Péricope du Dimanche 12 Avril 2026

Table des matières

Actes des Apôtres

Asan’ny Apostoly 2 : 42 – 47 (MRV)

Ny fiangonana kristiana voalohany
42 Ary izy ireo dia naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
43 Dia raiki-tahotra ny olona rehetra, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon’ny apostoly.
44 Izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra;
45 namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.
46 Niray saina isanandro izy ireo ka nazoto nankeo amin’ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano sady nihinan-kanina tamin’ny fifaliana sy ny fahatsoram-po;
47 nidera an’Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ny vahoaka rehetra izy. Ary nampitomboin’ny Tompo isanandro ny olom-bonjena ho isan’ireo.

La vie des croyants
42 Régulièrement et fidèlement, les croyants écoutent l’enseignement des apôtres. Ils vivent comme des frères et des sœurs, ils partagent le pain et ils prient ensemble.
43 Les apôtres font beaucoup de choses extraordinaires et étonnantes, et les gens sont frappés de cela.
44 Tous les croyants sont unis et ils mettent en commun tout ce qu’ils ont.
45 Ils vendent leurs propriétés et leurs objets de valeur, ils partagent l’argent entre tous, et chacun reçoit ce qui lui est nécessaire.
46 Chaque jour, d’un seul cœur, ils se réunissent fidèlement dans le temple. Ils partagent le pain dans leurs maisons, ils mangent leur nourriture avec joie et avec un cœur simple.
47 Ils chantent la louange de Dieu, et tout le peuple les aime. Et chaque jour, le Seigneur ajoute à leur communauté ceux qui sont sauvés.

.

Epître

1 Petera 1 : 3 – 9 (MRV)

Ny famonjena, fototry ny fanantenana sy ny firavoravoana
3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona noho ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty,
4 ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
5 izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana, ho amin’ny famonjena efa vonona haseho amin’ny fotoana farany.
6 Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fizahan-toetra maro samihafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
7 mba ho antom-piderana sy voninahitra ary fankalazana amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy ny finoanareo voazaha toetra, izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza.
8 Na dia tsy hitanareo akory aza Izy dia tianareo; ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza Izy kanefa inoanareo dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy hay tononina sady be voninahitra,
9 sady mandray ny anton’ny finoanareo ianareo, dia ny famonjena ny fanahy.

1 Pierre 1 : 3 – 9 (PDV)

Louange à Dieu, qui sauve les croyants
3 Chantons la louange de Dieu, le Père de notre Seigneur Jésus-Christ ! Dans sa grande bonté, il nous a fait naître une deuxième fois en relevant Jésus-Christ de la mort. Nous avons ainsi une espérance qui fait vivre,
4 et nous pouvons attendre avec joie les biens que Dieu garde pour nous. Il les garde pour vous dans les cieux, là où ils ne peuvent s’abîmer, ni être salis, ni disparaître.
5 Et vous-mêmes, si vous croyez, le Dieu puissant vous garde pour vous sauver. Ce salut, on le connaîtra à la fin des temps.
6 C’est pourquoi vous êtes remplis de joie, même si toutes sortes de difficultés doivent vous rendre tristes pendant un peu de temps.
7 Ces difficultés servent à montrer la qualité de votre foi. L’or peut s’abîmer, pourtant on le met dans le feu, pour voir s’il est pur. C’est pareil pour votre foi. Elle est plus précieuse que l’or, mais elle aussi est mise à l’épreuve. Alors, quand Jésus-Christ paraîtra, vous recevrez honneur, louange et gloire, à cause de la qualité de votre foi.
8 Jésus, vous ne l’avez pas vu, et pourtant vous l’aimez. Vous ne le voyez pas maintenant, et pourtant vous croyez en lui. C’est pourquoi vous êtes remplis d’une très grande joie, une joie si grande qu’on ne peut même pas en parler.
9 Cette joie, vous l’avez parce que vous êtes sauvés. Voilà la récompense que vous gagnez en croyant en Jésus.

