
Ancien Testament
1 E ! Ianareo rehetra izay mangetaheta ! Mankanesa amin’ny rano; ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividiana ka homana; eny, avia, mividiana divay sy ronono, nefa tsy amim-bola na amin-karena !
2 Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina ? Nahoana ianareo no misasatra amin’izay tsy mahavoky ? Henoy tsara Aho, hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ianareo.
3 Atongilano ny sofinareo ka mankanesa atỳ amiko; mihainoa dia ho velona ianareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’i Davida.
1 « Vous tous qui avez soif, voici de l’eau, venez ! Même si vous n’avez pas d’argent, venez ! Achetez à manger, c’est gratuit. Venez, achetez du vin et du lait sans argent.
2 Pourquoi dépenser de l’argent pour quelque chose qui ne nourrit pas ? Pourquoi vous fatiguer pour quelque chose qui ne rassasie pas ? Écoutez-moi bien, alors vous aurez de bonnes choses à manger, vous goûterez des choses délicieuses.
3 Tendez l’oreille et venez vers moi. Écoutez, et vous vivrez. » Le Seigneur dit : « Je ferai avec vous une alliance qui durera toujours. Je vous assure pour toujours les bienfaits que j’ai promis à David.
.
Epître
35 Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy ? Fahoriana va, sa tebiteby, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra ?
37 Kanefa amin’izany rehetra izany dia mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
38 Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,
39 na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
35 Qui peut nous séparer de l’amour du Christ ? Est-ce que c’est le malheur ? ou l’inquiétude ? la souffrance venant des autres ? ou bien la faim, la pauvreté ? les dangers ou la mort ?
37 Mais dans tout ce qui nous arrive, nous sommes les grands vainqueurs par celui qui nous a aimés.
38-39 Oui, j’en suis sûr, rien ne pourra nous séparer de l’amour que Dieu nous a montré dans le Christ Jésus, notre Seigneur. Ni la mort, ni la vie, ni les anges, ni les esprits, ni le présent, ni l’avenir, ni tous ceux qui ont un pouvoir, ni les forces d’en haut, ni les forces d’en bas, ni toutes les choses créées, rien ne pourra nous séparer de l’amour de Dieu !
Evangile
Ny nampihinanan’i Jesosy ny dimy arivo lahy
13 Ary nony nandre izany Jesosy dia niondrana an-tsambokely niala teo, handeha hitokana any an-tany efitra; nefa raha nandre izany ny vahoaka dia niainga avy teny amin’ny tanànany avy ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy.
14 Nony nidina avy tao an-tsambokely Jesosy dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ireo Izy ka nanasitrana ireo marariny.
15 Nony hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianatra ka niteny Taminy hoe: Atỳ an-tany efitra isika izao ary efa hariva ity ny andro; ampodio ny vahoaka mba hankanesany eny amin’ny vohitra hividy hanina.
16 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha ireo; fa omeonareo hanina.
17 Fa hoy ny mpianany Taminy: Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atỳ aminay.
18 Ary hoy Izy: Ento etỳ amiko izany.
19 Dia nasainy nipetraka teny ambonin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo dia natolony ny mpianatra ary ny mpianatra kosa dia nanolotra ho an’ny vahoaka.
20 Dia nihinana avokoa izy rehetra ka voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany dia nahafeno harona roa amby folo.
21 Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
Jésus nourrit une grande foule
13 Quand Jésus apprend cela, il part, seul, dans une barque pour aller dans un endroit isolé, loin des gens. Mais les foules l’apprennent. Elles sortent des villes et elles suivent Jésus en marchant au bord de l’eau.
14 Quand Jésus descend de la barque, il voit une grande foule. Son cœur est plein de pitié pour eux, et il guérit leurs malades.
15 Le soir arrive. Les disciples s’approchent de Jésus et ils disent : « Il est déjà tard et cet endroit est isolé. Renvoie les gens dans les villages. Là, ils pourront acheter quelque chose à manger. »
16 Jésus leur répond : « Ils n’ont pas besoin d’y aller. Donnez-leur vous-mêmes à manger. »
17 Ils lui disent : « Nous avons ici seulement cinq pains et deux poissons. »
18 Jésus leur dit : « Apportez-les-moi. »
19 Ensuite, il commande aux foules de s’asseoir sur l’herbe. Jésus prend les cinq pains et les deux poissons. Il lève les yeux vers le ciel et dit la prière de bénédiction. Il partage les pains et les donne aux disciples, puis les disciples les donnent aux foules.
20 Tous mangent autant qu’ils veulent. On emporte les morceaux qui restent : cela remplit douze paniers !
21 Il y a environ 5 000 hommes qui ont mangé, sans compter les femmes et les enfants.
