Péricope du Dimanche 01 Novembre 2026

Table des matières

Ancien Testament

Malakia 2 : 1 – 10 (MRV)

Didy ho an’ny mpisorona
1 Ankehitriny ry mpisorona, ho anareo izao didy izao :
2 Raha tsy mihaino Ahy ianareo, raha tsy mandatsaka am-po ka tsy manome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia halefako hamely anareo ny ozona ka hozoniko ny tsodrano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
3 Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin’ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo.
4 Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho mba haharetan’ilay fanekeko tamin’i Levy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
5 Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana, ary nomeko azy ho fahatahorana izany ka natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy.
6 Ny lalànan’ny fahamarinana no teo am-bavany ary tsy mba nisy tsy fahamarinana teo amin’ny molony; tamin’ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no niverina niala tamin’ny heloka.
7 Fa ny molotry ny mpisorona dia tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna dia hotadiavina eo am-bavany, satria izy dia irak’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
8 Fa efa nivily lalana kosa ianareo sady nanafintohina olona maro ny amin’ny lalàna ary namadika ilay fanekena tamin’i Levy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
9 Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan’ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan’olona eo amin’ny fampiharanareo ny lalàna.
Fivadihana amin’ny fanekena
10 Tsy mpiombona ray va isika rehetra ? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika ? Koa nahoana no samy mivadika amin’ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny faneken’ny razantsika ?

1 Maintenant, prêtres, ce commandement est pour vous !
2 Si vous n’écoutez pas, si vous ne prenez pas à cœur de donner gloire à mon nom, dit l’Eternel, le maître de l’univers, j’enverrai parmi vous la malédiction et je maudirai vos bénédictions. Oui, je les maudirai, parce que vous ne prenez pas cela à cœur.
3 Me voici, je menace votre descendance et je vous jetterai des excréments au visage, les excréments des victimes que vous sacrifiez, et on vous emportera avec eux.
4 Vous saurez alors que je vous ai adressé ce commandement afin que mon alliance avec Lévi subsiste, dit l’Eternel, le maître de l’univers.
5 Mon alliance avec lui était une alliance de vie et de paix; je les lui ai données pour qu’il me craigne, et il a eu pour moi de la crainte, il a tremblé devant mon nom.
6 La loi de vérité était dans sa bouche, on ne trouvait pas d’injustice sur ses lèvres. Il a marché avec moi dans la paix et dans la droiture, et il a détourné beaucoup d’hommes du mal.
7 En effet, les lèvres du prêtre sont les gardiennes de la connaissance, c’est à sa bouche qu’on demande la loi, parce qu’il est un messager de l’Eternel, le maître de l’univers.
8 Mais vous, vous vous êtes écartés de cette voie, vous en avez fait trébucher beaucoup par le moyen de la loi, vous avez violé l’alliance de Lévi, dit l’Eternel, le maître de l’univers.
9 Et moi, je vous livrerai au mépris et à l’humiliation aux yeux de tout le peuple parce que vous n’avez pas gardé mes voies et que vous faites preuve de partialité dans l’application de la loi.
Mariages mixtes et divorces
10 N’avons-nous pas tous un seul père ? N’est-ce pas un seul Dieu qui nous a créés ? Pourquoi donc sommes-nous infidèles l’un envers l’autre en violant l’alliance de nos ancêtres ?

.

Epître

1 Tesaloniana 2 : 8 – 13 (MRV)

8 dia toy izany no nampahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, dia ny hanome ho anareo, tsy ny Filazantsaran’Andriamanitra ihany fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo.
9 Tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman’alina izahay mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory aza taminareo, raha nitory ny Filazantsaran’Andriamanitra taminareo.
10 Samy vavolombelona ianareo sy Andriamanitra fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondrantenanay teo imasonareo izay mino.
11 Fantatrareo koa fa tahaka ny ray amin’ny zanaka no nampirisihanay sy nampiononanay anareo tsirairay avy sy nananaranay mafy anareo
12 mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra izay miantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.
13 Noho izany, izahay koa, dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra satria rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay ianareo dia tsy noraisinareo ho tenin’olona izany fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra izay miasa ao anatinareo izay mino koa.

