Péricope du Dimanche 09 Juin

Table des matières

Ancien Testament

Genesisy  3 : 9 – 15 (MRV)

9 Ary NY TOMPO Andriamanitra niantso an-dRalehilahy ka niteny taminy hoe: Aiza moa ianao?
10 Dia hoy Ralehilahy: Nandre ny feonao tao amin’ny saha aho dia natahotra satria mitanjaka; dia niery aho.
11 Hoy Ny TOMPO Andriamanitra: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka ianao? Fa angaha nihinananao ny hazo izay nandrarako anao tsy hohanina?
12 Hoy Ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo dia nihinana aho.
13 Dia hoy NY TOMPO Andriamanitra tamin-dRavehivavy: Inona izao nataonao izao? Hoy Ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy dia nihinana aho.
14 Dia hoy NY TOMPO Andriamanitra tamin’ny menarana: Satria nahavita izany ianao dia ianao no voaozona amin’ny biby fiompy rehetra sy ny bibidia rehetra: Ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao.
15Hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy; toy izany koa ny taranakao sy ny taranany: Hanorotoro ny lohanao ny taranany, ary ianao kosa dia hanorotoro ny voditongony.

9 Cependant, l’Eternel Dieu appela l’homme et lui dit: «Où es-tu?»
10 Il répondit: «J’ai entendu ta voix dans le jardin et j’ai eu peur, parce que j’étais nu. Alors je me suis caché.»
11 L’Eternel Dieu dit: «Qui t’a révélé que tu étais nu? Est-ce que tu as mangé du fruit de l’arbre dont je t’avais interdit de manger?»
12 L’homme répondit: «C’est la femme que tu as mise à mes côtés qui m’a donné de ce fruit, et j’en ai mangé.»
13 L’Eternel Dieu dit à la femme: «Pourquoi as-tu fait cela?» La femme répondit: «Le serpent m’a trompée et j’en ai mangé.»
14 L’Eternel Dieu dit au serpent: «Puisque tu as fait cela, tu seras maudit parmi tout le bétail et tous les animaux sauvages. Tu marcheras sur ton ventre et tu mangeras de la poussière tous les jours de ta vie.
15 Je mettrai l’hostilité entre toi et la femme, entre ta descendance et sa descendance: celle-ci t’écrasera la tête et tu lui blesseras le talon.»

.

Epître

2 Korintiana 4.13 – 5.1 (MRV)

4.13 Ary satria manana izany fanahin’ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: «Nino aho ka niteny» (Sal 116.10), dia mino koa izahay ka miteny;
4.14 fa fantatray fa izay nanangana an’i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka amin’i Jesosy ka hametraka anay eo akaikiny miaraka aminareo.
4.15 Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo mba hitomboan’ny fisaorana ho voninahitr’Andriamanitra noho ny fitombon’ny fahasoavana amin’ny maro.
4.16 Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetranay ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny.
4.17 Fa ny fahoriantsika ankehitriny dia maivana sy vetivety foana, ary manomana antsika ho amin’ny voninahitra mandrakizay izay tsy misy fetrany sady manan-danja lehibe.
4.18 Raha tsy mijery ny hita isika fa ny tsy hita; fa ny hita dia mandalo ihany, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
5.1 Fa fantatsika fa raha ravana ny tranolay izay itoerantsika etỳ an-tany dia manana izay voarafitr’Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra.

4.13 Et comme nous avons le même esprit de foi que celui exprimé dans cette parole de l’Ecriture: J’ai cru, c’est pourquoi j’ai parlé, nous aussi nous croyons, et c’est pour cela que nous parlons.
4.14 Nous savons en effet que celui qui a ressuscité le Seigneur Jésus nous ressuscitera aussi par Jésus et nous fera paraître avec vous dans sa présence.
4.15 Oui, tout cela arrive à cause de vous afin que la grâce, en se multipliant, fasse abonder la reconnaissance d’un plus grand nombre, à la gloire de Dieu.
L’espérance du ciel
4.16 Voilà pourquoi nous ne perdons pas courage. Et même si notre être extérieur se détruit, notre être intérieur se renouvelle de jour en jour.
4.17 En effet, nos légères difficultés du moment présent produisent pour nous, au-delà de toute mesure, un poids éternel de gloire.
4.18 Ainsi nous regardons non pas à ce qui est visible, mais à ce qui est invisible, car les réalités visibles sont passagères et les invisibles sont éternelles.
5.1 Nous savons, en effet, que si notre habitation terrestre, qui n’est qu’une tente, est détruite, nous avons dans le ciel un édifice qui est l’œuvre de Dieu, une habitation éternelle qui n’est pas faite par la main de l’homme.

