Péricope du Dimanche 05 Juillet 2026

Table des matières

Ancien Testament

Zakaria 9 : 9 – 10 (MRV)

Ilay mpanjaka hitondra fiadanana
9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy ! Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao. Marina Izy sady mpandresy, manetry tena sady mitaingina boriky, boriky tanora, zanaky ny borikivavy.
10 Hofoanako tsy hisy kalesy fitondra miady intsony any Efraima, na soavaly any Jerosalema; hotapahiko koa ny tsipìka fiadiana. Hanambara fiadanana amin’ny Jentilisa Izy; ny fanapahany dia ho hatramin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina iray ary hatramin’ny ony Eofrata ka hatramin’ny faran’ny tany.

Le roi attendu établira la paix
9 Danse de toutes tes forces, ville de Sion ! Oui, pousse des cris de joie, Jérusalem ! Regarde ! Ton roi vient vers toi. Il est juste, victorieux et humble. Il est monté sur un âne, sur un ânon, le petit d’une ânesse.
10 À Éfraïm, il supprimera les chars de guerre, et à Jérusalem, il supprimera les chevaux. Il cassera les arcs de combat. Il établira la paix parmi les peuples. Il sera le maître de la mer Morte à la mer Méditerranée, et du fleuve Euphrate à l’autre bout du pays.

.

Epître

Romana 8 : 9 – 13 (MRV)

9 Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy dia tsy Azy izy.
10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota dia fiainana kosa ny an’ny Fanahy noho ny fahamarinana.
11 Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.
12 Koa amin’izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika, tsy amin’ny nofo anefa ka ho velona araka ny nofo.
13 Raha velona araka ny nofo ianareo dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy kosa no amonoanareo ny asan’ny tena dia ho velona ianareo.

Romains 8 : 9 – 13 (PDV)

9 Or, vous, vous ne suivez plus ces désirs, vous suivez l’Esprit de Dieu parce qu’il habite en vous. Si quelqu’un n’a pas l’Esprit du Christ, il n’appartient pas au Christ.
10 Mais le Christ est en vous. Bien sûr, votre corps va mourir à cause du péché. Mais, puisque vous avez été rendus justes, l’Esprit Saint vous donne la vie.
11 Dieu a réveillé Jésus de la mort. Si l’Esprit de Dieu habite en vous, ce Dieu qui a réveillé le Christ de la mort donnera la vie par son Esprit à vos corps qui doivent mourir.
12 C’est pourquoi, frères et sœurs, nous avons une dette. Ce n’est pas envers nos désirs humains que nous avons une dette : nous ne devons pas vivre comme ils le demandent.
13 Si vous vivez en suivant ces désirs, vous mourrez. Au contraire, si, avec l’aide de l’Esprit Saint, vous faites disparaître vos façons de faire égoïstes, vous vivrez.

Evangile

Matio 11 : 25 – 30 (MRV)

Ny Ray, ambaran’ny Zanaka
25 Tamin’izany andro izany koa Jesosy niteny hoe: Midera Anao Aho, Ray ô! Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany nefa nasehonao tamin’ny zaza madinika.
26 Eny, Ray ô! Satria izany no sitraponao.
27 Ny zavatra rehetra dia natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.
28 Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
29 Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.
30 Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.

Jésus fait connaître son Père aux petits
25 Peu de temps après, Jésus dit : « Père, Seigneur du ciel et de la terre, je te dis merci. En effet, ce que tu as caché aux sages et aux savants, tu l’as fait connaître aux petits.
26 Oui, Père, tu l’as bien voulu.
27 « Mon Père m’a tout donné. Personne ne connaît le Fils, sauf le Père. Personne ne connaît le Père, sauf le Fils. Mais le Fils veut montrer le Père à d’autres pour qu’ils le connaissent aussi. »
Venir auprès de Jésus pour trouver le repos
28 « Venez auprès de moi, vous tous qui portez des charges très lourdes et qui êtes fatigués, et moi je vous donnerai le repos.
29 Je ne cherche pas à vous dominer. Prenez donc, vous aussi, la charge que je vous propose, et devenez mes disciples. Ainsi, vous trouverez le repos pour vous-mêmes.
30 Oui, la charge que je mettrai sur vous est facile à porter, ce que je vous donne à porter est léger. »

Retour en haut