Péricope du Dimanche 02 Juin

Table des matières

Ancien Testament

Eksodosy 24 : 3 – 8 (MRV)

3 Dia tonga nanambara tamin’ny olona ny teny rehetra izay nolazain’NY TOMPO sy ny fitsipika rehetra i Mosesy. Ary niara-niredona namaly ny olona rehetra hoe: Ny teny rehetra izay nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay.
4 Ary nanoratra ny teny rehetra nolazain’NY TOMPO i Mosesy, dia nifoha vao maraina izy ka nanorina alitara teo am-pototry ny tendrombohitra sy tsangambato roa amby folo, araka ireo fokon’ny Israely roa amby folo.
5 Dia naniraka ny zatovo teo amin’ny Zanak’Israely izy ka nitondra fanatitra dorana manontolo ireo sady namono vantotra ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO.
6 Ary nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ra ka nataony tao anaty lovia, ary ny antsasaky ny ra kosa dia nafafiny teo amin’ny alitara.
7 Dia naka ny bokin’ny fanekena izy ka namaky azy teo anatrehan’ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay sy hekenay.
8 Ary nalain’i Mosesy ny ra ka nafafiny tamin’ny olona, sady hoy izy: Indro ny ran’ny fanekena izay nataon’NY TOMPO taminareo ny amin’izany teny rehetra izany.

3 Moïse vint rapporter au peuple toutes les paroles de l’Eternel et toutes les règles. Le peuple entier répondit d’une seule voix: «Nous ferons tout ce que l’Eternel a dit.»
4 Moïse écrivit toutes les paroles de l’Eternel. Puis il se leva de bon matin, construisit un autel au pied de la montagne et dressa 12 pierres pour les 12 tribus d’Israël.
5 Il envoya de jeunes Israélites offrir à l’Eternel des holocaustes ainsi que des taureaux en sacrifices de communion.
6 Moïse prit la moitié du sang et la mit dans des bassines, et avec l’autre moitié il aspergea l’autel.
7 Il prit le livre de l’alliance et le lut en présence du peuple. Ils dirent: «Nous ferons tout ce que l’Eternel a dit, nous y obéirons.»
8 Moïse prit le sang et en aspergea le peuple en disant: «Voici le sang de l’alliance que l’Eternel a conclue avec vous sur la base de toutes ces paroles.»

.

Epître

Hebreo 9 : 11 – 15 (MRV)

Ny fahambonian’ny fotoam-pivavahana vaovao
11 Fa Kristy kosa, tonga ho Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy. Namakivaky teo amin’ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra izay tsy nataon-tanana Izy; izany hoe, tsy isan’izao zavatra ary izao. 12 Niditra indray mandeha monja tao amin’ny fitoerana masina Izy, nefa tsy mba nitondra ran’osilahy sy ran-janak’omby Izy, fa ny ran’ny tenany dia ampy ahazoana fanavotana mandrakizay ho antsika.
13 Fa raha ny ran’osilahy sy ny ran’ombilahy ary ny lavenon’ny vantotra ombivavy afafy amin’izay voaloto no manamasina ka manadio ny nofo,
14 mainka fa ny ran’i Kristy, izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ny asa maty mba hanompoanareo an’Andriamanitra velona.
15 Ary noho izany dia mpanalalana amin’izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ny fahotana natao tamin’ny fanekena voalohany; izany dia mba hahazoan’izay voaantso ny teny fikasana ny amin’ny lova mandrakizay.

11 Quant à Christ, il est venu comme grand-prêtre des biens à venir. Il a traversé le tabernacle plus grand et plus parfait qui n’est pas construit par la main de l’homme – c’est-à-dire qui n’appartient pas à cette création
12 et il est entré une fois pour toutes dans le lieu très saint, non pas avec le sang de boucs et de jeunes taureaux, mais avec son propre sang. Il nous a ainsi obtenu un rachat éternel.
13 En effet, le sang des boucs et des taureaux ainsi que la cendre d’une vache, dont on asperge ceux qui sont souillés, les rendent saints en leur procurant une pureté rituelle.
14 Si tel est le cas, le sang de Christ, qui s’est offert lui-même à Dieu par l’Esprit éternel comme une victime sans défaut, purifiera d’autant plus votre conscience des œuvres mortes afin que vous serviez le Dieu vivant!
15 Voici pourquoi il est le médiateur d’une alliance nouvelle: sa mort est intervenue pour le rachat des transgressions commises sous la première alliance afin que ceux qui ont été appelés reçoivent l’héritage éternel promis.

