Péricope du Dimanche 10 Mai 2026

Table des matières

Actes des Apôtres

Asan’ny Apostoly 8 : 5 – 17 (MRV)

5 Nidina tany an-tanànan’i Samaria i Filipo ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao.
6 Dia niray hevitra nihaino tsara izay nolazain’i Filipo ny vahoaka rehefa nandre azy sy nahita ny famantarana nataony.
7 Fa maro tamin’ireo manana fanahy maloto no niantsoantso tamin’ny feo mahery rehefa niala izany; ary maro koa ny malemy sy ny mandringa no sitrana.
8 Dia nisy fifaliana lehibe tao amin’izany tanàna izany.
9 Nisy lehilahy iray antsoina hoe Simona izay efa tao an-tanàna, mpitahiry ody izy io ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nilaza ny tenany ho lehibe.
10 Ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia nihaino azy ka niteny hoe: Ity lehilahy ity no herin’Andriamanitra izay antsoina hoe Hery lehibe.
11 Nihaino azy tsara izy ireo, satria efa ela no talanjona tamin’ny ataony.
12 Nefa rehefa nino an’i Filipo izay nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny anaran’i Jesosy Kristy ireo dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
13 Mba nino koa i Simona ka rehefa natao batisa izy dia nanaraka an’i Filipo. Ary talanjona izy raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao.
14 Nony ren’ny Apostoly tany Jerosalema fa efa nandray ny tenin’Andriamanitra i Samaria dia naniraka an’i Petera sy i Jaona izy ireo hankany aminy.
15 Nony tafidina tany izy roa lahy dia nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina.
16 Satria tsy mbola nisy nilatsahany izy ireo na dia iray akory aza, fa natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Tompo ihany,
17 dia nametra-tanana taminy izy roa lahy ary nandray ny Fanahy Masina ireo.

5 Philippe va dans une ville de Samarie, et là, il annonce le Messie.
6 D’un commun accord, les habitants viennent en foule, et ils écoutent avec attention ce qu’il dit. En effet, ils entendent parler des choses extraordinaires qu’il fait et ils les voient.
7 Des esprits mauvais sortent de nombreux malades, en poussant de grands cris, beaucoup de paralysés et d’infirmes sont guéris.
8 Alors la joie est grande dans cette ville.
9 Un homme appelé Simon habite dans cette ville depuis un certain temps. Il pratique la magie et il étonne beaucoup les gens de Samarie. Il dit qu’il est quelqu’un d’important,
10 et tous, les plus jeunes comme les plus vieux, l’écoutent avec attention. On dit : « Cet homme, c’est la puissance de Dieu, celle qu’on appelle la “Grande Puissance” ! »
11 Depuis longtemps, Simon étonne beaucoup les gens avec sa magie, c’est pourquoi ils l’écoutent avec attention.
12 Mais maintenant, Philippe leur annonce la Bonne Nouvelle de Jésus-Christ et du Royaume de Dieu. Tous ceux qui le croient, des hommes et des femmes, se font baptiser.
13 Même Simon devient croyant, il se fait baptiser et il ne quitte plus Philippe. En voyant les miracles et les choses extraordinaires qui arrivent, c’est lui qui est très étonné !
14 À Jérusalem, les apôtres apprennent que les gens de Samarie ont reçu la parole de Dieu, ils leur envoient donc Pierre et Jean.
15 Quand les deux apôtres arrivent en Samarie, ils prient pour que les croyants reçoivent l’Esprit Saint.
16 En effet, l’Esprit Saint n’est encore descendu sur personne parmi eux. Ils ont seulement été baptisés au nom du Seigneur Jésus.
17 Alors Pierre et Jean posent les mains sur leur tête, et ils reçoivent l’Esprit Saint.

.

Epître

1 Petera 3 : 15 – 18 (MRV)

15 Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo,
16 nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana; koa manàna fieritreretana tsara. Amin’izany dia ho menatra izay manaratsy ny fitondrantenanareo tsara ao amin’i Kristy ka manendrikendrika anareo.
17 Fa tsara kokoa ny mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-tsoa, raha izany ny sitrapon’Andriamanitra, noho ny mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-dratsy.
Avy amin’ny fahafatesan’i Kristy, ho amin’ny fandreseny
18 Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina mba hitondrany antsika ho amin’Andriamanitra ka novonoina araka ny nofo Izy, fa novelomina araka ny fanahy

1 Pierre 3 : 15 – 18V)

15 Mais reconnaissez dans vos cœurs que le Christ seul est saint, il est votre Seigneur. Quand on vous demande pourquoi vous espérez, soyez toujours prêts à donner des explications.
16 Mais faites-le avec douceur et respect, avec une conscience pure. Alors, quand des gens vous accusent faussement sur un point, quand ils vous insultent parce que vous vous conduisez en chrétiens, ils seront couverts de honte.
17 Oui, il vaut mieux souffrir en faisant le bien, si Dieu veut cela, plutôt que de souffrir en faisant le mal.
La victoire du Christ
18 En effet, le Christ lui-même est mort une fois pour toutes pour les péchés des êtres humains. Lui qui était innocent, il est mort pour des coupables, afin de vous conduire à Dieu. Lui, il a été tué dans son corps, mais l’Esprit Saint lui a rendu la vie.

Evangile

Jaona 14 : 15 – 21 (MRV)

15 Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko.
16 Ary Izaho hangataka amin’ny Ray ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,
17 dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy hain’izao tontolo izao raisina satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy satria mitoetra eo aminareo Izy ary ho ao anatinareo.
18 Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho.
19 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho dia ho velona koa ianareo.
20 Amin’izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko ary ianareo dia ato Amiko, ary Izaho ao aminareo.
21 Izay manana ny didiko ka mitandrina izany dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.

15 « Si vous m’aimez, vous obéirez à mes commandements,
16 et moi, je prierai le Père. Et il vous donnera quelqu’un d’autre pour vous aider, quelqu’un qui sera avec vous pour toujours :
17 c’est l’Esprit de vérité. En effet, le monde ne peut pas le recevoir, parce qu’il ne le voit pas et ne le connaît pas. Vous, vous connaissez l’Esprit de vérité, parce qu’il reste avec vous, il habite en vous.
18 « Je ne vous laisserai pas orphelins, je reviendrai vers vous.
19 Dans peu de temps, le monde ne me verra plus. Vous, vous me verrez vivant, et vous vivrez vous aussi.
20 Ce jour-là, vous comprendrez que je vis dans mon Père, que vous vivez en moi et moi en vous.
21 « Si quelqu’un connaît mes commandements et leur obéit, il m’aime vraiment. Mon Père aimera celui qui m’aime, et moi aussi, j’aimerai celui qui m’aime, et je me montrerai à lui. »

Retour en haut