Péricope du Dimanche 06 Octobre

Table des matières

Ancien Testament

Genesisy 2 : 18 – 24 (MRV)

18 Ary NY TOMPO Andriamanitra niteny hoe: Tsy tsara raha irery Ralehilahy; hanaovako vady sahaza azy izy.
19 Ary vovo-tany no namolavolan’NY TOMPO Andriamanitra ny biby rehetra sy ny voromanidina rehetra. Dia noentiny tany amin-dRalehilahy ireny mba hahitany izay anarana hiantsoany azy avy; koa izay rehetra niantsoan-dRalehilahy ny zavamananaina rehetra dia izany no anarany.
20 Dia nomen-dRalehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voromanidina mbamin’ny bibidia rehetra, nefa tsy hita izay mpanampy tandrify ho an-dRalehilahy.
21 Ary NY TOMPO Andriamanitra nahasondrian-tory an-dRalehilahy ka natory izy; dia naka iray avy tamin’ireo taolan-tehezany NY TOMPO Andriamanitra ka nanakombona nofo ho solon’izany.
22 Ary ilay taolan-tehezana izay nalainy tamin-dRalehilahy dia namboariny ho vehivavy ka noentiny nankany amin-dRalehilahy.
23 Dia hoy Ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy, satria lehilahy no nakana azy.
24 Noho izany dia handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny dia ho nofo iray ihany izy roa.

18 L’Eternel Dieu dit: «Il n’est pas bon que l’homme soit seul. Je lui ferai une aide qui soit son vis-à-vis.»
19 L’Eternel Dieu façonna à partir de la terre tous les animaux sauvages et tous les oiseaux du ciel, puis il les fit venir vers l’homme pour voir comment il les appellerait. Il voulait que tout être vivant porte le nom que l’homme lui donnerait.
20 L’homme donna des noms à tout le bétail, aux oiseaux du ciel et à tous les animaux sauvages, mais pour lui-même il ne trouva pas d’aide qui soit son vis-à-vis.
21 Alors l’Eternel Dieu fit tomber un profond sommeil sur l’homme, qui s’endormit. Il prit une de ses côtes et referma la chair à sa place.
22 L’Eternel Dieu forma une femme à partir de la côte qu’il avait prise à l’homme et il l’amena vers l’homme.
23 L’homme dit: «Voici cette fois celle qui est faite des mêmes os et de la même chair que moi. On l’appellera femme parce qu’elle a été tirée de l’homme.»
24 C’est pourquoi l’homme quittera son père et sa mère et s’attachera à sa femme, et ils ne feront qu’un.

.

Epître

Hebreo 2 : 9 – 11 (MRV)

9 Fa ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy mba hanandrana ny fahafatesana hoenti-mamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan’Andriamanitra.
10 Fa Andriamanitra no anton’ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra. Rehefa mitondra zanaka maro ho any amin’ny voninahitra Izy dia tandrify Azy ny hitondra ny Tompon’ny famonjena azy ireo ho amin’ny fahatanterahana amin’ny alalan’ny fahoriana.
11 Fa iray ihany no niavian’izy roa, na izay manamasina, na ireo izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hiantso ireo hoe rahalahy,

Hébreux 2 : 9 – 11 (S21)

9 Toutefois, celui qui a été abaissé pour un peu de temps au-dessous des anges, Jésus, nous le voyons couronné de gloire et d’honneur à cause de la mort qu’il a soufferte. Ainsi, par la grâce de Dieu, il a connu la mort pour tout être humain.
10 En effet, celui pour qui et par qui toute chose existe voulait conduire à la gloire beaucoup de fils; il lui convenait donc de qualifier parfaitement par des souffrances l’auteur de leur salut.
11 De fait, celui qui procure la sainteté et ceux qui en bénéficient ont tous une seule et même origine, c’est pourquoi il n’a pas honte de les appeler ses frères

Evangile

Marka 10 : 2 – 16 (MRV)

2 Ary nisy Fariseo maromaro nanatona Azy ka naka fanahy Azy sy nanontany hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy?
3 Ary Izy namaly azy ireo hoe: Inona no nandidian’i Mosesy anareo?
4 Dia hoy ireo: Navelan’i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisaotra ny vadiny (Deo 24.1).
5 Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo.
6 Fa hatramin’ny namoronana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovan’Andriamanitra ny olona (Gen 1.27).
7 «Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny,
8 dia ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24). Koa tsy roa intsony izy fa nofo iray ihany.
9 Koa izay nakamban’Andriamanitra dia aoka tsy hosarahin’olona.
10 Ary rehefa tonga tao an-trano dia nanontany ny amin’izany koa ny mpianatra.
11 Dia hoy Izy taminy: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga eo anatrehan’ilay voalohany izy.
12 Ary raha ny vehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa dia mijangajanga izy. Jesosy sy ny zaza
13 Ary nisy nitondra zaza ho eo Aminy mba hametrahany tanana. Nefa ny mpianany niteny mafy azy ireny.
14 Kanefa tezitra Jesosy raha nahita izany ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy ary aza rarana; fa an’izay toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.
15 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy mandray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza dia tsy ho tafiditra ao aminy akory.
16 Ary nitrotro azy Izy dia nametra-tanana taminy ka nitsodrano azy.

2 Les pharisiens l’abordèrent et, pour lui tendre un piège, ils lui demandèrent s’il est permis à un homme de divorcer de sa femme.
3 Il leur répondit: «Que vous a prescrit Moïse?»
4 «Moïse, dirent-ils, nous a permis d’écrire une lettre de divorce et de renvoyer notre femme.»
5 Jésus leur dit: «C’est à cause de la dureté de votre cœur que Moïse vous a donné cette règle.
6 Mais au commencement de la création, Dieu a fait l’homme et la femme;
7 c’est pourquoi l’homme quittera son père et sa mère [et s’attachera à sa femme],
8 et les deux ne feront qu’un. Ainsi, ils ne sont plus deux mais ne font qu’un.
9 Que l’homme ne sépare donc pas ce que Dieu a uni.»
10 Lorsqu’ils furent dans la maison, les disciples l’interrogèrent encore là-dessus.
11 Il leur dit: «Celui qui renvoie sa femme et qui en épouse une autre commet un adultère envers elle,
12 et si une femme divorce de son mari et en épouse un autre, elle commet un adultère.» Les petits enfants et l’homme riche
13 Des gens lui amenaient des petits enfants afin qu’il les touche, mais les disciples leur firent des reproches.
14 Voyant cela, Jésus fut indigné et leur dit: «Laissez les petits enfants venir à moi et ne les en empêchez pas, car le royaume de Dieu est pour ceux qui leur ressemblent.
15 Je vous le dis en vérité: celui qui n’accueille pas le royaume de Dieu comme un petit enfant n’y entrera pas.»
16 Puis il les prit dans ses bras et les bénit en posant les mains sur eux.

Retour en haut