Péricope du Dimanche 03 Novembre

Table des matières

Ancien Testament

Deoteronomia 6 : 2 – 6 (MRV)

2 mba hatahoranao NY TOMPO Andriamanitrao, hitandremanao ny lalànany rehetra sy ny didiny izay omeko anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin’ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
3 Koa mihainoa, ry Israely, ary mitandrema amin’ny fanarahana izany, mba hahita soa ianao ka hitombo indrindra, araka izay nolazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanao taminao, rahatrizay any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely.
4 Mihainoa ry Israely: NY TOMPO Andriamanitsika dia TOMPO iray ihany.
5 Koa tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny herinao manontolo.
6 Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao,

2 afin que tu craignes l’Eternel, ton Dieu, en respectant tous les jours de ta vie, toi, ainsi que ton fils et ton petit-fils, toutes ses prescriptions et tous ses commandements que je te donne, et afin que tu vives longtemps.
3 Tu les écouteras donc, Israël, et tu veilleras à les mettre en pratique afin d’être heureux et de devenir très nombreux, comme te l’a dit l’Eternel, le Dieu de tes ancêtres, en te promettant un pays où coulent le lait et le miel.
4 Ecoute, Israël! L’Eternel, notre Dieu, est le seul Eternel.
5 Tu aimeras l’Eternel, ton Dieu, de tout ton cœur, de toute ton âme et de toute ta force.
6 Les commandements que je te donne aujourd’hui seront dans ton cœur.

.

Epître

Hebreo 7 : 23 – 28 (MRV)

23 Fa natao maro ireny mpisorona ireny satria tsy navelan’ny fahafatesana haharitra izy;
24 fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana satria maharitra mandrakizay Izy;
25 koa amin’izany dia mahavonjy tanteraka izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.
26 Fa Mpisoronabe tahaka izany no mendrika ho antsika: Dia izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, miavaka amin’ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra.
27 Izy dia tsy mila hanolotra fanatitra isanandro tahaka ny ataon’ireny Mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ny tenany, vao noho ny an’ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany raha nanolotra ny tenany Izy.
28 Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho Mpisoronabe; fa ny tenin’ny fianianana kosa, izay tato aorianan’ny lalàna, dia manendry ny Zanaka izay tonga amin’ny fahatanterahana mandrakizay.

Hébreux 7 : 23 – 28 (S21)

23 De plus, il y a eu des prêtres lévitiques en assez grand nombre, parce que la mort les empêchait de rester en fonction;
24 mais lui, parce qu’il demeure éternellement, possède la fonction de prêtre qui ne se transmet pas.
25 Par conséquent, il peut aussi sauver parfaitement ceux qui s’approchent de Dieu à travers lui, puisqu’il est toujours vivant pour intercéder en leur faveur.
26 C’est bien un tel grand-prêtre qu’il nous fallait: saint, irréprochable, sans souillure, séparé des pécheurs et plus élevé que le ciel.
27 Il n’a pas besoin comme les autres grands-prêtres d’offrir chaque jour des sacrifices, d’abord pour ses propres péchés, ensuite pour ceux du peuple, car il a accompli ce service une fois pour toutes en s’offrant lui-même en sacrifice.
28 En effet, la loi établit comme grands-prêtres des hommes sujets à la faiblesse, tandis que la parole du serment prononcé après l’instauration de la loi établit le Fils, qui est parfait pour l’éternité.

Evangile

Marka 12 : 28 – 34 (MRV)

28 Dia nanatona an’i Jesosy ny iray tamin’ireo mpanoradalàna* izay nahare azy ireo niady hevitra ka nahita fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana moa no voalohany amin’izy rehetra?
29 Hoy ny navalin’i Jesosy: Ny voalohany dia izao: «Mihainoa, ry Israely: Ny TOMPO Andriamanitsika no TOMPO tokana;
30 koa tiava ny TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo, amin’ny sainao manontolo ary amin’ny herinao rehetra» (Deo 6.4, 5).
31 Ary ny faharoa dia izao: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.
32 Ary hoy ilay mpanoradalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy,
33 ary ny ho tia Azy amin’ny fo manontolo, amin’ny saina manontolo, amin’ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa rehetra. 34 Rehefa hitan’i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao. Dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

28 Un des spécialistes de la loi, qui les avait entendus discuter, vit que Jésus avait bien répondu aux sadducéens. Il s’approcha et lui demanda: «Quel est le premier de tous les commandements?»
29 Jésus répondit: «Voici le premier: Ecoute, Israël, le Seigneur, notre Dieu, est l’unique Seigneur
30 et tu aimeras le Seigneur, ton Dieu, de tout ton cœur, de toute ton âme, de toute ta pensée et de toute ta force.
31 Voici le deuxième: Tu aimeras ton prochain comme toi-même. Il n’y a pas d’autre commandement plus grand que ceux-là.»
32 Le spécialiste de la loi lui dit: «Bien, maître. Tu as dit avec vérité que Dieu est unique, qu’il n’y en a pas d’autre que lui
33 et que l’aimer de tout son cœur, de toute son intelligence, [de toute son âme] et de toute sa force, et aimer son prochain comme soi-même, c’est plus que tous les holocaustes et tous les sacrifices.»
34 Voyant qu’il avait répondu avec intelligence, Jésus lui dit: «Tu n’es pas loin du royaume de Dieu.» Personne n’osa plus lui poser de questions.

Retour en haut