
Ancien Testament
10 Fa toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana,
11 dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako, ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.
10 « La pluie et la neige tombent du ciel. Elles n’y retournent pas sans produire un résultat : elles arrosent la terre, elles la rendent fertile et font pousser les graines. Ainsi, elles donnent des graines à semer et de la nourriture à manger.
11 De la même façon, la parole qui sort de ma bouche ne revient pas vers moi sans résultat : elle réalise ce que je veux, elle accomplit la mission que je lui ai confiée. »
.
Epître
18 Eny, heveriko fa ny fahoriana amin’izao fotoana ankehitriny izao dia tsy mendrika oharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika.
19 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ny hampisehoana ireo zanak’Andriamanitra.
20 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony fa noho Izay nampanaiky azy, amin’ny fanantenana.
21 Izao zavatra ary rehetra izao koa dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalovana, ho amin’ny fahafahana be voninahitra izay an’ireo zanak’Andriamanitra.
22 Fa fantatsika fa mandraka ankehitriny, izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka.
23 Tsy izany ihany, fa isika koa; eny, fa na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika koa dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganana anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.
18 Comparons les souffrances d’aujourd’hui avec la gloire que Dieu nous montrera clairement plus tard. À mon avis, elles sont peu de chose.
19 Oui, le monde créé par Dieu attend avec impatience le moment où Dieu montrera la gloire de ses enfants.
20 Ce monde est tombé sous le pouvoir de forces qui n’ont aucune valeur. Ce n’est pas lui qui a voulu cela, mais c’est Dieu qui l’a mis sous ce pouvoir. Pourtant, il y a encore de l’espoir pour ce monde.
21 Lui aussi, il sera libéré des forces qui le détruisent et qui le rendent esclave. Alors il participera à la liberté et à la gloire des enfants de Dieu.
22 Nous le savons, tout le monde créé gémit et souffre encore maintenant, comme une femme qui accouche,
23 mais il n’est pas le seul. Nous aussi, nous gémissons dans notre cœur en attendant d’être vraiment enfants de Dieu et de devenir complètement libres. Pourtant, nous avons déjà reçu l’Esprit Saint, comme première part des dons que Dieu a promis.
Evangile
Fanoharana ny amin’ny mpamafy
1 Ary tamin’izany andro izany dia niala tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo amoron’ny ranomasina.
2 Ary nisy vahoaka betsaka tafangona teo Aminy, dia niditra tao an-tsambokely Izy ka nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa dia teny amoron-dranomasina.
3 Ary nilaza zavatra maro tamin’ny fanoharana taminy Izy ka niteny hoe: Indro, niainga ny mpamafy mba hamafy;
4 ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany.
5 Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany be vato izay tsy ampy nofon-tany, dia nalaky nitsiry ireny satria tsy lalina ny tany.
6 Fa rehefa niposaka ny masoandro dia nalazo izy ireny, ary satria tsy nanam-paka tsara izy dia maty.
7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tsilo; ary naniry ny tsilo ka nangeja azy.
8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, dia nanome vokatra: Ny sasany dia zato, ny sasany dia enimpolo ary ny sasany dia telopolo.
9 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.
Nahoana Jesosy no miteny amin’ny alalan’ny fanoharana
10 Ary nanatona Azy ny mpianany dia nanontany hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao amin’izy ireo?
11 Jesosy namaly azy hoe: Satria ianareo no nomena hahalala ny zavamiafina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ireny kosa dia tsy mba navela.
12 Fa izay manana no homena ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.
13 Noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: Satria mijery izy fa tsy mahita; ary mandre izy fa tsy mihaino na mahazo izay lazaina.
14 Dia tanteraka tamin’izy ireo ny faminanian’Isaia hoe: «Handre mandrakariva ihany ianareo nefa tsy hahazo izay lazaina ary hijery mandrakariva ihany ianareo nefa tsy hahita;
15 Fa efa adala ny fon’izao olona izao; efa lalodalovana ny sofiny, efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony sy handre ny sofiny ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ka hanasitrana azy Aho» (Isa 6.9-10).
16 Sambatra kosa ny masonareo satria mahita ary ny sofinareo satria mandre.
17 Lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo nefa tsy mba nandre.
Fanazavana ny fanoharana ny amin’ny mpamafy
18 Fa ianareo kosa, henoy ny fanoharana ny amin’ny mpamafy:
19 Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’ny lanitra, nefa tsy mahazo izay lazaina, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana.
