
Ancien Testament
1 Izao no lazain’NY TOMPO amin’ny Voahosony, dia i Kirosy izay notantanako tamin’ny tanany havanana mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehikibon’ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany ka tsy hirindrina intsony ny vavahady:
4 Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko sy Israely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao.
5 Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; efa nampisikina anao Aho, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao,
6 mba hahafantarana hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho : Izaho no TOMPO ary tsy misy hafa,
1 Le Seigneur dit à Cyrus, le roi qu’il a consacré : « Je t’ai pris par la main pour mettre les peuples sous ton pouvoir. Je veux enlever leur pouvoir aux rois, et ouvrir devant toi les portes fermées des villes.
4 À cause d’Israël, mon peuple, le serviteur que j’ai choisi, je t’ai appelé par ton nom. Je te fais cet honneur, et pourtant, tu ne me connais pas.
5 Le Seigneur, c’est moi, et il n’y en a pas d’autre. Il n’y a pas de Dieu en dehors de moi. Tu ne me connais pas, mais je te donne la force d’agir.
6 Ainsi, de l’est à l’ouest, tout le monde le saura : il n’y a rien en dehors de moi. Le Seigneur, c’est moi, il n’y en a pas d’autre.
.
Epître
1 Tesaloniana 1 : 1 – 5 (MRV)https://www.bible.com/bible/1219/1TH.1.MRV
1 I Paoly sy i Silasy ary i Timoty no mamangy ny fiangonan’ny Tesaloniana, izay ao amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana !
2 Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ny fivavahanay
3 sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ny fitiavana ary ny faharetanareo amin’ny fanantenana an’i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason’Andriamanitra Raintsika.
4 Fantatray, ry rahalahy malalan’Andriamanitra, ny fifidianana anareo,
5 fa tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany ny Filazantsara torinay fa tamin’ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be. Efa fantatrareo rahateo ny fitondrantenanay teo aminareo mikasika anareo.
1 Thessaloniciens 1 : 1 – 5 (PDV)
1 Moi, Paul, avec Silas et Timothée, j’écris à l’Église de Thessalonique qui appartient à Dieu le Père et au Seigneur Jésus-Christ. Que Dieu vous bénisse et vous donne la paix !
2 Sans cesse, nous remercions Dieu pour vous tous et nous disons vos noms dans nos prières.
3 Devant Dieu notre Père, nous nous souvenons toujours de vous. Oui, votre foi est active, votre amour vous fait agir, et votre espérance en notre Seigneur Jésus-Christ est solide.
4 Frères et sœurs chrétiens, nous le savons, Dieu vous aime et il vous a choisis pour être à lui.
5 En effet, la Bonne Nouvelle que nous vous avons annoncée n’est pas arrivée chez vous seulement en paroles, mais aussi avec la puissance et l’aide de l’Esprit Saint. De plus, nous étions sûrs de ce que nous disions. En effet, vous savez comment nous avons vécu parmi vous pour votre bien.
Evangile
Ny hetra ho an’i Kaisara
15 Ary tamin’izay dia lasa ny Fariseo ka nikaon-doha mba hamandrika Azy amin’ny teniny.
16 Koa naniraka ny mpianany mbamin’ny Herodiana hankeo aminy izy ireo ka niteny hoe : Mpampianatra ô, fantatray fa marina Ianao ka mampianatra marina ny lalànan’Andriamanitra ary tsy miahiahy olona satria tsy mba mizaha tavan’olona Ianao.
17 Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’i Kaisara sa tsia ?
18 Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany ka hoy Izy: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy ?
19 Asehoy Ahy ny vola fandoa amin’ny hetra. Dia nitondrany denaria iray Izy.
20 Dia hoy Jesosy taminy: An’iza ity sary sy soratra ity ?
21 Hoy ireo Taminy : An’i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy : Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.
Est-il permis de payer l’impôt à l’empereur ?
15 Alors les Pharisiens se réunissent. Ils cherchent comment prendre Jésus au piège en le faisant parler.
16 Ils envoient vers Jésus quelques-uns de leurs disciples avec des gens du parti d’Hérode. Ces gens-là disent à Jésus : « Maître, nous le savons, tu dis la vérité. Tu enseignes en toute vérité ce que Dieu nous demande de faire. Tu n’as peur de personne, parce que tu ne regardes pas l’importance des gens.
17 Dis-nous donc ce que tu penses : est-il permis ou non de payer l’impôt à l’empereur romain ? »
18 Mais Jésus connaît leur méchanceté et il leur dit : « Hommes faux ! Pourquoi est-ce que vous me tendez un piège ?
19 Montrez-moi l’argent qui sert à payer l’impôt ! » Ils lui apportent une pièce d’argent.
20 Jésus leur dit : « Sur cette pièce, il y a l’image et le nom de quelqu’un. De qui donc ? »
21 Ils lui répondent : « De l’empereur. » Alors Jésus leur dit : « Eh bien, rendez à l’empereur ce qui est à l’empereur. Et rendez à Dieu ce qui est à Dieu. »
