Péricope du Dimanche 15 Septembre

Table des matières

Ancien Testament

 Isaia 50 : 5 – 9 (MRV)

5 Nanokatra ny sofiko NY TOMPO Andriamanitra ary tsy nanohitra na nihemotra Aho.
6 Natolotro ho amin’ny mpikapoka ny lamosiko ary ny takolako ho amin’izay manongotra ny volombavako. Tsy nafeniko tamin’ny henatra sy ny rora ny tavako.
7 Nefa NY TOMPO Andriamanitra no namonjy Ahy ka tsy resin-kenatra Aho; efa nohamafisiko ho tahaka ny vatoafo ny tavako ka fantatro fa tsy hitsanga-menatra Aho.
8 Efa akaiky izay manamarina Ahy: Iza no hiady Amiko? Andeha hiara-mitsangana isika! Iza no manana ady Amiko? Aoka izy ho avy eto Amiko.
9 Indro NY TOMPO Andriamanitra no hamonjy ahy, koa iza no hanameloka ahy? Indro izy rehetra dia ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin’ny kalalao izy.

5 Le Seigneur, l’Eternel, m’a ouvert l’oreille, et moi, je ne me suis pas rebellé, je n’ai pas reculé.
6 J’ai présenté mon dos à ceux qui me frappaient et mes joues à ceux qui m’arrachaient la barbe, je n’ai pas caché mon visage aux insultes et aux crachats.
7 Cependant, le Seigneur, l’Eternel, est venu à mon aide. Voilà pourquoi je ne me suis pas laissé atteindre par les insultes, voilà pourquoi j’ai rendu mon visage dur comme une pierre, et je sais que je ne serai pas couvert de honte.
8 Celui qui me déclare juste est proche: qui veut m’accuser? Comparaissons ensemble! Qui s’oppose à mon droit? Qu’il s’avance vers moi!
9 C’est le Seigneur, l’Eternel, qui viendra à mon aide: qui me condamnera? Ils tomberont tous en lambeaux comme un habit, dévorés par la teigne.

.

Epître

 Jakoba 2 : 14 – 18 (MRV)

Foana ny finoana tsy misy asa
14 Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?
15 Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isanandro
16 ka misy aminareo miteny aminy hoe: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa! Kanefa tsy omenareo azy akory izay ilain’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany?
17 Toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa dia maty mihitsy.
18 Fa angamba hisy hiteny hoe: Ianao dia manam-pinoana, ary izaho dia manana asa. Asehoy amiko tsy amin’ny asa ary ny finoanao, ary izaho kosa dia haneho aminao ny finoako amin’ny asako.

14 Mes frères et sœurs, que sert-il à quelqu’un de dire qu’il a la foi, s’il n’a pas les œuvres? Cette foi peut-elle le sauver?
15 Si un frère ou une sœur sont nus et manquent de la nourriture de chaque jour,
16 et que l’un de vous leur dise: «Partez en paix, mettez-vous au chaud et rassasiez-vous» sans pourvoir à leurs besoins physiques, à quoi cela sert-il?
17 Il en va de même pour la foi: si elle ne produit pas d’œuvres, elle est morte en elle-même.
18 Mais quelqu’un dira: «Toi, tu as la foi, et moi, j’ai les œuvres.» Montre-moi ta foi sans les œuvres, et moi, c’est par mes œuvres que je te montrerai ma foi.

Evangile

 Marka 8 : 27 – 35 (MRV)

Ny naneken’i Petera fa Jesosy no Kristy
27 Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin’ireo tanàna kely miankina amin’i Kaisarian’i Filipo. Nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy hoe: Lazain’ny olona ho iza moa Aho?
28 Ary hoy ireo taminy: I Jaona Mpanao batisa; ary hoy ny sasany hoe: I Elia; hoy koa ny sasany hoe: Iray amin’ireo mpaminany.
29 Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa dia milaza Ahy ho iza? Dia namaly i Petera ka niteny taminy hoe: Ianao no Kristy.
30 Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hiteny ny momba Azy na amin’iza na amin’iza.
Ambaran’i Jesosy ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin’ny maty – Mat 16.21-23; Lio 9.22
31 Ary nanomboka nampianatra azy ireo Izy fa tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona ary holavin’ireo loholona sy ireo lehiben’ny mpisorona ary ireo mpanoradalàna ka hovonoiny, kanefa rehefa afaka hateloana dia hitsangana indray Izy.
32 Ary nambarany mazava tsara izany teny izany. Ary nitondra Azy nihataka kely i Petera dia nanomboka niteny mafy Azy.
33 Fa Izy nitodika dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an’i Petera hoe: Mandehana any aorianako, ry Satana! Satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao fa izay an’ny olona.
Ny fomba fanarahana an’i JesosyMat 16.24-28; Lio 9.23-27
34 Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta hanaraka Ahy dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.
35 Fa na iza na iza no ta hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko sy ny Filazantsara dia hahavonjy azy.

27 Jésus s’en alla avec ses disciples dans les villages voisins de Césarée de Philippe. Il leur posa en chemin cette question: «Qui suis-je, d’après les hommes?»
28 Ils répondirent: «Jean-Baptiste; d’après certains, Elie; d’après d’autres, l’un des prophètes.»
29 «Et d’après vous, qui suis-je?» leur demanda-t-il. Pierre lui répondit: «Tu es le Messie.»
30 Jésus leur recommanda sévèrement de n’en parler à personne.
31 Alors il commença à leur enseigner qu’il fallait que le Fils de l’homme souffre beaucoup, qu’il soit rejeté par les anciens, par les chefs des prêtres et par les spécialistes de la loi, qu’il soit mis à mort et qu’il ressuscite trois jours après.
32 Il leur disait cela ouvertement. Alors Pierre le prit à part et se mit à le reprendre,
33 mais Jésus se retourna, regarda ses disciples et réprimanda Pierre en disant: «Arrière, Satan, car tes pensées ne sont pas les pensées de Dieu, mais celles des hommes.»
34 Puis il appela la foule avec ses disciples et il leur dit: «Si quelqu’un veut être mon disciple, qu’il renonce à lui-même, qu’il se charge de sa croix et qu’il me suive!
35 En effet, celui qui voudra sauver sa vie la perdra, mais celui qui la perdra à cause de moi et de la bonne nouvelle la sauvera.

Retour en haut