Péricope du Dimanche 13 Octobre

Table des matières

Ancien Testament

Ohabolana 3 : 13 – 20 (MRV)

13 Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana!
14 Aleo mikatsaka tombony avy aminy, toy izay mikatsaka tombony avy amin’ny volafotsy, ary ny tombom-barotra avy aminy dia mihoatra noho ny volamena;
15 sarobidy noho ny voahangy izy, ary izay rehetra irinao dia tsy misy azo ampitahaina aminy.
16 Fa andro maro no eo amin’ny tanany havanana, ary harena sy voninahitra no eo amin’ny tanany havia.
17 Lalana mahafinaritra ny lalany ary fiadanana ny alehany rehetra.
18 Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy ary izay rehetra mihazona azy no atao hoe sambatra.
19 Tamin’ny fahendrena no nanorenan’NY TOMPO ny tany ary tamin’ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
20 Ny fahalalany no noentiny nampiboiboika ny rano any amin’ny lalina sy ampitetevany ando avy amin’ny rahona.

13 Heureux l’homme qui a trouvé la sagesse et l’homme qui possède l’intelligence!
14 En effet, le bénéfice qu’elle procure est préférable à celui de l’argent et le profit qu’on en tire vaut mieux que l’or.
15 Elle est plus précieuse que les perles, elle a plus de valeur que tout ce que tu pourrais désirer.
16 Une longue vie est dans sa main droite, dans sa gauche se trouvent la richesse et la gloire.
17 Ses voies sont des voies agréables et tous ses sentiers sont des sentiers de paix.
18 Elle est un arbre de vie pour ceux qui s’attachent à elle, et ceux qui la possèdent sont heureux.
19 C’est par la sagesse que l’Eternel a fondé la terre, c’est par l’intelligence qu’il a affermi le ciel;
20 c’est par sa connaissance que les abîmes se sont ouverts et que les nuages distillent la rosée.

.

Epître

Hebreo 4 : 12 – 13 (MRV)

12 Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy, ny tonona sy ny tsoka sady mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.
13 Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’izay iafaran’ny ataontsika.

Hébreux 4 : 12 – 13 (S21)

12 En effet, la parole de Dieu est vivante et efficace, plus tranchante que toute épée à deux tranchants, pénétrante jusqu’à séparer âme et esprit, jointures et moelles; elle juge les sentiments et les pensées du cœur.
13 Aucune créature n’est cachée devant lui: tout est nu et découvert aux yeux de celui à qui nous devons rendre compte.

Evangile

Marka 10 : 17 – 30 (MRV)

17 Rehefa teny an-dalana Jesosy dia nisy olona iray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko mba handovako fiainana mandrakizay?
18 Hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no lazainao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
19 Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona mandainga, aza manambaka olona, manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12-17).
20 Ary hoy izy taminy: Mpampianatra ô, izany rehetra izany dia efa notandremako hatramin’ny fahazazako.
21 Ary Jesosy nijery azy tsara dia tia azy ka niteny taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao: Mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ho an’ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao. Ary avia hanaraka Ahy.
22 Dia nanjombona ny tarehiny noho izany teny izany ka niala tamin’alahelo izy, satria nanana harena be.
23 Ary Jesosy nijery manodidina ka niteny tamin’ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny fidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra!
24 Dia gaga tamin’ny teniny ny mpianatra. Fa hoy indray Jesosy taminy: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny fidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra!
25 Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny manankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
26 Dia talanjona indrindra izy ireo ka nifampiresaka hoe: Iza indray ary no azo hovonjena?
27 Fa Jesosy nijery azy ka niteny hoe: Raha amin’ny olona dia zavatra tsy hainy izany, fa tsy mba tahaka izany amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.
28 Ary hoy Petera taminy: Indro, efa nahafoy ny zavatra rehetra izahay ka nanaraka Anao.
29 Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany noho ny Amiko sy ny Filazantsara,
30 ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany mbamin’ny fanenjehana ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.

17 Comme Jésus se mettait en chemin, un homme accourut et se jeta à genoux devant lui: «Bon maître, lui demanda-t-il, que dois-je faire pour hériter de la vie éternelle?»
18 Jésus lui dit: «Pourquoi m’appelles-tu bon? Personne n’est bon, si ce n’est Dieu seul.
19 Tu connais les commandements: Tu ne commettras pas d’adultère; tu ne commettras pas de meurtre; tu ne commettras pas de vol; tu ne porteras pas de faux témoignage ; tu ne feras de tort à personne; honore ton père et ta mère.»
20 Il lui répondit: «Maître, j’ai respecté tous ces commandements dès ma jeunesse.»
21 L’ayant regardé, Jésus l’aima, et il lui dit: «Il te manque une chose: va vendre tout ce que tu as, donne-le aux pauvres, et tu auras un trésor dans le ciel. Puis viens, [charge-toi de la croix] et suis-moi.»
22 Mais l’homme s’assombrit à cette parole et s’en alla tout triste, car il avait de grands biens.
23 Regardant autour de lui, Jésus dit à ses disciples: «Qu’il est difficile à ceux qui ont des richesses d’entrer dans le royaume de Dieu!»
24 Les disciples furent effrayés de ce que Jésus parlait ainsi. Il reprit: «Mes enfants, qu’il est difficile [à ceux qui se confient dans les richesses] d’entrer dans le royaume de Dieu!
25 Il est plus facile à un chameau de passer par un trou d’aiguille qu’à un riche d’entrer dans le royaume de Dieu.»
26 Les disciples furent encore plus étonnés et se dirent les uns aux autres: «Qui donc peut être sauvé?»
27 Jésus les regarda et dit: «Aux hommes cela est impossible, mais non à Dieu, car tout est possible à Dieu.»
28 Alors Pierre lui dit: «Nous avons tout quitté et nous t’avons suivi.»
29 Jésus répondit: «Je vous le dis en vérité, personne n’aura quitté à cause de moi et à cause de la bonne nouvelle sa maison ou ses frères, ses sœurs, sa mère, son père, [sa femme,] ses enfants ou ses terres,
30 sans recevoir au centuple, dans le temps présent, des maisons, des frères, des sœurs, des mères, des enfants et des terres, avec des persécutions et, dans le monde à venir, la vie éternelle.

Retour en haut