Péricope du Dimanche 07 Juillet

Table des matières

Ancien Testament

Ezekiela 2 : 2 – 5 (MRV)

2 Ary nisy fanahy tonga tao anatiko raha niteny tamiko Izy ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.
3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, maniraka anao ho any amin’ny Zanak’Israely Aho, eny, ho amin’ireo Jentilisa mpikomy izay nikomy tamiko; izy sy ny razany dia samy nanota tamiko avokoa mandraka androany;
4 ireo zanakalahy ireo dia mafy handrina sy mafy fo; any amin’ireo no anirahako anao, ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra.
5 Ary na hihaino izy na tsy hihaino, fa taranaka maditra izy, dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo anivony.

2 Pendant qu’il me parlait, l’Esprit est entré en moi et m’a mis debout sur mes pieds. J’ai écouté celui qui me parlait.
3 Il m’a dit: «Fils de l’homme, je t’envoie vers les Israélites, vers des nations rebelles qui se sont rebellées contre moi. Eux et leurs ancêtres se sont révoltés contre moi jusqu’à aujourd’hui.
4 Ce sont des enfants à la tête dure et au cœur endurci. Je t’envoie vers eux et tu leur diras: ‘Voici ce que dit le Seigneur, l’Eternel.’
5 Qu’ils écoutent ou qu’ils n’écoutent pas – en effet, c’est une communauté de rebelles – ils sauront ainsi qu’il y a un prophète au milieu d’eux.

.

Epître

2 Korintiana 12 : 7 – 10 (MRV)

7 Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambaràna aho dia nasiana tsilo ny nofoko; irak’i Satana hamely ahy izany, fandrao hirehareha aho.
8 Izany no nangatahako intelo tamin’ny Tompo mba hialan’izany amiko.
9 Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena.
Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
10 Koa dia finaritra aho amin’ny fahalemena, amin’ny fampahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny tebiteby, noho ny amin’i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.

7 Et pour que je ne sois pas rempli d’orgueil à cause de ces révélations extraordinaires, j’ai reçu une écharde dans le corps, un ange de Satan pour me frapper et m’empêcher de m’enorgueillir.
8 Trois fois j’ai supplié le Seigneur de l’éloigner de moi,
9 et il m’a dit: «Ma grâce te suffit, car ma puissance s’accomplit dans la faiblesse.» Aussi, je me montrerai bien plus volontiers fier de mes faiblesses afin que la puissance de Christ repose sur moi.
10 C’est pourquoi je me plais dans les faiblesses, dans les insultes, dans les détresses, dans les persécutions, dans les angoisses pour Christ, car quand je suis faible, c’est alors que je suis fort.

Evangile

Marka 6 : 1 – 6 (MRV)

1 Ary niala teo Izy ka tonga tany amin’ny tanànany ary niaraka Taminy koa ny mpianany.
2 Ary rehefa tonga ny Sabata dia nampianatra tao amin’ny sinagoga Izy. Ary maro izay nihaino Azy no talanjona indrindra ka niteny hoe: Taiza no nahazoan’Ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon’ny tanany izao?
3 Tsy ilay mpandrafitra, zanak’i Maria, ary rahalahin’i Jakoba sy i Josesy ary i Jodasy sy i Simona va Izy io? Ary tsy etỳ amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina Taminy izy.
4 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany atao tsinontsinona raha tsy eo amin’ny taniny sy ny havany ary ny fianakaviany ihany.
5 Ary tsy afaka nanao fahagagana akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tanany tamin’ny olona marary vitsy foana sy nahasitrana azy.
6 Ary gaga Izy noho ny tsy finoan’izy ireo.

1 Jésus partit de là et se rendit dans sa patrie. Ses disciples le suivirent.
2 Le jour du sabbat, il se mit à enseigner dans la synagogue. Beaucoup de gens l’entendirent; ils étaient étonnés et disaient: «D’où cela lui vient-il? Quelle est cette sagesse qui lui a été donnée? Et comment de tels miracles se font-ils par son intermédiaire?
3 N’est-il pas le charpentier, le fils de Marie, le frère de Jacques, de Joses, de Jude et de Simon? Et ses sœurs ne sont-elles pas ici parmi nous?» Et il représentait un obstacle pour eux.
4 Mais Jésus leur dit: «Un prophète n’est méprisé que dans sa patrie, parmi ses parents et dans sa famille.»
5 Il ne put faire là aucun miracle, si ce n’est qu’il guérit quelques malades en posant les mains sur eux.
6 Et il s’étonnait de leur incrédulité.

Retour en haut