
Ancien Testament
I Elisa sy ilay vehivavy sonemita
8 Indray andro i Elisa dia nankany Sonema. Nisy vehivavy mpanankarena iray tao izay nanery azy hisakafo. Isaky ny mandalo izy dia nivily nankao aminy hisakafo.
9 Ary hoy Ravehivavy tamin’ny vadiny: Indro, fantatro fa olona masina sady lehilahin’Andriamanitra ilay lehilahy mpandalo eto amintsika mandrakariva iny.
10 Miangavy anao aho, andeha isika hanao efitrano kely ambony rihana; hasiantsika fandriana sy latabatra ary seza sy fitoeran-jiro ho azy ao, koa rehefa tonga eto amintsika izy dia ao no hipetraka.
11 Indray andro, tonga tao i Elisa ka nipetraka tao amin’ilay efitrano ambony ary nandry tao.
12 Ary hoy izy tamin’i Gehazy zatovony: Antsoy ilay Sonemita. Rehefa nantsoiny Ravehivavy dia nitsangana teo anatrehany.
13 Hoy i Elisa tamin’i Gehazy: Mba lazao amin-dRavehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin’izao fikarakarana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin’ny mpanjaka va ianao, na amin’ny lehiben’ny miaramila? Dia namaly Ravehivavy hoe: Mitoetra atỳ amin’ny fireneko aho.
14 Ary hoy i Elisa: Fa inona ary no hatao ho anao? Dia namaly i Gehazy hoe: Tsy hitanao va fa tsy manan-janaka izy, sady efa antitra ny lahy ?
15 Ary hoy i Elisa: Antsoy ary izy. Ary nony nantsoiny izy dia nitsangana teo am-baravarana.
16 Dia hoy izy: Amin’ny fotoana toy izao, amin’ny herintaona, dia hitrotro zazalahy ianao. Nefa hoy Ravehivavy: Tsia, tompokolahy, lehilahin’Andriamanitra! Aza mandainga amin’ny mpanompovavinao!
Élisée chez une femme du village de Chounem
8 Un jour, Élisée passe à Chounem. Une femme riche habite à cet endroit. Elle demande avec insistance à Élisée de venir manger chez elle. C’est pourquoi, depuis ce jour-là, chaque fois qu’Élisée passe par Chounem, il va manger chez elle.
9 Cette femme dit à son mari : « Écoute, je le sais, l’homme de Dieu qui vient toujours chez nous est vraiment un homme de Dieu.
10 Il faut lui construire une petite chambre sur la terrasse. Nous allons mettre pour lui un lit, une table, un siège et une lampe. Il pourra loger là quand il viendra chez nous. »
11 Un jour, Élisée vient chez eux. Il monte en haut dans la chambre pour se coucher.
12 Ensuite il dit à son serviteur Guéhazi : « Appelle cette femme qui nous accueille. » Guéhazi va la chercher, et elle arrive devant la chambre.
13 Élisée demande à Guéhazi de lui dire ceci : « Tu t’es donné beaucoup de mal pour nous. Qu’est-ce que nous pouvons faire pour toi ? Est-ce qu’il faut parler pour toi au roi ou au chef de l’armée ? » La femme répond : « Non, merci. Je vis au milieu de mon peuple et je ne manque de rien. »
14 Puis il dit à son serviteur Guéhazi : « Qu’est-ce que nous pouvons faire pour cette femme ? » Le serviteur répond : « Malheureusement, elle n’a pas de fils, et son mari est vieux. »
15 Élisée lui dit : « Appelle-la ! » Guéhazi l’appelle, et elle vient devant la porte.
16 Élisée lui dit : « L’an prochain, à la même époque, tu porteras un fils dans tes bras. » Mais elle dit : « Ce n’est pas possible ! Toi qui es un homme de Dieu, ne me mens pas. »
.
Epître
3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany ?
