Péricope du Dimanche 17 Novembre

Table des matières

Ancien Testament

Daniela 12 : 1 – 3 (MRV)

1 Amin’izany andro izany dia hitsangana i Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany; ary amin’izay dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky.
2 Ary maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha: Ny sasany dia ho amin’ny fiainana mandrakizay, fa ny sasany kosa dia ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay.
3 Izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

1 A cette époque-là se dressera Michel, le grand chef, celui qui veille sur les enfants de ton peuple. Ce sera une période de détresse telle qu’il n’y en aura pas eu de pareille depuis qu’une nation existe jusqu’à cette époque-là. A ce moment-là, ceux de ton peuple qu’on trouvera inscrits dans le livre seront sauvés.
2 Beaucoup de ceux qui dorment dans la poussière de la terre se réveilleront, les uns pour la vie éternelle, les autres pour la honte, pour l’horreur éternelle.
3 Ceux qui auront été perspicaces brilleront comme la splendeur du ciel, et ceux qui auront enseigné la justice à beaucoup brilleront comme les étoiles, pour toujours et à perpétuité.

.

Epître

Hebreo 10.11 – 14 ; 18 (MRV)

11 Ny mpisorona rehetra dia mitsangana isanandro manao fanompoam-pivavahana sy manolotra ireny fanatitra ireny ihany matetika, saingy tsy mahaisotra ny ota ireny;
12 fa Izy kosa, rehefa avy nanolotra fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
13 Koa hatramin’izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
14 Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.
18 Ary rehefa misy famelana ireo dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.

Hébreux 10.11 – 14 ; 18 (S21)

11 Tout prêtre se tient chaque jour debout pour faire le service et offrir fréquemment les mêmes sacrifices, qui ne peuvent jamais enlever les péchés,
12 tandis que Christ, après avoir offert un seul sacrifice pour les péchés, s’est assis pour toujours à la droite de Dieu.
13 Il attend désormais que ses ennemis soient réduits à lui servir de marchepied. 14En effet, par une seule offrande il a conduit à la perfection pour toujours ceux qu’il rend saints.
18 Or là où il y a pardon des péchés, il n’y a plus à présenter d’offrande pour le péché.

Evangile

Marka 13 : 24 – 32 (MRV)

24 Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany, dia ho tonga maizina ny masoandro ary tsy hanome ny fahazavany ny volana,
25 hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintana ary hohozongozonina ireo hery izay eny amin’ny lanitra.
26 Ary amin’izay dia ho hita ny Zanak’Olona, avy eny amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra.
27 Amin’izay dia haniraka ireo anjely Izy ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.
28 Mianara ny fanoharana ny amin’ny aviavy: Raha vao mitsiry ny rantsany ka mandravina izy dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
29 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky, efa eo am-baravarana Izy.
30 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho tapitra ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany.
31 Ny lanitra sy ny tany dia ho levona fa ny teniko dia tsy mba ho levona. Andriamanitra irery ihany no mahafantatra ny andro sy ny ora
32 Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahafantatra, na ny anjely any an-danitra, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.

24 Mais ces jours-là, après ce temps de détresse, le soleil s’obscurcira, la lune ne donnera plus sa lumière,
25 les étoiles tomberont du ciel et les puissances célestes seront ébranlées.
26 Alors on verra le Fils de l’homme venir sur les nuées avec beaucoup de puissance et de gloire.
27 Il enverra ses anges et rassemblera ceux qu’il a choisis des quatre coins du monde, de l’extrémité de la terre jusqu’à l’extrémité du ciel.
28 Tirez instruction de la parabole du figuier: dès que ses branches deviennent tendres et que les feuilles poussent, vous savez que l’été est proche.
29 De même, quand vous verrez ces choses arriver, sachez que le Fils de l’homme est proche, qu’il est à la porte.
30 Je vous le dis en vérité, cette génération ne passera pas avant que tout cela n’arrive.
31 Le ciel et la terre disparaîtront, mais mes paroles ne disparaîtront pas.
32 Quant au jour et à l’heure, personne ne les connaît, pas même les anges dans le ciel ni le Fils: le Père seul les connaît.

Retour en haut