
Ancien testament
Manankina ny tenany amin’Andriamanitra ny mpaminany
10 Fa reko ny endrikendriky ny besinimaro, misy fampangorohoroana manodidina, torio, eny, hotorìntsika koa izy; izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka miteny hoe: Angamba ho voataona izy, dia horesentsika sy hovalìntsika.
11 Kanefa NY TOMPO dia momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra; ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; ho menatra indrindra izy satria tsy hambinina. Henatra mandrakizay tsy hohadinoina izany !
12 Fa Ianao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, dia mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo. Ho hitako ny famalianao azy, fa Aminao no nanankinako ny adiko.
13 Mihirà ho an’NY TOMPO, miderà NY TOMPO; fa mamonjy ny mahantra amin’ny tanan’ny mpanao ratsy Izy.
10 J’entends beaucoup de gens dire du mal de moi. Ils m’appellent « la-Peur-est-partout ». Certains disent : « Dénoncez-le ! » D’autres répondent : « Oui, dénonçons-le ! » Mes amis eux-mêmes attendent que je tombe. Ils disent : « Il se laissera peut-être surprendre. Alors nous serons les plus forts et nous nous vengerons de lui ! »
11 Mais le Seigneur est avec moi, il combat pour moi avec puissance. Et ceux qui me font souffrir tomberont, ils ne pourront rien contre moi. Ils seront couverts de honte, parce qu’ils n’auront pas été les plus forts. Leur honte durera toujours, et personne ne pourra l’oublier.
12 Seigneur de l’univers, tu sais reconnaître si quelqu’un est fidèle envers toi. Tu connais nos désirs et nos pensées. C’est à toi que j’ai demandé de me défendre contre eux. Montre-moi comment tu vas me venger.
13 Chantez la louange du Seigneur ! Oui, il a arraché le malheureux aux mains des gens méchants.
Epîtres
I Adama sy Jesosy Kristy
12 Noho izany dia tahaka ny nidiran’ny ota tamin’ny alalan’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana ka nahatonga ny olona rehetra ho tratry ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;
13 fa talohan’ny lalàna aza dia nisy ota teto amin’izao tontolo izao, nefa tsy isaina ny ota raha tsy misy lalàna;
14 Nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy anefa ny fahafatesana; eny, fa na dia tamin’izay tsy nanota tahaka ny nanotan’i Adama aza, izay tandindon’Ilay ho avy.
15 Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezana ny fahasoavana. Satria raha ny fahadisoan’ny iray no nahatonga fahafatesana ho an’ny maro, manoatra noho izany kosa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezany be dia be, maimaimpoana, ho an’ny maro amin’ny alalan’ny Olona iray, dia Jesosy Kristy.
Adam et Jésus-Christ
12 Le péché est entré dans le monde à cause d’un seul homme, Adam, et le péché a amené la mort. Alors la mort a touché tous les êtres humains parce que tous ont péché.
13 Avant que Dieu donne la loi à Moïse, le péché était dans le monde, mais quand il n’y a pas de loi, on ne tient pas compte du péché.
14 Pourtant, depuis le temps d’Adam jusqu’à Moïse, la mort a été très puissante. Elle a frappé même ceux qui n’ont pas péché comme Adam, qui a désobéi à l’ordre de Dieu. Adam représentait celui qui allait venir.
15 Mais il y a une grande différence entre le don gratuit de Dieu et la faute d’Adam. Oui, à cause de la faute d’un seul homme, Adam, un grand nombre de gens sont morts. Mais le don gratuit de Dieu est beaucoup plus important. Ce don, Dieu l’a accordé par un seul homme, Jésus-Christ, et ainsi, il a répandu généreusement ses bienfaits sur un grand nombre de gens.
.
Evangile
26 Koa amin’izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
27 Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina dia ambarao eo amin’ny mazava ary izay ren’ny sofinareo dia torio eny an-tampon-trano.
28 Ary aza matahotra izay mamono ny vatana, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra izay mahay mahavery ny fanahy sy ny vatana any amin’ny afobe.
29 Tsy asariona iray ihany va no vidin’ny tsintsina roa? Nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo.
30 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.
31 Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
32 Ary amin’izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.
33 Fa na zovy na zovy no handa Ahy eo anatrehan’ny olona dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.
26 « N’ayez pas peur des gens. Tout ce qui est caché, on pourra le découvrir et tout ce qui est secret, on pourra le connaître.
27 Ce que je vous dis dans la nuit, répétez-le en plein jour. Ce que vous entendez dans le creux de l’oreille, criez-le sur les places.
28 N’ayez pas peur des gens qui tuent le corps. Ils ne peuvent pas tuer la vie qui est en vous. Celui que vous devez respecter avec confiance, c’est Dieu. Lui, il a le pouvoir de vous faire mourir tout entiers dans le lieu de souffrance.
29 Est-ce qu’on ne vend pas deux petits oiseaux pour presque rien ? Pourtant, quand l’un d’eux tombe par terre, c’est votre Père qui permet cela.
30 Pour vous, Dieu connaît même le nombre de vos cheveux.
31 Donc, n’ayez pas peur ! Pour Dieu, vous êtes plus importants que beaucoup de petits oiseaux !
32 « Si quelqu’un dit devant tout le monde : “J’appartiens à Jésus”, alors moi aussi, devant mon Père qui est dans les cieux, je dirai : “Cette personne m’appartient.”
33 Mais si quelqu’un dit devant tout le monde : “Je n’appartiens pas à Jésus”, alors moi aussi, devant mon Père qui est dans les cieux, je dirai : “Cette personne ne m’appartient pas.” »
