
Ancien Testament
9 Rehefa tonga tany izy dia niditra tao anatin’ny zohy iray ka nandany ny alina tao. Ary indro, tonga taminy ny tenin’NY TOMPO hoe : Manao inona eto ianao, ry Elia ?
10 Dia hoy izy: Saro-piaro loatra ny foko noho ny fitiavako NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; fa ny Zanak’Israely dia nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao dia noravany, ny mpaminaninao dia novonoiny tamin’ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy !
11 Hoy NY TOMPO: Mivoaha avy ato ka mijoroa eo ambonin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’NY TOMPO. Ary indro, nandalo NY TOMPO ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan’NY TOMPO; nefa NY TOMPO tsy tao amin’ny rivotra. Nanarakaraka ny rivotra dia nisy horohoron-tany; nefa NY TOMPO tsy tao amin’ny horohoron-tany.
12 Nanarakaraka ny horohoron-tany dia nisy afo; nefa NY TOMPO tsy tao amin’ny afo. Ary nanarakaraka ny afo dia nisy feo toy ny rivotra nitsoka malefaka.
13 Rehefa nahare izany i Elia dia nosaronany ny akanjobeny ivelany ny tavany dia niala teo izy ka nijoro teo am-bavan’ny zohy. Ary indro, nisy feo tonga taminy hoe: Manao inona eto ianao ry Elia ?
9 Arrivé au mont Horeb, Élie entre dans une grotte et il passe la nuit à cet endroit. Le Seigneur lui adresse sa parole : « Pourquoi es-tu ici, Élie ? »
10 Il répond : « Seigneur, Dieu de l’univers, j’ai pour toi un amour brûlant. Mais les Israélites ont abandonné ton alliance, ils ont détruit tes autels, ils ont tué tes prophètes. Moi seul, je suis resté, et ils veulent prendre ma vie. »
11 Le Seigneur lui dit : « Sors d’ici ! Va dans la montagne attendre ma présence. Moi, le Seigneur, je vais passer. » Tout d’abord, avant l’arrivée du Seigneur, un vent violent se met à souffler. Il fend la montagne et casse les rochers. Mais le Seigneur n’est pas dans le vent. Après le vent, il y a un tremblement de terre. Mais le Seigneur n’est pas dans le tremblement de terre.
12 Après le tremblement de terre, il y a un feu. Mais le Seigneur n’est pas dans le feu. Après le feu, il y a le bruit d’un souffle léger.
13 Quand Élie l’entend, il se cache le visage avec son vêtement. Il sort et il se tient à l’entrée de la grotte. Alors il entend une voix. Elle dit : « Qu’est-ce que tu fais ici, Élie ? »
.
Epître
Andriamanitra sy ny vahoaka voafidiny
1 Milaza ny marina ao amin’i Kristy aho fa tsy mandainga, sady vavolombelona miaraka amiko ao amin’ny Fanahy Masina koa ny fieritreretako:
2 Mafy ny alaheloko ka tsy mety mitsahatra ny fahorian’ny foko.
3 Fa efa saika niriko ho voaozona ho afaka amin’i Kristy aza ny tenako noho ny rahalahiko, havako araka ny nofo,
4 izay Israelita sady manana ny fananganana anaka, ny voninahitra, ireo fanekena, ny fanomezana ny lalàna, ny fombam-pivavahana ary ireo teny fikasana;
5 azy koa ny razana izay niavian’i Kristy araka ny nofo, Kristy izay ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay ! Amena !
Dieu a choisi le peuple d’Israël
1 Je suis uni au Christ, donc, je vais dire la vérité, je ne vais pas mentir. Ma conscience guidée par l’Esprit Saint me dit aussi que c’est vrai.
