Péricope du Dimanche 16 Juin

Table des matières

Ancien Testament

Ezekiela 17 : 22 – 24 (MRV)

22 Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izaho haka amin’ny rantsana avo indrindra amin’ny sedera avo ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron’ny laingony milenodenoka ka hamboleko ao amin’ny tendrombohitra avo sy milangalanga.
23 Ao amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely no hamboleko azy; handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samihafa rehetra dia hitoetra ao aminy; ao amin’ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.
24 Dia ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho TOMPO no nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva, ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho TOMPO no niteny sady nanao izany.

22 Voici ce que dit le Seigneur, l’Eternel: « J’enlèverai moi-même une pousse de la cime du cèdre majestueux et je la déplacerai. J’arracherai du sommet de ses jeunes branches une pousse délicate et je la planterai sur une montagne particulièrement haute.
23 Je la planterai sur une haute montagne d’Israël. Elle portera des branches et produira des fruits, elle deviendra un cèdre magnifique. Toutes sortes d’oiseaux y feront leur nid, tout ce qui a des ailes s’abritera dans ses branches.
24 Tous les arbres des champs reconnaîtront alors que c’est moi, l’Eternel, qui ai abaissé l’arbre qui s’élevait et élevé l’arbre qui était abaissé, qui ai desséché l’arbre vert et fait verdir l’arbre sec. Moi, l’Eternel, j’ai parlé, et j’agirai.»

.

Epître

2 Korintiana 5 : 6 – 10 (MRV)

6 Koa matoky mandrakariva isika, sady fantatsika fa raha mitoetra ao amin’ny tena isika dia mitoetra ivelany ary lavitra ny Tompo,
7 fa finoana no andehanantsika fa tsy fahitana;
8 eny, matoky isika ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin’ny tena fa ny hitoetra ao amin’ny Tompo.
9 Koa dia ataontsika ho voninahitra ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra ao amin’ny tena isika na ivelan’ny tena.
10 Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisan’ny olona rehetra ny valin’izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.

6 Nous sommes donc toujours pleins de confiance et nous savons que, tant que nous habitons dans ce corps, nous sommes loin de notre patrie, loin du Seigneur,
7 car nous marchons par la foi et non par la vue.
8 Oui, nous sommes pleins de confiance et nous aimerions mieux quitter ce corps pour aller vivre auprès du Seigneur.
9 C’est aussi pour cela que nous nous efforçons de lui être agréables, soit que nous vivions dans ce corps, soit que nous le quittions.
10 En effet, il nous faudra tous comparaître devant le tribunal de Christ afin que chacun reçoive le salaire de ce qu’il aura fait, bien ou mal, alors qu’il était dans son corps.

Evangile

Marka 4 : 26 – 34 (MRV)

26 Ary hoy koa Izy: Toy izao ny fanjakan’Andriamanitra: Tahaka ny lehilahy mamafy voa amin’ny tany
27 ka na matory izy na mahatsiaro, na alina na andro, ny voa dia mitsimoka ka mitombo ihany, nefa tsy fantany ny faniriny.
28 Fa ny tany dia manome vokatra ho azy: Voalohany dia misy tahony, avy eo salohiny, ary farany dia salohy feno vary.
29 Ary rehefa masaka eny an-tsaha izy dia atao miaraka amin’izay ny fijinjana fa efa tonga ny fararano.
Fanoharana ny amin’ny voantsinapy
30 Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?
31 Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voan-javatra rehetra raha vao afafy amin’ny tany;
32 fa rehefa voafafy kosa izy dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voromanidina anorenana ny akaniny sy ialokalofany.
Ny fampianarana amin’ny alalan’ny fanoharana
33 Ary fanoharana maro toy izany no nanambaràny ny teny tamin’izy ireo, araka izay azony nohenoina.
34 Tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa tamin’ny mangingina no nilazany tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.

La semence et la graine de moutarde
26 Il dit encore: «Voici à quoi ressemble le royaume de Dieu. Il est semblable à un homme qui jette de la semence en terre;
27 qu’il dorme ou qu’il reste éveillé, nuit et jour la semence germe et pousse sans qu’il sache comment.
28 [En effet,] d’elle-même la terre produit d’abord l’herbe, puis l’épi, enfin le grain tout formé dans l’épi,
29 et, dès que le fruit est mûr, on y met la faucille, car c’est le moment de la moisson.»
30 Il dit encore: «A quoi comparerons-nous le royaume de Dieu ou par quelle parabole le représenterons-nous?
31 Il est comme une graine de moutarde: lorsqu’on la sème en terre, c’est la plus petite de toutes les semences qui sont sur la terre.
32 Mais lorsqu’elle a été semée, elle monte, devient plus grande que tous les légumes et développe de grandes branches, de sorte que les oiseaux du ciel peuvent habiter sous son ombre.»
33 C’est par beaucoup de paraboles de ce genre qu’il leur annonçait la parole, dans la mesure où ils étaient capables de l’entendre.
34 Il ne leur parlait pas sans parabole, mais en privé il expliquait tout à ses disciples.

Retour en haut