Péricope du Dimanche 01 Septembre

Table des matières

Ancien Testament

Deoteronomia 4 : 1 – 8 (MRV)

1 Ary ankehitriny, ry Israely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo anareo.
2 Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
3 Efa nahita izay nataon’NY TOMPO noho ny tamin’i Baala-Peora ny masonareo; fa ny olona rehetra izay nanaraka an’i Baala-Peora dia naringan’NY TOMPO Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
4 Fa ianareo izay nifikitra tamin’NY TOMPO Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa amin’izao anio izao.
5 Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin’ny tany izay hidiranareo holovana.
6 Koa tandremo sy tanteraho izany fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ny firenen-tsamihafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ireny ka hiteny hoe: Olona hendry sy mahira-tsaina tokoa io firenena lehibe io.
7 Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka NY TOMPO Andriamanitra amin’izay rehetra iantsoantsika Azy?
8 Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra ataoko eo anatrehanareo anio izao?

1 Maintenant, Israël, écoute les prescriptions et les règles que je vous enseigne. Mettez-les en pratique afin de vivre et afin d’entrer en possession du pays que vous donne l’Eternel, le Dieu de vos ancêtres.
2 Vous n’ajouterez ni n’enlèverez rien à ce que je vous prescris; vous garderez les commandements de l’Eternel, votre Dieu, tels que je vous les prescris.
3 Vos yeux ont vu ce que l’Eternel a fait au dieu Baal-Peor: l’Eternel, ton Dieu, a détruit du milieu de toi tous ceux qui avaient suivi Baal-Peor,
4 tandis que vous, qui vous êtes attachés à l’Eternel, votre Dieu, vous êtes aujourd’hui tous vivants.
5 Voici, je vous ai enseigné des prescriptions et des règles, comme l’Eternel, mon Dieu, me l’a ordonné, afin que vous les mettiez en pratique dans le pays dont vous allez prendre possession.
6 Vous les respecterez et vous les mettrez en pratique, car ce sera là votre sagesse et votre intelligence aux yeux des autres peuples. Lorsqu’ils entendront parler de toutes ces prescriptions, ils diront: ‘Cette grande nation est un peuple vraiment sage et intelligent!’
7 Quelle est, en effet, la grande nation qui ait des dieux aussi proches que l’Eternel, notre Dieu, l’est de nous toutes les fois que nous faisons appel à lui?
8 Et quelle est la grande nation qui ait des prescriptions et des règles aussi justes que toute cette loi que je vous présente aujourd’hui?

.

Epître

Jakoba 1 : 17 – 27 (MRV)

17 Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony, midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana izay tsy misy fiovaovana na aloky ny fivadihana.
18 Fa tamin’ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ny tenin’ny fahamarinana mba ho isika no santatry ny zavatra noforoniny. Tsy ampy ny mihaino
19 Fantaro izao, ry rahalahy malalako: Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
20 fa ny fahatezeran’ny olona dia tsy ahefana ny fahamarinana araka an’Andriamanitra.
21 Koa ario ny fahalotoana rehetra sy ny faharatsiana tafahoatra, ary ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena ao aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
22 Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo fa aza mihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
23 Fa raha misy mpihaino ny teny nefa tsy mankatò azy dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra;
24 fa mijery ny tenany izy dia lasa ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny.
25 Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, ny lalànan’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino fa mankatò izany amin’ny asany, dia ho sambatra amin’ny fampiharana azy io olona io.
26 Raha misy mihevi-tena ho mpivavaka, nefa tsy mahafehy ny lelany fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’izany olona izany.
27 Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: Ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany ary ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.

17 tout bienfait et tout don parfait viennent d’en haut; ils descendent du Père des lumières, en qui il n’y a ni changement ni l’ombre d’une variation.
18 Conformément à sa volonté, il nous a donné la vie par la parole de vérité afin que nous soyons en quelque sorte les premières de ses créatures.
19 Ainsi donc, mes frères et sœurs bien-aimés, que chacun soit prompt à écouter, lent à parler, lent à se mettre en colère,
20 car la colère de l’homme n’accomplit pas la justice de Dieu.
21 C’est pourquoi, rejetez toute souillure et tout débordement dû à la méchanceté, et accueillez avec douceur la parole qui a été plantée en vous et qui peut sauver votre âme.
22 Mettez en pratique la parole et ne vous contentez pas de l’écouter en vous trompant vous-mêmes par de faux raisonnements.
23 En effet, si quelqu’un écoute la parole et ne la met pas en pratique, il ressemble à un homme qui regarde son visage dans un miroir
24 et qui, après s’être observé, s’en va et oublie aussitôt comment il était.
25 Mais celui qui a plongé les regards dans la loi parfaite, la loi de la liberté, et qui a persévéré, celui qui n’a pas oublié ce qu’il a entendu mais qui se met au travail, celui-là sera heureux dans son activité.
26 Si quelqu’un [parmi vous] croit être religieux alors qu’il ne tient pas sa langue en bride mais trompe son propre cœur, sa religion est sans valeur.
27 La religion pure et sans tache devant Dieu notre Père consiste à s’occuper des orphelins et des veuves dans leur détresse et à ne pas se laisser souiller par le monde.

