Péricope du Dimanche 08 Septembre

Table des matières

Ancien Testament

Isaia 35 : 4 – 7 (MRV)

4 Lazao amin’izay mitebiteby hoe: Mahereza, aza matahotra, indro Andriamanitrareo! Avy mitondra famaliana Izy, dia ny famalian’Andriamanitra; eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.
5 Dia hampahiratina ny mason’ny jamba ary hampandrenesina ny sofin’ny marenina.
6 Hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa ary hihoby ny lelan’ny moana. Fa hisy rano hiboiboika any an-tany efitra ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina.
7 Ny tany ngazana dia ho tonga farihy, ary ny tany mangentana dia ho loharano miboiboika; ny fonenana izay amitsahan’ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.

4 Dites à ceux qui ont le cœur battant: «Fortifiez-vous, n’ayez pas peur! Voici votre Dieu: elle viendra, la vengeance, la rémunération de Dieu. Il viendra lui-même pour vous sauver.»
5 Alors les yeux des aveugles seront ouverts et les oreilles des sourds seront débouchées.
6 Alors le boiteux sautera comme un cerf et la langue du muet lancera des cris joyeux. Oui, de l’eau jaillira dans le désert et des ruisseaux dans la plaine aride.
7 La terre brûlante deviendra un étang et la terre aride se changera en sources d’eau. Dans le repaire qui servait de gîte aux chacals pousseront des roseaux et des joncs.

.

Epître

Jakoba 2 : 1 – 5 (MRV)

1 Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan’olona ny finoanareo ny Tompontsika be voninahitra, dia Jesosy Kristy.
2 Raha misy olona miditra eo amin’ny sinagoganareo ka misy peratra volamena amin’ny rantsantanany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona mahantra sady miakanjo ratsy,
3 raha mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka miteny hoe: Mipetraha etsy amin’ny toerana aloha ianao! Nefa miteny amin’ilay mahantra kosa hoe: Mijoroa eroa ianao! Na: Mipetraha etsy amin’ny fitoeran-tongotro!
4 Moa tsy manavakavaka va ianareo amin’izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy?
5 Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin’Andriamanitra va ny mahantra amin’izao fiainana izao ho mpanankarena amin’ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?

1 Mes frères et sœurs, que votre foi en notre glorieux Seigneur Jésus-Christ soit libre de tout favoritisme.
2 Supposez en effet qu’entre dans votre assemblée un homme portant un anneau d’or et des habits somptueux, et qu’entre aussi un pauvre aux habits crasseux.
3 Si vous tournez les regards vers celui qui porte les habits somptueux pour lui dire: «Toi, assieds-toi ici à cette place d’honneur» et que vous disiez au pauvre: «Toi, tiens-toi là debout» ou bien: «Assieds-toi par terre, à mes pieds»,
4 ne faites-vous pas en vous-mêmes une distinction et ne devenez-vous pas des juges aux mauvais raisonnements?
5 Ecoutez, mes frères et sœurs bien-aimés: Dieu n’a-t-il pas choisi ceux qui sont pauvres aux yeux du monde pour les rendre riches dans la foi et héritiers du royaume qu’il a promis à ceux qui l’aiment?

Evangile

Marka 7 : 31 – 37 (MRV)

31 Ary niala indray avy tamin’ny faritanin’i Tiro Jesosy dia namakivaky an’i Sidona sy ny faritanin’i Dekapolisy ka nankany amoron’ny ranomasin’i Galilia.
32 Ary nisy marenina sady raiki-dela iray noentin’olona teo Aminy ka niangavy Azy izy ireo mba hametra-tanana aminy.
33 Ary nitondra an-dRalehilahy niala kely ny vahoaka Izy dia nangarona ny sofiny tamin’ny rantsantanany, dia nandrora ka nikasika ny lelany;
34 ary niandrandra ny lanitra Izy dia nisento ka niteny taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia!
35 Dia nalady ny sofiny sady voavaha ny fatoran’ny lelany ka afaka niteny tsara izy.
36 Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza; kanefa na dia norarany aza ireo dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.
37 Dia talanjona indrindra ny olona ka niteny hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.

31 Jésus quitta le territoire de Tyr et revint par Sidon vers le lac de Galilée en traversant la région de la Décapole.
32 On lui amena un sourd qui avait de la difficulté à parler et on le supplia de poser la main sur lui.
33 Il le prit à part loin de la foule, lui mit les doigts dans les oreilles et lui toucha la langue avec sa propre salive.
34 Puis il leva les yeux au ciel, soupira et dit: «Ephphatha» – c’est-à-dire «Ouvre-toi».
35 Aussitôt ses oreilles s’ouvrirent, sa langue se délia et il se mit à parler correctement.
36 Jésus leur recommanda de n’en parler à personne, mais plus il le leur recommandait, plus ils le proclamaient.
37 Remplis d’étonnement, ils disaient: «Il fait tout à merveille; il fait même entendre les sourds et parler les muets.»

Retour en haut