2 Mon cœur est plein d’une grande tristesse et je souffre sans cesse.
3 Oui, je souhaiterais moi-même être rejeté par Dieu et séparé du Christ pour mes frères et sœurs juifs. Ils sont du même peuple que moi,
4 ce sont des Israélites. Dieu a fait d’eux ses enfants, il leur a montré sa gloire, il a fait alliance avec eux, il leur a donné la loi, le culte, les promesses
5 et les ancêtres célèbres. C’est dans leur peuple que le Christ est né comme être humain, lui qui est Dieu au-dessus de tout. Louange à lui pour toujours ! Amen !
Evangile
Ny nitsangantsanganan’i Jesosy teny ambonin’ny ranomasina
22 Teo no eo ihany Jesosy dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely mba hialoha Azy eny ampita mandra-pandravany ny vahoaka.
23 Rehefa avy nandrava ny vahoaka Izy dia niakatra tao an-tendrombohitra mba hitokana hivavaka; nony hariva ny andro dia nitoetra irery teo Izy.
24 Efa lasa stadio maromaro lavitry ny morona ny sambokely tamin’izay ka natopatopan’ny alondrano satria notoherin’ny rivotra izy.
25 Ary tamin’ny fotoam-piambenana fahefatra amin’ny alina dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina hankeny amin’ny mpianany Jesosy.
26 Nony nahita Azy nandeha teo ambonin’ny ranomasina ny mpianatra dia raiki-tahotra ka niteny hoe : Matoatoa io; dia niantsoantso izy ireo noho ny tahotra.
27 Nefa Jesosy niteny tamin’izy ireo niaraka tamin’izay hoe: Matokia fa Izaho ihany, aza matahotra.
28 Ary hoy i Petera Taminy : Tompoko, raha Ianao ary io dia asaivo manatona Anao eny ambonin’ny rano aho.
29 Ary hoy Izy: Manatòna. Dia nidina niala tamin’ny sambokely i Petera ka nandeha teo ambonin’ny rano hanatona an’i Jesosy.
30 Rehefa hitany fa nahery ny rivotra dia natahotra izy, ary raha nanomboka nilentika izy dia niantsoantso hoe : Tompo ô, vonjeo aho !
31 Dia nanatsotra ny tanany niaraka tamin’izay Jesosy ka nandray azy sady niteny taminy hoe : Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao ?
32 Ary rehefa niakatra tao an-tsambokely izy ireo dia nitsahatra ny rivotra.
33 Ary izay tao an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka niteny hoe : Marina fa Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao.
Jésus marche sur l’eau
22 Tout de suite après, Jésus oblige ses disciples à monter dans la barque. Il veut qu’ils passent avant lui de l’autre côté du lac. Pendant ce temps, il veut faire partir les foules.
23 Jésus les renvoie donc, puis il monte dans la montagne pour prier. Quand la nuit arrive, Jésus est là, seul.
24 La barque est déjà assez loin de la terre. Le vent souffle contre la barque, et les vagues viennent la frapper.
25 Vers la fin de la nuit, Jésus vient vers ses disciples en marchant sur l’eau.
26 Quand les disciples le voient marcher sur l’eau, ils sont effrayés, ils disent : « C’est un fantôme ! » Et ils se mettent à crier, parce qu’ils ont peur.
27 Mais Jésus leur parle tout de suite en disant : « Rassurez-vous, c’est moi ! N’ayez pas peur ! »
28 Alors Pierre lui dit : « Seigneur, si c’est bien toi, donne-moi l’ordre de venir vers toi sur l’eau. »
29 Jésus lui dit : « Viens ! » Pierre sort de la barque et il se met à marcher sur l’eau pour aller vers Jésus.
30 Mais, en voyant qu’il y a du vent, il a peur, il commence à s’enfoncer dans l’eau. Alors il crie : « Seigneur, sauve-moi ! »
31 Aussitôt, Jésus tend la main à Pierre, il le saisit et lui dit : « Tu n’as pas beaucoup de foi ! Tu n’as pas eu confiance. Pourquoi ? »
32 Ils montent tous les deux dans la barque, et le vent s’arrête de souffler.
33 Alors les disciples qui sont dans la barque se mettent à genoux devant Jésus en lui disant : « Vraiment, tu es Fils de Dieu ! »