Evangile

Marka  3 : 20 – 35 (MRV)

20 Ary niditra tao amin’ny trano iray Jesosy, dia vory indray ny vahoaka ka tsy afaka nisakafo akory Izy.
21 Ary ny havany, raha nandre izany, dia tonga mba haka Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.
22 Ary ny mpanoradalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia niteny hoe: Manana an’i Belzeboba Izy, ary koa: Ny lohan’ny demonia no androahany ny demonia.
23 Ary Jesosy niantso azy ireo hankeo Aminy ary nilaza fanoharana taminy hoe: Hataon’i Satana ahoana no fandroaka an’i Satana?
24 Raha misy fanjakana miady an-trano dia tsy haharitra izany fanjakana izany.
25 Ary raha misy mpiray trano miady an-trano dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.
26 Ary raha i Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano dia tsy haharitra izy fa ho rava ny heriny.
27 Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ny mahery ka handroba ny entany raha tsy afatony aloha ilay mahery dia izay vao robainy ny ao an-tranony.
28 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak’olombelona amin’ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony;
29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy.
30 Ny olona mantsy dia niteny hoe: Azom-panahy maloto Izy.
31 Ary tonga ny reniny mbamin’ireo rahalahiny ka nijanona teo alatrano, dia naniraka olona hankao Aminy hiantso Azy.
32 Ary nipetraka manodidina Azy ny vahoaka ka nilaza Taminy hoe: Indreo, ao alatrano ny reninao sy ireo rahalahinao ary ireo anabavinao mitady Anao.
33 Ary Izy namaly azy ireo hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?
34 Ary nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy ka niteny hoe: Ireto ny reniko sy ny rahalahiko!
35 Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’Andriamanitra dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.

20 Ils se rendirent à la maison, et la foule se rassembla de nouveau, de sorte qu’ils ne pouvaient même pas prendre leur repas.
21 Lorsqu’ils l’apprirent, les membres de la famille de Jésus vinrent pour s’emparer de lui, car ils disaient: «Il a perdu la raison.»
22 Les spécialistes de la loi qui étaient descendus de Jérusalem disaient: «Il a en lui Béelzébul; c’est par le prince des démons qu’il chasse les démons.»
23 Jésus les appela et leur dit sous forme de paraboles: «Comment Satan peut-il chasser Satan?
24 Si un royaume est confronté à des luttes internes, ce royaume ne peut pas subsister,
25 et si une famille est confrontée à des luttes internes, cette famille ne peut pas subsister.
26 Si donc Satan se dresse contre lui-même, s’il est divisé, il ne peut pas subsister, c’en est fini de lui.
27 Personne ne peut entrer dans la maison d’un homme fort et piller ses biens sans avoir d’abord attaché cet homme fort; alors seulement il pillera sa maison.
28 Je vous le dis en vérité, tous les péchés seront pardonnés aux hommes, ainsi que les blasphèmes qu’ils auront proférés,
29 mais celui qui blasphémera contre le Saint-Esprit n’obtiendra jamais de pardon: il mérite une condamnation éternelle.»
30 Jésus parla de cette manière parce qu’ils disaient: «Il a un esprit impur.»
31 Sa mère et ses frères arrivèrent donc. Ils se tenaient dehors et l’envoyèrent appeler.
32 La foule était assise autour de lui, et on lui dit: «Voici, ta mère et tes frères [et sœurs] sont dehors et te cherchent.»
33 Il répondit: «Qui est ma mère, et qui sont mes frères?»
34 Puis il promena le regard sur ceux qui étaient assis tout autour de lui et dit: «Voici ma mère et mes frères.
35 En effet, celui qui fait la volonté de Dieu, celui-là est mon frère, ma sœur, ma mère.»

Retour en haut