4 Koa tamin’ny batisa dia niara-nalevina Taminy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.
5 Fa raha nampiraisina aina Taminy tamin’ny fahafatesana toy izany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany;
6 fa fantatsika fa ny maha olona antsika taloha dia niaraka nohomboana Taminy mba tsy hampanan-kery ny tenan’ny ota, koa tsy ho andevozin’ny ota intsony isika.
7 Fa izay efa maty dia nohamarinina ka afaka amin’ny ota.
8 Koa raha miara-maty amin’i Kristy isika dia mino fa hiara-belona Aminy koa;
9 fantatsika mantsy fa rehefa nitsangana tamin’ny maty Kristy dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery Aminy intsony ny fahafatesana.
10 Ny amin’ny nahafatesany dia maty indray mandeha ny amin’ny ota Izy; fa ny amin’ny ahavelomany kosa dia velona ho an’Andriamanitra Izy.
11 Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ataovy ho efa maty ny amin’ny ota ny tenanareo fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy kosa.
3 Vous le savez bien : notre baptême, en nous unissant au Christ Jésus, nous a tous unis à sa mort.
4 Donc, par le baptême, nous avons été plongés avec lui dans la mort. Mais la puissance glorieuse du Père a réveillé le Christ de la mort, pour que, nous aussi, nous vivions d’une vie nouvelle.
5 En effet, nous avons été totalement unis à lui au moment où nous sommes morts avec lui. De même, nous serons unis à lui en nous levant comme lui de la mort.
6 Comprenons bien ceci : ce que nous étions avant a été cloué sur la croix avec le Christ. Alors le péché qui fait partie de nous-mêmes est détruit, et nous ne sommes plus esclaves du péché.
7 Oui, celui qui est mort est libéré du péché.
8 Mais si nous sommes morts avec le Christ, nous croyons que nous vivrons aussi avec lui.
9 Nous le savons bien : depuis que le Christ s’est réveillé de la mort, il ne doit plus mourir, la mort n’a plus de pouvoir sur lui.
10 Le Christ est mort, et sa mort l’a séparé totalement du péché, une fois pour toutes. Maintenant il est vivant, et sa vie est toute entière pour Dieu.
11 De même, vous aussi, vous devez penser ceci : vous êtes morts en étant totalement séparés du péché, mais, en étant unis à Jésus-Christ, vous êtes vivants pour Dieu.
Evangile
Ny fifikirana amin’i Jesosy
37 Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy.
38 Izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy mendrika Ahy.
39 Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy ary izay mahafoy ny ainy noho ny Amiko dia hahavonjy azy.
Izay mandray anareo dia mandray Ahy
40 Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
41 Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian’ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian’ny olona marina.
42 Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kaopy ihany aza hosotroin’ny iray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
Les disciples doivent être prêts à donner leur vie comme Jésus
37 « Celui qui aime son père ou sa mère plus que moi n’est pas digne de moi. Celui qui aime son fils ou sa fille plus que moi n’est pas digne de moi.
38 Celui qui ne prend pas sa croix et qui ne me suit pas, celui-là n’est pas digne de moi.
39 Celui qui veut garder sa vie la perdra. Celui qui perdra sa vie à cause de moi la retrouvera. »
Si quelqu’un reçoit les disciples, c’est Jésus qu’il reçoit
40 « Si quelqu’un vous reçoit, c’est moi qu’il reçoit. Et la personne qui me reçoit, reçoit aussi celui qui m’a envoyé.
41 Si quelqu’un reçoit un prophète parce que c’est un prophète, il aura la récompense qu’on donne à un prophète. Si quelqu’un reçoit une personne fidèle à Dieu parce qu’elle est fidèle, il aura la récompense qu’on donne à une personne fidèle. Je vous le dis, c’est la vérité :
42 si quelqu’un donne à boire un verre d’eau fraîche à l’un de ces petits parce que c’est mon disciple, il aura sûrement sa récompense. »
