
Ancien Testament
4 NY TOMPO Andriamanitra no nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako milaza teny hampatanjaka izay reraka; fohaziny isa-maraina isa-maraina Aho; eny, fohaziny ny sofiko mba hihaino tahaka ny efa mahay.
5 Nanokatra ny sofiko NY TOMPO Andriamanitra ary tsy nanohitra na nihemotra Aho.
6 Natolotro ho amin’ny mpikapoka ny lamosiko ary ny takolako ho amin’izay manongotra ny volombavako. Tsy nafeniko tamin’ny henatra sy ny rora ny tavako.
7 Nefa NY TOMPO Andriamanitra no namonjy Ahy ka tsy resin-kenatra Aho; efa nohamafisiko ho tahaka ny vatoafo ny tavako ka fantatro fa tsy hitsanga-menatra Aho.
4 Le Seigneur Dieu m’enseigne ce que je dois dire pour encourager celui qui n’a plus de force. Chaque matin, il me réveille pour que j’écoute comme un bon disciple.
5 Le Seigneur Dieu m’ouvre l’oreille, et je ne résiste pas, je ne recule pas.
6 Je présente mon dos à ceux qui me frappent, je tends les joues à ceux qui m’arrachent la barbe. Je ne protège pas mon visage contre ceux qui m’insultent et qui crachent sur moi.
7 Le Seigneur Dieu vient à mon secours, c’est pourquoi leurs insultes ne me touchent pas. Je rends mon visage dur comme pierre. Je sais que je ne serai pas vaincu.
.
Epître
6 Na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza Izy dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra,
7 fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy
8 dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana.
9 Noho izany no nanandratan’Andriamanitra Azy ho ambony indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,
10 mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany na ny any ambanin’ny tany,
11 sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.
6 Lui, il est l’égal de Dieu, parce qu’il est Dieu depuis toujours. Pourtant, cette égalité, il n’a pas cherché à la garder à tout prix pour lui.
7Mais tout ce qu’il avait, il l’a laissé. Il s’est fait serviteur, il est devenu comme les hommes, et tous voyaient que c’était bien un homme.
8 Il s’est fait plus petit encore : il a obéi jusqu’à la mort, et il est mort sur une croix !
9 C’est pourquoi Dieu l’a placé très haut et il lui a donné le nom qui est au-dessus de tous les autres noms.
10 Alors tous ceux qui sont dans le ciel, sur la terre et chez les morts tomberont à genoux quand ils entendront le nom de Jésus.
11 Et tous reconnaîtront ceci : Jésus-Christ est le Seigneur, pour la gloire de Dieu le Père.
Evangile
Ny niakaran’i Jesosy tany Jerosalema
1 Rehefa nanakaiky an’i Jerosalema izy ireo ka tonga tao Betifaga any amin’ny tendrombohitra Oliva dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka niteny taminy hoe:
2 Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa, fa avy hatrany dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany miaraka aminy ianareo; vahao izy dia ento etỳ Amiko.
3 Ary raha misy miteny anareo dia lazao hoe: Misy ilàn’ny Tompo azy; ary havelany hoentinareo avy hatrany izy.
4 Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:
5 «Lazao amin’i Ziona zanakavavy; indro ny Mpanjakanao avy ho anao, malemy fanahy sady mitaingina boriky, dia zanaky ny boriky miasa.»
6 Ary nandeha ny mpianatra ka nanatanteraka izay toromarika nomen’i Jesosy azy,
7 koa noentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, dia nitaingina azy Jesosy.
8 Ary ny ankabeazan’ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ny sasany dia nanapaka rantsan-kazo ary nampihahaka izany teny an-dalana.
9 Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantsoantso hoe : « Hosana ho an’ny Zanak’i Davida!
Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO ! Hosana any amin’ny avo indrindra » (Sal 118.26).
10 Nony efa tafiditra tao Jerosalema Izy dia nihotakotaka ny tanàna manontolo ka niteny hoe: Iza moa izao ?
11 Ary nilaza ny vahoaka hoe: Izao no Jesosy mpaminany izay avy any Nazareta any Galilia.
Jésus entre à Jérusalem
1 Jésus et ses disciples approchent de Jérusalem. Ils sont près de Bethfagé, vers le mont des Oliviers. Alors Jésus envoie deux disciples,
2 en leur disant : « Allez au village qui est devant vous. Là, vous verrez tout de suite une ânesse attachée avec une corde, et son petit âne avec elle. Détachez-la et amenez-les-moi.
3 On va peut-être vous dire quelque chose, vous répondrez : “Le Seigneur en a besoin.” Et on les laissera partir tout de suite. »
4 Ainsi se réalise ce que le prophète a dit de la part du Seigneur :
5 « Dites à la ville de Sion : Regarde ! Ton roi vient vers toi ! Il est plein de douceur. Il est monté sur une ânesse et sur un ânon, le petit d’une bête qui porte des charges. »
6 Les disciples partent et ils font tout ce que Jésus leur a commandé.
7 Ils amènent l’ânesse et l’ânon. Ils posent des vêtements sur eux, et Jésus s’assoit dessus.
8 Beaucoup de gens étendent des vêtements sur le chemin. D’autres coupent des branches d’arbres et ils les mettent sur le chemin.
9 Les foules qui marchent devant Jésus et celles qui le suivent crient : « Gloire au Fils de David ! Que Dieu bénisse celui qui vient en son nom ! Gloire à Dieu au plus haut des cieux ! »
10 Quand Jésus entre à Jérusalem, toute la ville est bouleversée. Les habitants demandent : « Qui est cet homme ? »
11 Les foules répondent : « C’est le prophète Jésus, de la ville de Nazareth en Galilée. »
