Avent I – Péricope du Dimanche 29 Novembre 2026

Table des matières

Ancien Testament

Isaia 63.16 – 64.7 (MRV))

63.16 Kanefa Ianao no Rainay, fa tsy mahalala anay i Abrahama ary tsy mahafantatra anay Israely, TOMPO ô, Ianao no Rainay, Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay.
63.17 TOMPO ô, nahoana no nampiala anay hanalavitra ny lalanao Ianao ? Sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao ? Miverena noho ny amin’ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao !
63.18 Vetivety foana no nananan’ny olonao masina ny tany ; efa nanitsaka ny toeranao masina ny fahavalonay.
63.19 Efa tonga tahaka izay tsy nanananao fahefana hatrizay hatrizay izahay, sady tsy mba nantsoina tamin’ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, dia hiempo eo anoloanao ny tendrombohitra;
64.1 dia tahaka ny fandevon’ny afo ny tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano ; mba ho fampahafantarana ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny Jentilisa.
64.2 Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Ianao dia nidina ka niempo teo anoloanao ny tendrombohitra.
64.3 Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola nisy nandre, na naheno, na nahita maso, izay Andriamanitra miasa ho an’ny miandry Azy, afa-tsy Ianao.
64.4 Mitsena izay mifaly hanao ny marina Ianao dia izay mahatsiaro Anao amin’ny lalanao ; Indro, tezitra Ianao, ary hita fa meloka izahay ; fa tamin’ireo lalana fahiny no namonjena anay.
64.5 Fa samy tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-dra ny fahamarinanay rehetra; malazo tahaka ny ravina izahay rehetra ary mipaoka anay tahaka ny rivotra ny helokay.
64.6 Tsy misy olona miantso ny anaranao na mifoha hifikitra Aminao. Fa efa nanafina ny tavanao taminay Ianao ka nandevona anay noho ny helokay.
64.7 Nefa ankehitriny TOMPO ô, Rainay Ianao ; zahay dia tanimanga, ary Ianao no mpanefy anay. Asan’ny tananao izahay rehetra.

63.16 C’est toi, cependant, qui es notre père. En effet, Abraham ne nous connaît pas et Israël ignore qui nous sommes ; c’est toi, Eternel, qui es notre père, c’est toi qui, depuis toujours, t’appelles notre libérateur.
63.17 »Eternel, pourquoi nous fais-tu errer loin de tes voies, pourquoi endurcis-tu notre cœur pour qu’il ne te craigne pas ? Reviens à cause de tes serviteurs, à cause des tribus qui t’appartiennent !
63.18 Ton peuple saint n’a été que peu de temps en possession du pays, et nos adversaires ont piétiné ton sanctuaire.
63.19 Nous sommes depuis longtemps comme un peuple sur lequel tu n’exerces pas ta souveraineté et qui n’est pas appelé de ton nom. Si seulement tu déchirais le ciel et descendais, les montagnes s’effondreraient devant toi !
64.1 »Tu serais pareil au feu qui allume des brindilles ou fait bouillir l’eau : tes adversaires connaîtraient ton nom et les nations trembleraient devant toi.
64.2 »Lorsque tu as fait des prodiges que nous n’attendions pas, tu es descendu et les montagnes se sont effondrées devant toi.
64.3 Jamais on n’a appris ni entendu dire pareille chose, jamais aucun œil n’a vu un autre dieu que toi agir de cette manière pour ceux qui comptent sur lui.
64.4 Tu vas à la rencontre de celui qui pratique avec joie la justice, de ceux qui se souviennent de toi en marchant dans tes voies. Cependant, tu as été irrité parce que nous avons péché. Pourtant, c’est en les suivant toujours que nous pouvons être sauvés.
64.5 »Nous sommes tous devenus comme des objets impurs et toute notre justice est pareille à un habit taché de sang, nous sommes tous aussi fanés qu’une feuille et nos fautes nous emportent comme le vent.
64.6 Il n’y a personne qui fasse appel à ton nom, qui se réveille pour s’attacher à toi. C’est que tu t’es caché à nous et tu nous laisses nous liquéfier par l’intermédiaire de nos propres fautes.

.

Epître

1 Korintiana 1 : 3 – 9 (MRV)

3 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Ny fahasoavana raisina ao amin’i Kristy
4 Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’i Kristy Jesosy,
5 dia ny nampanankarena anareo ao Aminy amin’ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,
6 araka ny niorenan’ny filazana an’i Kristy teo aminareo,
7 koa tsy misy tsy anananareo ny fanomezam-pahasoavana rehetra, eo am-piandrasana ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika
8 izay hampiorina anareo koa hatramin’ny farany ka tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesosy Kristy Tompontsika.
9 Mahatoky Andriamanitra izay nahatonga anareo ho voaantso, hanananareo firaisana amin’ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.

1 Corinthiens 1 : 3 – 9 (S21)

3 que la grâce et la paix vous soient données de la part de Dieu notre Père et du Seigneur Jésus-Christ !
4 Je dis constamment à mon Dieu toute ma reconnaissance à votre sujet pour la grâce de Dieu qui vous a été accordée en Jésus-Christ.
5 En effet, en lui vous avez été comblés de toutes les richesses, en particulier en ce qui concerne la parole et la connaissance,
6 dans la mesure où le témoignage de Christ a été solidement établi parmi vous.
7 Ainsi, il ne vous manque aucun don, à vous qui attendez le moment où notre Seigneur Jésus-Christ apparaîtra.
8C’est lui aussi qui vous affermira jusqu’à la fin pour que vous soyez irréprochables le jour de notre Seigneur Jésus-Christ.
9 Dieu est fidèle, lui qui vous a appelés à vivre en communion avec son Fils, Jésus-Christ notre Seigneur.

Evangile

Matio 13 : 33 – 37 (MRV)

Fanoharana ny amin’ny masirasira
33 Mbola nilaza fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain’ny vehivavy iray ka naharony tamin’ny koba intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny masirasira azy rehetra.
Fampianarana amin’ny alalan’ny fanoharana
34 Fanoharana no nilazan’i Jesosy izany zavatra rehetra izany tamin’ny vahoaka ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin’ny fanoharana
35mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe : «Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho ; hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho» (Sal 78.2).
Manazava ny fanoharana ny amin’ny tsimparifary Jesosy
36 Rehefa avy nampody ny vahoaka Jesosy dia niditra tao an-trano ary nanatona Azy ny mpianany dia niteny hoe : mba lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny tsimparifary tany an-tanimbary.
37 Ary Izy namaly hoe : Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’Olona ;

33 Il leur dit cette autre parabole: «Le royaume des cieux ressemble à du levain qu’une femme a pris et mis dans trois mesures de farine pour faire lever toute la pâte.»
34 Jésus dit toutes ces choses en paraboles à la foule, et il ne lui parlait pas sans parabole
35 afin que s’accomplisse ce que le prophète avait annoncé: J’ouvrirai ma bouche pour parler en paraboles, je proclamerai des choses cachées depuis la création [du monde].
Explication de la parabole de la mauvaise herbe
36 Alors Jésus renvoya la foule et entra dans la maison. Ses disciples s’approchèrent de lui en disant : «Explique-nous la parabole de la mauvaise herbe dans le champ.»
37 Il [leur] répondit: «Celui qui sème la bonne semence, c’est le Fils de l’homme;

Retour en haut