa misy fanaranam-po amin’ny ratsy amin’izany. Aoka ianareo ho feno ny Fanahy;
19 mifampiresaha amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, dia mihirà sy mikaloa ao am-ponareo ho an’ny Tompo.
20 Misaora mandrakariva an’Andriamanitra Ray noho ny zavatra rehetra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika.

15 Faites donc bien attention à la façon dont vous vous conduisez: ne vous comportez pas comme des fous, mais comme des sages:
16 rachetez le temps, car les jours sont mauvais.
17 C’est pourquoi ne soyez pas stupides, mais comprenez quelle est la volonté du Seigneur.
18 Ne vous enivrez pas de vin: cela mène à la débauche. Soyez au contraire remplis de l’Esprit:
19 dites-vous des psaumes, des hymnes et des cantiques spirituels; chantez et célébrez de tout votre cœur les louanges du Seigneur;
20 remerciez constamment Dieu le Père pour tout, au nom de notre Seigneur Jésus-Christ

Evangile

Jaona 6 : 51 – 58 (MRV)

51 Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko mba ho fiainan’izao tontolo izao.
52 Dia nifandìtra ny Jiosy ka niteny hoe: Hataon’Ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
53 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’Olona sy misotro ny rany ianareo dia tsy manana fiainana ao aminareo.
54 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.
55 Fa ny nofoko no tena fihinana ary ny rako no tena fisotro.
56 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao Amiko ary Izaho kosa ao aminy.
57 Tahaka ny nanirahan’ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ny alalan’ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amin’ny alalako.
58 Inty no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.

51 Je suis le pain vivant descendu du ciel. Si quelqu’un mange de ce pain, il vivra éternellement, et le pain que je donnerai, c’est mon corps, [que je donnerai] pour la vie du monde.»
52 Là-dessus, les Juifs se mirent à discuter vivement entre eux, disant: «Comment peut-il nous donner son corps à manger?»
53 Jésus leur dit: «En vérité, en vérité, je vous le dis, si vous ne mangez pas le corps du Fils de l’homme et si vous ne buvez pas son sang, vous n’avez pas la vie en vous-mêmes.
54 Celui qui mange mon corps et qui boit mon sang a la vie éternelle, et moi, je le ressusciterai le dernier jour.
55 En effet, mon corps est vraiment une nourriture et mon sang est vraiment une boisson.
56 Celui qui mange mon corps et qui boit mon sang demeure en moi, et moi je demeure en lui.
57 Tout comme le Père qui est vivant m’a envoyé et que je vis grâce au Père, ainsi celui qui me mange vivra grâce à moi.
58 Voilà comment est le pain descendu du ciel. Il n’est pas comme [la manne que vos] ancêtres ont mangée; eux sont morts, mais celui qui mange de ce pain vivra éternellement.»

Retour en haut