Péricope du Dimanche 19 Mai – Pentecôte

Table des matières

Actes des Apôtres

Asan’ny Apostoly 2 : 1 – 11 (MRV)

Ny nirotsahan’ny Fanahy Masina
1 Nony tonga ny andro Pentekosta, dia teo amin’ny toerana iray izy rehetra.
2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery mifofofofo ka nanenika ilay trano niangonany.
3 Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara, ary nipetraka tamin’izy rehetra isan’olona.
4 Dia samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.
5 Nisy Jiosy nonina tany Jerosalema; olona mpivavaka tsara avy tany amin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra izy ireo.
6 Rehefa niely izany feo izany dia olona maro no vory sady very hevitra, satria samy nahare azy ireo niteny tamin’ny fiteniny avy izy rehetra.
7 Dia talanjona sady gaga izy ireo ka niteny hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo?
8 Koa ahoana no andrenesantsika azy amin’ny fitenintsika avy izay nahabe antsika,
9 isika izay Partiana, Mediana, Elamita, mponina any Mezopotamia, Jodia, Kapadokia, Ponto, Azia,
10 Frigia, Pamfilia, Ejipta sy ny faritr’i Libia izay manodidina an’i Kirena, ary vahiny avy any Roma,
11 Jiosy sy prozelita, Kretana, Arabo, koa ahoana no andrenesantsika azy ireo miteny amin’ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’Andriamanitra?

Venue de l’Esprit à la Pentecôte
1 Quand le jour de la Pentecôte arriva, ils étaient tous ensemble au même endroit.
2 Tout à coup il vint du ciel un bruit comme celui d’un vent violent, qui remplit toute la maison où ils étaient assis.
3 Des langues qui semblaient de feu leur apparurent, séparées les unes des autres, et elles se posèrent sur chacun d’eux.
4 Ils furent tous remplis du Saint-Esprit et se mirent à parler en d’autres langues, comme l’Esprit leur donnait de s’exprimer.
5 Or il y avait en séjour à Jérusalem des Juifs, hommes pieux venus de toutes les nations qui sont sous le ciel.
6 A ce bruit, ils accoururent en foule, et ils furent stupéfaits parce que chacun les entendait parler dans sa propre langue.
7 Ils étaient [tous] remplis d’étonnement et d’admiration et ils se disaient [les uns aux autres]: «Ces gens qui parlent ne sont-ils pas tous galiléens?
8 Comment se fait-il donc que nous les entendions chacun dans notre propre langue, notre langue maternelle? 9 Parthes, Mèdes, Elamites, habitants de la Mésopotamie, de la Judée, de la Cappadoce, du Pont, de l’Asie,
10 de la Phrygie, de la Pamphylie, de l’Egypte, du territoire de la Libye voisine de Cyrène et résidents venus de Rome, Juifs de naissance ou par conversion,
11 Crétois et Arabes, nous les entendons parler dans notre langue des merveilles de Dieu!»

.

Epître

Galatiana 5 : 16 – 25 (MRV)

16 Hoy kosa aho: Mandehana araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.
17 Manana filana manohitra ny Fanahy mantsy ny nofo, ary manohitra ny nofo ny Fanahy. Mifanohitra izy ireo mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo hatao.
18 Raha tarihin’ny Fanahy ianareo dia tsy mba ambanin’ny lalàna.
19 Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
20 fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana,
21 fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
22 Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana,
23 fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.
24 Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany teo amin’ny hazofijaliana.
25 Raha velona amin’ny Fanahy isika dia aoka handeha araka ny Fanahy.

16 Voici donc ce que je dis: marchez par l’Esprit et vous n’accomplirez pas les désirs de votre nature propre.
17 En effet, la nature humaine a des désirs contraires à ceux de l’Esprit, et l’Esprit a des désirs contraires à ceux de la nature humaine. Ils sont opposés entre eux, de sorte que vous ne pouvez pas faire ce que vous voudriez. 18 Cependant, si vous êtes conduits par l’Esprit, vous n’êtes pas sous la loi.
19 Les œuvres de la nature humaine sont évidentes: ce sont [l’adultère,] l’immoralité sexuelle, l’impureté, la débauche,
20 l’idolâtrie, la magie, les haines, les querelles, les jalousies, les colères, les rivalités, les divisions, les sectes, 21 l’envie, [les meurtres,] l’ivrognerie, les excès de table et les choses semblables. Je vous préviens, comme je l’ai déjà fait: ceux qui ont un tel comportement n’hériteront pas du royaume de Dieu.
22 Mais le fruit de l’Esprit, c’est l’amour, la joie, la paix, la patience, la bonté, la bienveillance, la foi, la douceur, la maîtrise de soi.
23 Contre de telles attitudes, il n’y a pas de loi.
24 Ceux qui appartiennent à [Jésus-]Christ ont crucifié leur nature propre avec ses passions et ses désirs.
25 Si nous vivons par l’Esprit, laissons-nous aussi conduire par l’Esprit.

Evangile

Jaona  15 : 26 – 27 ; 16 : 12 – 15 (MRV)

15.26 Fa raha tonga ny Mpananatra, izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
15.27 Ary ianareo koa dia ho vavolombelona hanambara satria ianareo dia efa teto Amiko hatramin’ny voalohany.
16.12 Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho nefa tsy zakanareo izany ankehitriny.
16.13 Fa rehefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra; fa tsy hiteny avy amin’ny fahefan’ny tenany Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
16.14 Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
16.15 Izay rehetra ananan’ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.

15.26 « Quand sera venu le défenseur que je vous enverrai de la part du Père, l’Esprit de la vérité qui vient du Père, il rendra témoignage de moi.
15.27 Et vous aussi, vous me rendrez témoignage, parce que vous êtes avec moi depuis le début.
16.12 « J’ai encore beaucoup de choses à vous dire, mais vous ne pouvez pas les supporter maintenant.
16.13 Quand le défenseur sera venu, l’Esprit de la vérité, il vous conduira dans toute la vérité, car il ne parlera pas de lui-même, mais il dira tout ce qu’il aura entendu et vous annoncera les choses à venir.
16.14 Il révélera ma gloire parce qu’il prendra de ce qui est à moi et vous l’annoncera.
16.15 Tout ce que le Père possède est aussi à moi; voilà pourquoi j’ai dit qu’il prend de ce qui est à moi et qu’il vous l’annoncera.

Retour en haut