Evangile

Marka 7 : 1 – 23 (MRV)

1 Ary nivory teo Aminy ny Fariseo sy ny mpanoradalàna sasany izay avy tany Jerosalema
2 ka nahita ny mpianany sasany misakafo tamin’ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa.
3 Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra dia tsy mba misakafo raha tsy efa manasa tsara ny tanany, satria mitana ny fampianarana napetraky ny razana izy.
4 Ary raha avy any an-tsena izy dia tsy misakafo raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro hafa koa izay noraisiny ka nofikiriny, dia ny manasa kaopy sy siny, mbamin’izay lovia varahina.
5 Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanoradalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana napetraky ny razana fa misakafo amin’ny tanana tsy voasasa?
6 Fa hoy Jesosy taminy: Marina ny naminanian’Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe:
«Ity firenena ity dia manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa dia lavitra Ahy.
7 Koa foana ny ivavahan’ireo Amiko raha mampianatra didin’olombelona ho fampianarana izy» (Isa. 29.13).
8 Mahafoy ny didin’Andriamanitra ianareo ka mifikitra amin’ny fomba napetraky ny olona.
9 Ary hoy koa Izy taminy: Hay, tsara ny nahafoizanareo ny didin’Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana napetraka ho anareo!
10 Fa hoy Mosesy: «Manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12), ary koa: «Izay manozona ny rainy sy ny reniny dia hovonoina ho faty tokoa» (Eks 21.17).
11 Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa nataoko fanatitra ho an’Andriamanitra izay fanampiana tokony ho anao avy amiko,
12 dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ny rainy sy ny reniny intsony izy
13 koa foananareo ny tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana napetraka ho anareo, izay nasainareo hotandremana. Ary zavatra maro mifanahatahaka amin’izany koa no ataonareo.
14 Ary niantso ny vahoaka hankeo Aminy indray Izy ka niteny taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra ka fantaro.
15 Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy. Fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.
16 Raha misy manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino.
17 Ary rehefa niala teo amin’ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano iray dia nanontany Azy ny mpianany ny amin’izany fanoharana izany.
18 Ary hoy Izy taminy: Hay! Ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan’ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy?
19 Satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany ka mivoaka any amin’ny toeram-pivoahana. Izany no nolazainy mba hampadio ny sakafo rehetra.
20 Ary hoy koa Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany, no mahaloto azy.
21 Fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan’olona,
22 ny fakam-badin’olona, ny fitiavan-karena, ny faharatsiam-panahy, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny fijery ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana.
23 Ireny zavatra ratsy rehetra ireny no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.

1 Les pharisiens et quelques spécialistes de la loi, venus de Jérusalem, se rassemblèrent auprès de Jésus.
2 Ils virent quelques-uns de ses disciples prendre leur repas avec des mains impures, c’est-à-dire non lavées.
3 – Or, les pharisiens et tous les Juifs ne mangent pas sans s’être lavé soigneusement les mains, conformément à la tradition des anciens.
4 Et quand ils reviennent de la place publique, ils ne mangent pas avant de s’être purifiés. Ils tiennent encore à beaucoup d’autres traditions comme le lavage des coupes, des cruches et des vases de bronze. –
5 Alors les pharisiens et les spécialistes de la loi lui demandèrent: «Pourquoi tes disciples ne suivent-ils pas la tradition des anciens mais prennent-ils au contraire leur repas avec des mains non lavées?»
6 Jésus leur répondit: «Hypocrites, Esaïe a bien prophétisé sur vous, comme il est écrit: Ce peuple m’honore des lèvres, mais son cœur est éloigné de moi.
7 C’est faussement qu’ils m’honorent en donnant des enseignements qui sont des commandements humains.
8 Vous abandonnez le commandement de Dieu et vous gardez la tradition des hommes [car vous lavez les pots et les coupes et vous faites beaucoup d’autres choses semblables].»
9 Il leur dit encore: «Vous rejetez très bien le commandement de Dieu pour garder votre tradition.
10 En effet, Moïse a dit: Honore ton père et ta mère et: Celui qui maudira son père ou sa mère sera puni de mort.
11 Mais d’après vous, si un homme dit à son père ou à sa mère: ‘Ce dont j’aurais pu t’assister est corban, c’est-à-dire une offrande à Dieu’,
12 alors il peut ne plus rien faire pour son père ou pour sa mère.
13 Vous annulez ainsi la parole de Dieu par la tradition que vous avez établie et vous faites beaucoup d’autres choses semblables.»
14 Ensuite, Jésus appela toute la foule et lui dit: «Ecoutez-moi tous et comprenez.
15 Il n’y a rien d’extérieur à l’homme qui puisse le rendre impur en pénétrant en lui, mais c’est ce qui sort de l’homme qui le rend impur.
16 [Si quelqu’un a des oreilles pour entendre, qu’il entende.]»
17 Lorsqu’il fut entré dans la maison, loin de la foule, ses disciples l’interrogèrent sur cette parabole.
18 Il leur dit: «Vous aussi, vous êtes donc sans intelligence? Ne comprenez-vous pas que rien de ce qui, de l’extérieur, entre dans l’homme ne peut le rendre impur?
19 En effet, cela n’entre pas dans son cœur, mais dans son ventre, puis est évacué dans les toilettes.» Il déclarait ainsi que tous les aliments sont purs.
20 Il dit encore: «C’est ce qui sort de l’homme qui le rend impur.
21 En effet, c’est de l’intérieur, c’est du cœur des hommes que sortent les mauvaises pensées, les adultères, l’immoralité sexuelle, les meurtres,
22 les vols, la soif de posséder, les méchancetés, la fraude, la débauche, le regard envieux, la calomnie, l’orgueil, la folie.
23 Toutes ces choses mauvaises sortent du dedans et rendent l’homme impur.»

Retour en haut