
Ancien Testament
Deoteronomia 30 : 15 – 20 (MRV)
15 Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza.
16 Tamin’ny nandidiako anao androany dia ny ho tia NY TOMPO Andriamanitrao ka handeha amin’ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalànany mbamin’ny fitsipiny. Mba ho velona ianao sady hihamaro, ary mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao any amin’ny tany izay efa hidiranao holovana.
17 Fa raha mivily kosa ny fonao ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankohoka eo anatrehan’izay andriamanitra hafa sy hanompo azy,
18 dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin’ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an’i Jordana ianareo.
19 Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
20 dia ny ho tia NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra Aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao, mba honenanao eo amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba razanao, homena azy.
Deutéronome 30 : 15 – 20 (PDV)
15 Moïse dit : Israélites, voyez, aujourd’hui, je mets devant vous d’un côté la vie et le bonheur, et de l’autre la mort et le malheur.
16 Voici ce que je vous commande aujourd’hui : aimez le Seigneur votre Dieu, faites sa volonté, obéissez à ses commandements, à ses lois et à ses règles. Alors vous vivrez, vous deviendrez nombreux. Et le Seigneur votre Dieu vous bénira dans le pays que vous allez posséder.
17 Mais si votre cœur se détourne de lui, si vous n’obéissez pas, si vous vous laissez entraîner à adorer d’autres dieux et à les servir,
18 je vous préviens aujourd’hui : vous disparaîtrez complètement. Vous ne resterez pas longtemps dans le pays que vous allez posséder de l’autre côté du Jourdain.
19 Oui, je vous préviens aujourd’hui, en prenant le ciel et la terre comme témoins : je mets devant vous la vie et la bénédiction, la mort et la malédiction. Choisissez donc la vie pour que vous viviez, vous et vos enfants.
20 Aimez le Seigneur votre Dieu en écoutant ce qu’il dit, en vous attachant à lui. Ainsi, vous pourrez vivre et passer de nombreuses années dans le pays que le Seigneur a promis de donner à vos ancêtres Abraham, Isaac et Jacob.
.
Epître
6 Kanefa milaza fahendrena amin’ny efa matotra izahay, tsy ny fahendren’izao tontolo izao na ny an’ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona;
7 fa milaza ny fahendren’Andriamanitra izahay ka maneho zavamiafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ny nahariana izao tontolo izao;
8 ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy dia tsy nohomboany tamin’ny hazofijaliana ny Tompon’ny voninahitra.
9 Fa araka ny voasoratra hoe: «Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina na niditra tao am-pon’ny olona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy» (Isa 64.3).
10 Isika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy no mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny zava-dalina izay ao amin’Andriamanitra aza.
1 Corinthiens 2 : 6 – 10 (PDV)
6 Pourtant, c’est bien une sagesse que nous enseignons aux chrétiens adultes dans la foi. Mais cette sagesse n’est pas la sagesse de ce monde. Ce n’est pas la sagesse des puissances mauvaises de ce monde, qui seront détruites.
7 Nous, nous enseignons la sagesse mystérieuse de Dieu qui était restée cachée. Mais avant que le monde existe, Dieu avait préparé cette sagesse pour nous donner de la gloire.
8 Aucune puissance mauvaise de ce monde n’a connu cette sagesse. Si ces puissances l’avaient connue, elles n’auraient pas fait clouer sur une croix le Seigneur plein de gloire.
9 En effet, les Livres Saints disent : « Il y a des choses que les yeux ne voient pas. Les oreilles ne les entendent pas, les êtres humains n’y ont jamais pensé. Eh bien, ces choses-là, Dieu les a préparées en faveur de ceux qui ont de l’amour pour lui. »
10 Et c’est à nous que Dieu les a fait connaître par l’Esprit Saint. En effet, l’Esprit Saint connaît tout, même les secrets les plus profonds de Dieu.
Evangile
Jesosy sy ny lalàna
17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga handrava Aho fa hanatanteraka.
18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoanan’ny lanitra sy ny tany dia tsy hisy ho foana akory ny amin’ny lalàna, na dia iota iray na tsipika kely iray aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra.
19 Ary amin’izany na zovy na zovy no mamaha ny iray amin’ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona hanao toy izany dia hatao hoe kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.
20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanoradalàna* sy ny Fariseo* ny fahamarinanareo dia tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo.
Heloka sy fampihavanana
21 Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: «Aza mamono olona» (Eks 20.13); ary izay mamono olona dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana.
22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hilaza amin’ny rahalahiny hoe: Tsy misy saina ianao, dia mendrika hohelohina eo amin’ny Sinedriona; ary na zovy na zovy no hiteny hoe: Adala Ialahy, dia mendrika ho ao amin’ny afobe.
23 Koa raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara ianao, ary eo ianao no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao,
24 dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao ka mandehana aloha mihavana amin’ilay rahalahinao, ary rehefa miverina ianao dia izay vao manolotra ny fanatitrao.
25 Mihavàna haingana amin’ilay manana ady aminao raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa dia hanolotra anao amin’ny mpiambina ka hatao ao an-tranomaizina ianao.
26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny kaodiranta farany indrindra.
Ny fijangajangana sy ireo fandrika ho an’ny finoana
27 Efa renareo fa voalaza hoe: «Aza mijangajanga.» (Eks 20.14)
28 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka mitsiriritra azy dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
29 Fa raha ny masonao havanana no mahatafintohina anao dia esory hiala izy ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na very aza ny ampahany iray amin’ny tenanao ka tsy ny tenanao manontolo no hariana any amin’ny afobe.
