Péricope du Dimanche 15 Novembre 2026

Table des matières

Ancien Testament

Ohabolana 31 : 10 – 31 (MRV)

Ny vehivavy mahafatra-po
10 Iza no mahita vehivavy mahafatra-po ? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.
11 Matoky azy ny fon’ny lahy ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.
12 Soa no ataon-dRavehivavy aminy fa tsy ratsy, amin’ny andro rehetra iainany.
13 Mizaha volon’ondry sy kofehy rongony izy ary mazoto miasa amin’ny tanany.
14 Toy ny sambon’ny mpivaro-mandeha izy ka avy lavitra no itondrany ny haniny.
15 Mifoha izy raha mbola alina ka manome hanina ho an’ny ankohonany ary manome anjara ho an’ny mpanompovaviny.
16 Mihevitra saha izy ka mahazo azy ; ny vokatry ny tanany no anaovany tanim-boaloboka.
17 Misikina hery izy ary hatanjahiny ny sandriny.
18 Hitany fa tsara ny tombom-barony ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
19 Mandray ny hazo fihazonam-bohavoha izy ary ny tanany dia mihazona ny ampela.
20 Manatsotra ny tanany amin’ny ory izy, eny, mamelatra ny tanany amin’ny mahantra.
21 Tsy manahy ny orampanala ho amin’ny ankohonany izy fa ny ankohonany rehetra dia samy voatafy volon’ondry jaky avokoa.
22 Manao firakotra ho azy izy ; ny fitafiany dia vita amin’ny lamba rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
23 Ny lahy dia hajaina eo amin’ny vavahady rehefa miara-mipetraka amin’ny loholona.
24 Manamboatra akanjo hariry madinika Ravehivavy ka mivarotra izany ary fehikibo no amidiny amin’ny mpivaro-mandeha.
25 Hery sy voninahitra no fitafiny ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
26 Miteny amin’ny fahendrena izy ary fampianarana feno hatsaram-panahy no eo am-bavany.
27 Mitandrina tsara ny ataon’ny ankohonany izy ary tsy homana ny mofon’ny fahalainana.
28 Ny zanany mitsangana ka midera azy ho sambatra ; ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe :
29 Maro ny zazavavy nanao soa, fa manoatra noho izy rehetra ianao.
30 Fitaka ny hatsaram-bika ary zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra NY TOMPO ihany no hoderaina.
31 Omeo azy ny avy amin’ny vokatry ny tanany ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady !

Une femme de valeur
10 Qui trouvera une femme de valeur ? Elle vaut bien plus que des perles.
11 Le cœur de son mari a confiance en elle, et c’est tout bénéfice pour lui.
12 Elle lui fait du bien, et non du mal, tous les jours de sa vie.
13 Elle se procure de la laine et du lin et travaille d’une main joyeuse.
14 Pareille à un navire marchand, elle rapporte ses provisions de loin.
15 Elle se lève alors qu’il fait encore nuit, et elle donne la nourriture à sa famille et ses ordres à ses servantes.
16 Elle pense à un champ, et elle l’achète. Avec le fruit de son travail elle plante une vigne.
17 Avec la force en guise de ceinture, elle affermit ses bras.
18 Elle constate que ce qu’elle gagne est bon. Sa lampe ne s’éteint pas pendant la nuit :
19 elle file elle-même la laine, elle tisse elle-même les habits.
20 Elle ouvre ses bras au malheureux, elle tend la main au pauvre.
21 Elle ne redoute pas la neige pour sa famille, car chacun y est habillé de cramoisi.
22 Elle se fait des couvertures, elle a des habits en fin lin et en pourpre.
23 Son mari est reconnu aux portes de la ville, lorsqu’il siège avec les anciens du pays.
24 Elle fait des chemises et les vend, et elle livre des ceintures au marchand.
25 La force et l’honneur, voilà ce qui l’habille. Elle rit en pensant à l’avenir.
26 Elle ouvre la bouche avec sagesse et un enseignement plein de bonté est sur sa langue.
27 Elle veille à la bonne marche de sa maison, elle ne mange pas le pain de la paresse.
28 Ses fils se lèvent et la disent heureuse, son mari aussi, et il chante ses louanges:
29 «Bien des femmes font preuve de valeur, mais toi, tu leur es à toutes supérieure.»
30 La grâce est trompeuse et la beauté est illusoire ; c’est de la femme qui craint l’Eternel qu’on chantera les louanges.
31 Donnez-lui du fruit de son travail et qu’aux portes de la ville ses œuvres fassent son éloge !

.

Epître

1 Tesaloniana 5 : 1 – 6 (MRV)

Fiandrasana ny andron’ny Tompo
1 Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo
2 satria mahalala marimarina ianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.
3 Raha misy olona milaza hoe: Miadana sy mandry fehizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
4 Fa ianareo, ry rahalahy, dia tsy ao amin’ny maizina ka hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
5 Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ny alina na an’ny maizina isika.
6 Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika fa aoka hiambina ka hahonon-tena.