Evangile

Marka 14 : 12 – 26 (MRV)

Ny niarahan’i Jesosy sy ny mpianany nihinana ny Paska
12 Tamin’ny andro voalohany amin’ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany Taminy: Aiza no tianao handehananay hanomanana ny sakafon’ny Paska ho Anao?
13 Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka niteny taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy.
14 Ary lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain’ny Mpampianatra: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paska amin’ny mpianatro?
15 Ary izy no hanoro anareo efitrano malalaka ambony rihana izay efa misy izay ilaina rehetra sady voavoatra tsara; any ianareo no manomana ho antsika.
16 Ary nandeha ny mpianatra dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia nanomana ny Paska izy ireo.
17 Nony hariva ny andro dia tonga niaraka tamin’ny roa amby folo lahy Izy.
18 Ary raha nipetraka nisakafo izy ireo dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny iray aminareo no hamadika Ahy, dia izay miara-mihinana Amiko.
19 Dia nalahelo izy ireo ka nanomboka nanontany an’i Jesosy ny tsirairay hoe: Izaho va izany?
20 Ary niteny tamin’izy ireo Izy hoe: Izay iray aminareo roa amby folo lahy miara-manatsoboka ny tanany Amiko ao anatin’ny lovia no izy.
21 Fa ny Zanak’Olona dia mandeha araka izay voasoratra momba Azy, nefa lozan’izay olona hahatonga ny Zanak’Olona ho voatolotra! Tsara ho an’izany olona izany raha tsy teraka akory izy.
Ny nanorenana ny Fanasan’ny Tompo
22 Ary raha mbola nisakafo izy ireo dia nandray mofo Jesosy, koa nony efa nisaotra Izy dia novakiny ka natolony azy ireo sady nataony hoe: Raiso, ity no tenako.
23 Dia nandray kapoaka Izy ka nony efa nisaotra dia natolony azy ireo ary nisotroan’izy rehetra izany.
24 Dia hoy Izy taminy: Ity no rako amin’ny fanekena izay alatsaka hamonjy ny maro.
25 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
26 Rehefa avy nihira fiderana izy ireo dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva.

Institution de la cène
12 Le premier jour des pains sans levain, où l’on sacrifiait l’agneau pascal, les disciples de Jésus lui dirent: «Où veux-tu que nous allions te préparer le repas de la Pâque?»
13 Il envoya deux de ses disciples et leur dit: «Allez à la ville. Vous rencontrerez un homme qui porte une cruche d’eau: suivez-le.
14 Là où il entrera, dites au propriétaire de la maison: ‘Le maître dit: Où est la salle où je mangerai la Pâque avec mes disciples?’
15 Alors il vous montrera une grande chambre à l’étage, aménagée et toute prête: c’est là que vous nous préparerez la Pâque.»
16 Ses disciples partirent, arrivèrent à la ville et trouvèrent tout comme il le leur avait dit, et ils préparèrent la Pâque.
17 Le soir venu, il s’y rendit avec les douze.
18 Pendant qu’ils étaient à table et qu’ils mangeaient, Jésus dit: «Je vous le dis en vérité, l’un de vous, qui mange avec moi, me trahira.»
19 Ils devinrent tout tristes et lui dirent l’un après l’autre: «Est-ce moi?»
20 Il leur répondit: «C’est l’un des douze, celui qui met la main dans le plat avec moi.
21 Le Fils de l’homme s’en va conformément à ce qui est écrit à son sujet, mais malheur à l’homme par qui le Fils de l’homme est trahi! Mieux vaudrait pour cet homme qu’il ne soit pas né.»
22 Pendant qu’ils mangeaient, Jésus prit du pain et, après avoir prononcé la prière de bénédiction, il le rompit et le leur donna en disant: «Prenez, [mangez,] ceci est mon corps.»
23 Il prit ensuite une coupe et, après avoir remercié Dieu, il la leur donna et ils en burent tous.
24 Il leur dit: «Ceci est mon sang, le sang de la [nouvelle] alliance, qui est versé pour beaucoup.
25 Je vous le dis en vérité, je ne boirai plus jamais du fruit de la vigne, jusqu’au jour où je le boirai nouveau dans le royaume de Dieu.»
26 Après avoir chanté les psaumes, ils se rendirent au mont des Oliviers.

Retour en haut