Péricope du Dimanche 01 Février 2026

Table des matières

Ancien Testament

Zefania 2.3 ; 3.12-13 (MRV)

2.3 Mitadiava NY TOMPO ianareo mpanetry tena rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny! Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fanetren-tena! Angamba ho voafina ianareo amin’ny andron’ny fahatezeran’NY TOMPO.
3.12 Nefa hamelako olona mahantra sy madinika ihany ao aminao ary ny anaran’NY TOMPO no hialofany.
3.13 Tsy hanao heloka na handainga intsony ny sisa amin’ny Israely. Tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany fa ho afaka mihinana sy mandry izy ka tsy hisy hanaitaitra azy.

2.3 Tournez-vous vers le Seigneur, vous, les gens simples du pays, vous qui obéissez à ses commandements. Pratiquez ce qui est juste, faites-vous petits devant Dieu. Alors vous serez peut-être à l’abri le jour où le Seigneur montrera sa colère.
3.12 Je laisserai parmi vous uniquement les gens simples et pauvres. Ils trouveront en moi une protection.
3.13 Les gens du peuple d’Israël qui seront restés en vie ne feront plus le mal, et ils ne diront plus de mensonges. Ils ne tromperont plus les autres avec leurs paroles. Ils pourront manger et dormir, et personne ne leur fera peur. »

.

Epître

1 Korintiana 1 : 26 – 31 (MRV)

26 Mba hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy ny olon-kendry araka ny nofo, tsy firy ny olona mahery, tsy firy ny avo razana;
27 fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
28 ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,
29 mba tsy hisy nofo hahazo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
30 Fa avy aminy no nahatonga anareo ho ao amin’i Kristy Jesosy, izay natao fahendrena avy amin’Andriamanitra ho antsika, ary koa fahamarinana, fahamasinana ary fanavotana,
31 mba ho araka ny voasoratra hoe: «Izay mirehareha, aoka NY TOMPO no ho reharehany» (Jer 9.23).

1 Corinthiens 1 : 26 – 31 (PDV)

26 Frères et sœurs, regardez qui vous êtes, vous qui avez reçu l’appel de Dieu. Parmi vous, il n’y a pas beaucoup de sages du point de vue humain, pas beaucoup de gens puissants, pas beaucoup de gens importants.
27 Mais pour couvrir de honte les sages, Dieu a choisi ce qui semble fou dans le monde. Pour couvrir de honte ce qui est fort, Dieu a choisi ce qui est faible dans le monde.
28 Pour détruire ce qui est important, Dieu a choisi ce qui est petit dans le monde. Il a choisi ce qu’on méprise, ce qui n’est rien du tout.
29 Dieu a fait cela pour que personne ne puisse se vanter devant lui.
30 C’est lui qui vous a unis au Christ Jésus, et le Christ est devenu pour nous la sagesse qui vient de Dieu. Par lui, Dieu nous rend justes, il nous choisit pour lui et il nous libère du péché.
31 Alors, comme les Livres Saints le disent : « Si quelqu’un veut se vanter, qu’il se vante à cause du Seigneur. »

Evangile

Matio 5 : 1 – 12 (MRV)

1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; rehefa tafapetraka Izy dia nanatona Azy ny mpianany.
2 Dia nanomboka niteny Izy ka nampianatra azy ireo hoe:
3 Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
4 Sambatra ny malahelo, fa izy no hampaherezina.
5 Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany (Sal 37.11).
6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana.
7 Sambatra ny mpamindra fo, fa izy no hamindrana fo.
8 Sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra.
9 Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra.
10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
11 Sambatra ianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny Amiko.
12 Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; …

1 Jésus voit les foules qui sont venues. Il monte sur la montagne, il s’assoit et ses disciples viennent auprès de lui.
2 Jésus prend la parole et il les enseigne en disant :
3 « Ils sont heureux, ceux qui ont un cœur de pauvre, parce que le Royaume des cieux est à eux !
4 Ils sont heureux, ceux qui pleurent, parce que Dieu les consolera !
5 Ils sont heureux, ceux qui sont doux, parce qu’ils recevront la terre comme un don de Dieu !
6 Ils sont heureux, ceux qui ont faim et soif d’obéir à Dieu, parce qu’ils seront satisfaits !
7 Ils sont heureux, ceux qui sont bons pour les autres, parce que Dieu sera bon pour eux !
8 Ils sont heureux, ceux qui ont le cœur pur, parce qu’ils verront Dieu !
9 Ils sont heureux, ceux qui font la paix autour d’eux, parce que Dieu les appellera ses fils.
10 Ils sont heureux, ceux qu’on fait souffrir parce qu’ils obéissent à Dieu. Oui, le Royaume des cieux est à eux !
11 Vous êtes heureux quand on vous insulte, quand on vous fait souffrir, quand on dit contre vous toutes sortes de mauvaises paroles et de mensonges à cause de moi.
12 Soyez dans la joie, soyez heureux, parce que Dieu vous prépare une grande récompense ! … »

Retour en haut