1 Thessaloniciens 5 : 1 – 6 (S21)

1 En ce qui concerne les temps et les moments, vous n’avez pas besoin, frères et sœurs, qu’on vous écrive à ce sujet.
2 En effet, vous savez bien vous-mêmes que le jour du Seigneur viendra comme un voleur dans la nuit.
3 Quand les hommes diront: «Paix et sécurité!» alors une ruine soudaine fondra sur eux, comme les douleurs sur la femme enceinte; ils n’y échapperont pas.
4 Mais vous, frères et sœurs, vous n’êtes pas dans les ténèbres pour que ce jour vous surprenne comme un voleur.
5 Vous êtes tous des enfants de la lumière et des enfants du jour. Nous ne sommes pas de la nuit ni des ténèbres.
6 Ne dormons donc pas comme les autres, mais veillons et soyons sobres.

Evangile

Matio 25 : 14 – 30 (MRV)

Fanoharana ny amin’ny talenta
14 Fa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny olona iray izay handeha ho any an-tany lavitra ka niantso ny mpanompony dia nanolotra azy ireo ny fananany :
15 Koa ny iray dia nomeny talenta dimy, ny iray dia talenta roa ary ny iray dia talenta iray, samy araka izay fahaiza-manaony avy; dia lasa nandeha izy.
16 Avy hatrany dia lasa ilay nandray ny talenta dimy ka nampiasa izany; ary nahazo tombony talenta dimy hafa izy.
17 Toy izany koa, ilay nandray ny talenta roa dia nahazo tombony roa.
18 Fa ilay nandray ny talenta iray kosa dia lasa nihady tany ka nanafina ny volan’ny tompony tao.
19 Nony ela dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo ary nampamoaka azy ireo ny amin’ny volany.
20 Nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy dia nitondra talenta dimy hafa koa ka niteny hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy hafa aho.
21 Hoy ny tompony taminy : Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin’ny kely ianao ka hotendreko ho mpanapaka ny be ; midira amin’ny fifalian’ny tomponao.
22 Nanatona koa ilay nandray ny talenta roa dia niteny hoe : Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa hafa aho.
23 Hoy ny tompony taminy : Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao ka hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao.
24 Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray dia nilaza hoe : Tompoko, fantatro fa olona mila voa tsy ary ianao ka mijinja eny amin’izay tsy namafazanao sady manangona eny amin’izay tsy nanelezanao ;
25 dia natahotra aho ka lasa nanafina ny talentanao tao anaty tany ; indro, lasanao ny anao.
26 Ary ny tompony dia namaly azy hoe : Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin’izay tsy namafazako aho ary manangona eny amin’izay tsy nanelezako ;
27 koa tokony ho nametraka ny volako tany amin’ny mpampisambo-bola ianao, koa rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy miaraka amin’ny zana-bola.
28 Koa alao eny aminy ny talenta dia omeo ilay manana ny talenta folo.
29 Fa izay rehetra manana dia homena ka hanam-be ; ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
30 Ary ario ho any amin’ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa ; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. Ny fitsarana farany

Parabole des serviteurs et des récompenses
14 »Ce sera en effet pareil au cas d’un homme qui, partant pour un voyage, appela ses serviteurs et leur remit ses biens.
15 Il donna cinq sacs d’argent à l’un, deux à l’autre et un au troisième, à chacun selon sa capacité, puis il partit aussitôt.
16 Celui qui avait reçu les cinq sacs d’argent s’en alla travailler avec eux et gagna cinq autres sacs d’argent.
17 De même, celui qui avait reçu les deux sacs d’argent en gagna deux autres.
18 Celui qui n’en avait reçu qu’un alla creuser un trou dans la terre et cacha l’argent de son maître.
19 Longtemps après, le maître de ces serviteurs revint et leur fit rendre des comptes.
20 Celui qui avait reçu les cinq sacs d’argent s’approcha, en apporta cinq autres et dit : ‘Seigneur, tu m’as remis cinq sacs d’argent. En voici cinq autres que j’ai gagnés.’
21 Son maître lui dit : ‘C’est bien, bon et fidèle serviteur; tu as été fidèle en peu de chose, je te confierai beaucoup. Viens partager la joie de ton maître.’
22 Celui qui avait reçu les deux sacs d’argent s’approcha aussi et dit : ‘Seigneur, tu m’as remis deux sacs d’argent. En voici deux autres que j’ai gagnés.’
23 Son maître lui dit : ‘C’est bien, bon et fidèle serviteur; tu as été fidèle en peu de chose, je te confierai beaucoup. Viens partager la joie de ton maître.’
24 Celui qui n’avait reçu qu’un sac d’argent s’approcha ensuite et dit : ‘Seigneur, je savais que tu es un homme dur : tu moissonnes où tu n’as pas semé et tu récoltes où tu n’as pas planté.
25 J’ai eu peur et je suis allé cacher ton sac d’argent dans la terre. Le voici, prends ce qui est à toi.’
26 Son maître lui répondit : ‘Serviteur mauvais et paresseux, tu savais que je moissonne où je n’ai pas semé et que je récolte où je n’ai pas planté.
27 Il te fallait donc remettre mon argent aux banquiers et à mon retour j’aurais retiré ce qui est à moi avec un intérêt.
28 Prenez-lui donc le sac d’argent et donnez-le à celui qui a les dix sacs d’argent.
29 En effet, on donnera à celui qui a et il sera dans l’abondance, mais à celui qui n’a pas on enlèvera même ce qu’il a.
30 Quant au serviteur inutile, jetez-le dans les ténèbres extérieures : c’est là qu’il y aura des pleurs et des grincements de dents.’

Retour en haut