30 Ary raha ny tananao havanana no mahatafintohina anao dia tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na very aza ny ampahany iray amin’ny tenanao ka tsy ny tenanao manontolo no ho lasa ho any amin’ny afobe.
Ny fisaraham-panambadiana
31 Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny dia aoka izy hanome an-dRavehivavy taratasy fisaoram-bady (Deo 24.1).
32 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra dia mijangajanga.
Ny fianianana
33 Efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: «Aza manao fianianana mandainga, fa efao amin’NY TOMPO ny fianiananao» (Lev 19.12).
34 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory: Na amin’ny lanitra, fa sezafiandrianan’Andriama-nitra izany;
35 na amin’ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny Mpanjaka lehibe izy io.
36 Aza mianiana amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
37 Fa aoka ny teninareo ho Eny, rehefa eny; Tsia, rehefa tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay ratsy.
Jésus est venu donner tout son sens à la loi
17 « Ne pensez pas que je suis venu pour supprimer la loi de Moïse ou l’enseignement des prophètes. Je ne suis pas venu pour les supprimer, mais pour leur donner tout leur sens.
18 Je vous le dis, c’est la vérité : tant que le ciel et la terre dureront, on ne supprimera rien de la loi. On ne supprimera ni la plus petite lettre, ni le plus petit détail, et cela jusqu’à la fin du monde.
19 « Supposons ceci : quelqu’un désobéit à un seul commandement, le plus petit de la loi, et il apprend aux autres à désobéir aussi. Eh bien, cette personne-là sera la plus petite dans le Royaume des cieux. Mais si quelqu’un obéit à la loi et apprend aux autres à obéir aussi, cette personne-là sera importante dans le Royaume des cieux.
20 Oui, je vous le dis, obéissez à la loi mieux que les maîtres de la loi et que les Pharisiens. Sinon, vous n’entrerez pas dans le Royaume des cieux. »
Au sujet de la colère
21 « Vous avez appris qu’on a dit à vos ancêtres : “Tu ne dois tuer personne. Celui qui tue quelqu’un, on l’amènera devant le juge.”
22 Mais moi, je vous dis : Si quelqu’un se met en colère contre son frère ou sa sœur, on l’amènera devant le juge. Si quelqu’un dit à son frère ou à sa sœur : “Imbécile !”, on l’amènera devant le tribunal. Si quelqu’un insulte son frère ou sa sœur, cette personne mérite la terrible punition de Dieu.
23 « Donc supposons ceci : tu viens présenter ton offrande à Dieu sur l’autel. À ce moment-là, tu te souviens que ton frère ou ta sœur a quelque chose contre toi.
24 Alors, laisse ton offrande à cet endroit, devant l’autel. Et va d’abord faire la paix avec ton frère ou ta sœur. Ensuite, reviens et présente ton offrande à Dieu.
25 « Quand tu es encore sur la route du tribunal avec ton adversaire, mets-toi vite d’accord avec lui. Sinon, il va te livrer au juge, le juge va te livrer à la police, et on va te jeter en prison.
26 Je te le dis, c’est la vérité : tu ne sortiras pas de là si tu ne paies pas tout l’argent que tu dois ! »
Au sujet de l’adultère
27 « Vous avez appris qu’on a dit à nos ancêtres : “Ne commets pas d’adultère.”
28 Mais moi, je vous dis : celui qui regarde la femme d’un autre avec envie, celui-là, dans son cœur, a déjà couché avec cette femme.
29 Si ton œil droit te fait tomber dans le péché, arrache-le, et jette-le loin de toi. Pour toi, il vaut mieux perdre une seule partie de ton corps. C’est mieux que de garder ton corps tout entier et d’être jeté dans le lieu de souffrance.
30 Si ta main droite te fait tomber dans le péché, coupe-la, et jette-la loin de toi. Pour toi, il vaut mieux perdre une seule partie de ton corps. C’est mieux que de garder ton corps tout entier et d’aller dans le lieu de souffrance. »
Au sujet du renvoi des femmes
31 « On a dit aussi : “Celui qui renvoie sa femme doit lui remettre une lettre de divorce.”
32 Mais moi, je vous dis : un homme ne doit pas renvoyer sa femme, sauf quand le mariage est contraire à la loi. En effet, quand un homme renvoie sa femme, il la pousse à commettre un adultère, parce qu’elle va se remarier. Et quand un homme se marie avec une femme renvoyée, il commet un adultère. »
Au sujet des serments
33 « Vous avez appris aussi qu’on a dit à vos ancêtres : “Tu ne dois pas être infidèle à tes serments. Mais tu dois faire tout ce que tu as juré devant le Seigneur.”
34 Mais moi, je vous dis : ne faites pas du tout de serments. Ne jurez pas par le ciel, parce que c’est là que Dieu habite.
35 Ne jurez pas par la terre, parce que c’est l’endroit où il pose ses pieds. Ne jurez pas par Jérusalem, parce que c’est la ville du Grand Roi.
36 Et ne jure pas par ta tête, parce que tu ne peux pas rendre un seul cheveu de ta tête blanc ou noir.
37 Dites simplement “oui” ou “non”. Ce qu’on dit en plus vient de l’esprit du mal. »