20 Fa ilay nafafy teny amin’ny tany be vato, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin’ny hafaliana;
21 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa raha tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny dia malaky tafintohina izy.
22 Ilay nafafy teny amin’ny tsilo indray dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena dia mangeja ny teny ka tsy manome vokatra izy.
23 Fa ilay nafafy teny amin’ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahazo izay lazaina; dia izy no manome vokatra: Ny sasany dia zato, ny sasany dia enimpolo ary ny sasany dia telopolo.
L’histoire du semeur
1 Ce jour-là, Jésus sort de la maison, et il va s’asseoir au bord du lac.
2 Des foules nombreuses se rassemblent autour de lui, c’est pourquoi il monte dans une barque et il s’assoit. Toute la foule reste au bord de l’eau.
3 Jésus enseigne beaucoup de choses aux gens en utilisant des comparaisons. Il leur dit : « Le semeur va au champ pour semer.
4 Pendant qu’il sème, une partie des graines tombe au bord du chemin. Les oiseaux viennent et ils mangent tout.
5 Une partie des graines tombe dans les pierres, là où il n’y a pas beaucoup de terre. Elles poussent tout de suite, parce que la terre n’est pas profonde.
6 Mais, quand le soleil est très chaud, il brûle les petites plantes. Et elles sèchent, parce qu’elles n’ont pas de racines.
7 Une autre partie des graines tombe au milieu des plantes épineuses. Ces plantes poussent et les étouffent.
8 Une autre partie des graines tombe dans la bonne terre et produit des épis : les uns donnent 100 grains, d’autres 60, d’autres 30 ! »
9 Et Jésus ajoute : « Celui qui a des oreilles, qu’il écoute ! »
Pourquoi Jésus utilise des comparaisons
10 Les disciples s’approchent de Jésus et lui demandent : « Pourquoi est-ce que tu leur parles avec des comparaisons ? »
11 Jésus leur répond : « Dieu vous donne, à vous, de connaître les vérités cachées du Royaume des cieux, mais il ne donne pas cela aux autres.
12 En effet, celui qui a quelque chose, on lui donnera encore plus et il aura beaucoup plus. Mais celui qui n’a rien, on lui enlèvera même le peu de choses qu’il a.
13 Donc, je leur parle avec des comparaisons parce qu’ils regardent, mais ils ne voient pas. Ils entendent, mais ils n’écoutent pas et ne comprennent pas.
14 Ainsi, il leur arrive ce que le prophète Ésaïe a annoncé : “Dieu dit : Vous entendrez bien, mais vous ne comprendrez pas. Vous regarderez bien, mais vous ne verrez pas.
15 Oui, la tête de ce peuple est devenue dure. Ils ont bouché leurs oreilles, ils ont fermé les yeux. Ils ne voulaient pas voir avec leurs yeux, entendre avec leurs oreilles, comprendre avec leur cœur. Ils ne voulaient pas changer leur vie, alors je n’ai pas pu les guérir !”
16 « Mais vous, vous êtes heureux : vos yeux voient et vos oreilles entendent.
17 Je vous le dis, c’est la vérité : beaucoup de prophètes, beaucoup de gens fidèles à Dieu ont désiré voir ce que vous voyez, mais ils ne l’ont pas vu. Ils ont désiré entendre ce que vous entendez, mais ils ne l’ont pas entendu. »
L’histoire de la Parole
18 « Écoutez donc ce que l’histoire du semeur veut dire.
19 Le bord du chemin où la graine tombe, ce sont les gens qui entendent la parole du Royaume et qui ne comprennent pas. L’esprit du mal arrive et il arrache ce qu’on a semé dans leur cœur.
20 Le sol plein de pierres, ce sont les gens qui entendent la Parole, et qui la reçoivent aussitôt avec joie.
21 Mais la Parole n’a pas de racines en eux, ils changent facilement d’avis. Alors, quand il y a une difficulté, ou quand on les fait souffrir à cause de la Parole, ils abandonnent tout de suite.
22 Le sol couvert de plantes épineuses, ce sont les gens qui entendent la Parole, mais qui s’inquiètent pour les choses de ce monde. Ils cherchent de fausses richesses. À cause de cela, la Parole est étouffée et elle ne produit rien.
23 La bonne terre, ce sont les gens qui entendent la Parole et qui comprennent. Ils donnent des fruits : les uns 100, d’autres 60, d’autres 30. »