Evangile

Jaona 20 : 19 – 31 (MRV)

Jesosy niseho tamin’ny mpianany
19 Nony harivan’ilay andro voalohany amin’ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran’ny toerana izay niangonan’ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany sady niteny taminy hoe: Fiadanana ho anareo !
20 Rehefa nilaza izany Izy dia nasehony azy ny tanany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra raha nahita ny Tompo.
21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
22 Rehefa nilaza izany Izy dia nanisy fofonaina ka hoy Izy taminy: Raiso ny Fanahy Masina;
23 na helok’iza na helok’iza no avelanareo dia voavela izany; ary na an’iza na an’iza kosa no tsy avelanareo dia tsy voavela izany.
I Tomasy sy Ilay nitsangana tamin’ny maty
24 Fa i Tomasy, iray tamin’ny roa amby folo lahy, ilay antsoina hoe Kambana, dia tsy mba teo amin’izy ireo raha tonga Jesosy.
25 Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy: Raha tsy hitako eo amin’ny tanany ny holatra navelan’ny fantsika ka atehiko eo amin’ny holatra navelan’ny fantsika ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tanako dia tsy mba hino aho.
26 Nony afaka havaloana dia tafangona teo indray ny mpianany ary teo koa i Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany sady niteny hoe: Fiadanana ho anareo !
27 Ary hoy Izy tamin’i Tomasy: Atehefo eto ny rantsantananao ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao ka ataovy amin’ny lanivoako; ary aza ho isan’izay tsy mino fa minoa.
28 Dia namaly i Tomasy hoe: Tompoko sy Andriamanitro !
29 Hoy Jesosy taminy : Satria nahita Ahy ianao dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita nefa mino.
Ny zava-kendren’ity boky ity
30 Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon’i Jesosy teo imason’ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin’ity boky ity;
31 fa voasoratra izao mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo.

Jésus se montre à ses disciples
19 Le soir de ce même dimanche, les disciples sont réunis dans une maison. Ils ont fermé les portes à clé parce qu’ils ont peur des chefs juifs. Jésus vient et se tient au milieu d’eux. Il leur dit : « La paix soit avec vous ! »
20 Après qu’il a dit cela, il leur montre ses mains et son côté. Les disciples sont remplis de joie en voyant le Seigneur.
21 Jésus leur dit encore une fois : « La paix soit avec vous ! Comme le Père m’a envoyé, moi aussi, je vous envoie. »
22 Après ces paroles, il souffle sur eux et il leur dit : « Recevez l’Esprit Saint.
23 Quand vous pardonnerez les péchés à quelqu’un, Dieu donnera son pardon. Quand vous refuserez ce pardon à quelqu’un, Dieu le refusera aussi. »
Jésus se montre à Thomas
24 Quand Jésus est venu dans la maison, Thomas appelé le Jumeau, l’un des douze apôtres, n’était pas avec eux.
25 Les autres disciples lui disent : « Nous avons vu le Seigneur ! » Mais Thomas leur répond : « Je veux voir la marque des clous dans ses mains. Je veux mettre mon doigt à la place des clous, et je veux mettre ma main dans son côté. Sinon, je ne croirai pas. »
26 Le dimanche suivant, les disciples sont de nouveau réunis dans la maison, Thomas est avec eux. Ils ont fermé les portes à clé. Jésus vient et il se tient au milieu d’eux. Il leur dit : « La paix soit avec vous ! »
27 Ensuite il dit à Thomas : « Avance ton doigt ici et regarde mes mains. Avance ta main et mets-la dans mon côté. Arrête de douter et crois. »
28 Thomas lui répond : « Mon Seigneur et mon Dieu ! »
29 Jésus lui dit : « Tu crois parce que tu m’as vu. Ils sont heureux, ceux qui n’ont pas vu et qui croient. »
Pourquoi ce livre ?
30 Devant ses disciples, Jésus a encore fait beaucoup d’autres signes étonnants, mais on ne les a pas racontés dans ce livre.
31 Ceux qu’on a racontés ici vous permettent de croire que Jésus est le Messie, le Fils de Dieu. Alors, si vous croyez, vous aurez la vie par lui.

Retour en haut