
Ancien Testament
6 Izao no lazain’NY TOMPO, Mpanjakan’ny Israely, Mpanavotra azy, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao : Izaho no voalohany ary Izaho no farany, koa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
7 Ary iza moa no tahaka Ahy? Aoka izy hiteny mafy ! Aoka izy hanambara sy handahatra Amiko izay niseho hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola ! Ary aoka hambarany koa izay zavatra ho avy sy mbola ho tonga.
8 Aza matahotra na mangovitra ianareo; tsy efa nampandre anareo hatramin’ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo ? Eny, ianareo no vavolombeloko. Moa misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va ? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy mahafantatra Aho.
6 Voici ce que dit le Seigneur, le roi et le libérateur d’Israël, le Seigneur de l’univers : « Je suis au commencement et à la fin de tout. En dehors de moi, il n’y a pas de Dieu.
7 Qui est égal à moi ? Qu’il le crie, qu’il l’annonce et me l’explique ! Qu’il dise les choses qui sont arrivées depuis que j’ai formé le premier peuple, qu’il annonce ce qui va se passer !
8 « Vous, mon peuple, n’ayez pas peur, ne tremblez pas. Je vous ai annoncé cela longtemps à l’avance, je vous l’ai fait connaître. Vous êtes mes témoins. Est-ce qu’il y a un Dieu en dehors de moi ? Non, je suis votre solide rocher, je n’en connais pas d’autre. »
.
Epître
26 Toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika, satria tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika. Fa ny Fanahy no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay tononina.
27 Ary Ilay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina.
26 De plus, l’Esprit Saint aussi vient nous aider, nous qui sommes faibles. Nous ne savons pas prier comme il faut. Alors l’Esprit Saint lui-même prie pour nous, avec des gémissements que la bouche ne peut pas redire.
27 Mais Dieu voit le fond des cœurs, il sait ce que l’Esprit veut demander. Oui, l’Esprit Saint prie comme Dieu le veut pour ceux qui lui appartiennent.
Evangile
Fanoharana ny amin’ny tsimparifary
24 Ary niteny fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy iray izay namafy voa tsara teny an-tanimbariny;
25 nefa raha natory ny olona dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin’ny vary ary lasa nandeha.
26 Rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niseho koa ny tsimparifary.
27 Dia avy ireo mpanompon-dRalehilahy ka niteny taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao ? Koa avy taiza kosa ny tsimparifary ? Dia hoy izy taminy :
28 Fahavalo no nahavita izany. Ary hoy ireo mpanompony taminy: Koa tianao va ny handehananay hanongotra azy ?
29 Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.
30 Avelao ihany hiara-maniry izy roa ambara-piavin’ny fararano; ary amin’ny fararano dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe : Angony aloha ny tsimparifary ka afatory ho amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.
Fanoharana ny amin’ny voantsinapy
31 Ary nilaza fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny voantsinapy izay nalain’olona ka nafafiny tany an-tsahany;
32 fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voromanidina ka manorina akany eo amin’ny rantsany.
Fanoharana ny amin’ny masirasira
33 Mbola nilaza fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain’ny vehivavy iray ka naharony tamin’ny koba intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny masirasira azy rehetra.
Fampianarana amin’ny alalan’ny fanoharana
34 Fanoharana no nilazan’i Jesosy izany zavatra rehetra izany tamin’ny vahoaka ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin’ny fanoharana
35 mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: «Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho» (Sal 78.2).
Manazava ny fanoharana ny amin’ny tsimparifary Jesosy
36 Rehefa avy nampody ny vahoaka Jesosy dia niditra tao an-trano ary nanatona Azy ny mpianany dia niteny hoe: mba lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny tsimparifary tany an-tanimbary.
37 Ary Izy namaly hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’Olona;
38 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ireo zanaky ny fanjakan’ny lanitra; ny tsimparifary dia ireo zanak’ilay ratsy;
39 ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan’izao tontolo izao ary ny mpijinja dia ny anjely.
40 Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin’ny afo dia toy izany no hatao amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.
41 Ny Zanak’Olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka,
42 dia hanipy azy any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
43 Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.
La mauvaise herbe
24 Jésus utilise pour eux une autre comparaison : « Le Royaume des cieux ressemble à ceci : Un homme a semé du bon grain dans son champ.
25 Une nuit, pendant que tout le monde dort, son ennemi arrive. Il sème de la mauvaise herbe au milieu du bon grain et il s’en va.
26 Les plantes poussent, elles produisent les épis, et la mauvaise herbe paraît aussi.
27 Les serviteurs vont dire au propriétaire : “Maître, tu as semé du bon grain dans ton champ, n’est-ce pas ? D’où vient donc cette mauvaise herbe ?”
28 Il leur répond : “C’est un ennemi qui a fait cela.” Les serviteurs lui disent : “Est-ce que tu veux que nous allions enlever la mauvaise herbe ?”
29 Le propriétaire leur dit : “Non ! En enlevant la mauvaise herbe, vous risquez d’arracher aussi les épis.
30 Laissez tout pousser ensemble jusqu’à la récolte. Et, au moment de la récolte, je dirai aux ouvriers : Enlevez d’abord la mauvaise herbe, faites des tas pour la brûler. Ensuite, ramassez les épis et mettez la récolte dans mon grenier.” »
La graine de moutarde
31 Jésus utilise pour eux une autre comparaison : « Le Royaume des cieux ressemble à ceci : Un homme a pris une graine de moutarde pour la semer dans son champ.
32 C’est la plus petite de toutes les graines, mais quand elle a poussé, c’est la plus grande des plantes. Elle devient un arbre, et les oiseaux viennent faire leurs nids dans ses branches. »
La levure
33 Jésus utilise pour eux une autre comparaison : « Le Royaume des cieux ressemble à ceci : Une femme prend de la levure et la mélange à 25 kilos de farine. Et toute la pâte lève ! »
Jésus utilise des comparaisons pour annoncer des choses cachées
34 Tout cela, Jésus le dit aux foules avec des comparaisons. Il leur parle toujours avec des comparaisons,
35 pour réaliser ce que le prophète a annoncé : « Je leur parlerai avec des comparaisons. J’annoncerai des choses cachées depuis la création du monde. »
Jésus explique l’histoire de la mauvaise herbe
36 Alors Jésus laisse les foules et il s’en va à la maison. Ses disciples s’approchent de lui et lui demandent : « Explique-nous l’histoire de la mauvaise herbe dans le champ. »
37 Jésus leur répond : « Celui qui sème le bon grain, c’est le Fils de l’homme.
38 Le champ, c’est le monde. Le bon grain, ce sont les gens qui appartiennent au Royaume. La mauvaise herbe, ce sont les gens qui appartiennent à l’esprit du mal.
39 L’ennemi qui a semé la mauvaise herbe, c’est l’esprit du mal. La récolte, c’est la fin du monde, et les ouvriers, ce sont les anges.
40 On a ramassé la mauvaise herbe pour la brûler dans le feu. Eh bien, la même chose arrivera à la fin du monde.
41 Le Fils de l’homme enverra ses anges. Ils enlèveront de son Royaume tous ceux qui font tomber les autres dans le péché et tous ceux qui font le mal.
42 Ils les jetteront dans le grand feu. Là, ces gens pleureront et ils grinceront des dents.
43 Mais ceux qui sont fidèles à Dieu brilleront comme le soleil dans le Royaume de leur Père. Celui qui a des oreilles, qu’il écoute ! »