1 Thessaloniciens 2 : 8 – 13 (S21)

8 nous aurions voulu, dans notre vive affection pour vous, non seulement vous donner l’Evangile de Dieu, mais encore notre propre vie, tant vous nous étiez devenus chers.
9 Vous vous rappelez, frères et sœurs, notre peine et notre fatigue: c’est en travaillant nuit et jour, pour n’être à la charge d’aucun d’entre vous, que nous vous avons prêché l’Evangile de Dieu.
10 Vous en êtes témoins, et Dieu l’est aussi: nous nous sommes comportés envers vous qui croyez d’une manière sainte, juste et irréprochable.
11 Vous savez aussi que nous avons été pour chacun de vous ce qu’un père est pour ses enfants:
12 nous vous avons encouragés, réconfortés et suppliés de marcher d’une manière digne de Dieu, qui vous appelle à son royaume et à sa gloire.
13 C’est pourquoi nous disons sans cesse à Dieu toute notre reconnaissance de ce que, en recevant la parole de Dieu que nous vous avons fait entendre, vous l’avez accueillie non comme la parole des hommes, mais comme ce qu’elle est vraiment: la parole de Dieu agissant en vous qui croyez.

Evangile

Matio 23 : 1 – 12 (MRV)

Ny fampitandreman’i Jesosy ny amin’ny mpanoradalàna sy ny Fariseo
1 Ary tamin’izany Jesosy dia niteny tamin’ny vahoaka sy tamin’ny mpianany hoe:
2 Eo amin’ny fitoeran’i Mosesy no ipetrahan’ny mpanoradalàna sy ny Fariseo ;
3 koa amin’izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy nefa tsy manatanteraka.
4 Eny, mamehy entana izay sady mavesatra no sarotra entina izy ka mametraka izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany dia tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsantanany iray aza.
5 Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona; fa ataony lehibe ny filakiterany ary ataony vaventy ny morontongotr’akanjony.
6 Ary tia ny fitoerana eny anoloana any amin’ny fanasana, sy ny fipetrahana eny anoloana eo amin’ny sinagoga izy
7 ary koa ny hoarahabain’ny olona eny an-tsena sy ny hataon’ny olona hoe : Raby ô !
8 Fa ianareo kosa dia aza mba mety hatao hoe : Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.
9 Aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo koa; fa iray ihany no Ray dia izay any an-danitra.
10 Ary aza mba mety antsoina hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo dia Kristy.
11 Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.
12 Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.

1 Alors Jésus s’adressa à la foule et à ses disciples
2 en disant: «Les spécialistes de la loi et les pharisiens se sont faits les interprètes de Moïse.
3 Tout ce qu’ils vous disent [de respecter], faites-le donc et respectez-le, mais n’agissez pas comme eux, car ils disent et ne font pas.
4 Ils lient des fardeaux pesants et les mettent sur les épaules des hommes, mais ils ne veulent pas les remuer du doigt.
5 Toutes leurs actions, ils les font pour se faire remarquer des hommes. Ainsi, ils portent de grands phylactères et allongent les franges [de leurs vêtements].
6 Ils aiment occuper la meilleure place dans les festins et les sièges d’honneur dans les synagogues.
7 Ils aiment être salués sur les places publiques et être appelés par les hommes ‘Maître, [Maître]’.
8 Mais vous, ne vous faites pas appeler maîtres, car un seul est votre maître, [c’est le Christ,] et vous êtes tous frères.
9 N’appelez personne sur la terre votre père, car un seul est votre Père, c’est celui qui est au ciel.
10 Ne vous faites pas appeler chefs, car un seul est votre chef, c’est le Christ.
11 Le plus grand parmi vous sera votre serviteur.
12 Celui qui s’élèvera sera abaissé et celui qui s’abaissera sera élevé.

Retour en haut