Péricope du Dimanche 20 Octobre

Table des matières

Ancien Testament

Isaia 53 : 10 – 11 (MRV)

10 Nefa sitraky NY TOMPO ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; rehefa manolotra ny tenany ho fanati-panonerana Izy
dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary hotanterahina eo an-tanany ny sitrapon’NY TOMPO.
11 Noho ny fisasaran’ny fanahiny dia hahita mazava Izy ka ho afa-po. Ny fahalalana Azy no hanamarinan’ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok’ireo.

10 L’Eternel a voulu le briser par la souffrance. Si tu fais de sa vie un sacrifice de culpabilité, il verra une descendance et vivra longtemps, et la volonté de l’Eternel sera accomplie par son intermédiaire.
11 Après tant de trouble, il verra la lumière et sera satisfait. Par sa connaissance, mon serviteur juste procurera la justice à beaucoup d’hommes; c’est lui qui portera leurs fautes.

.

Epître

Hebreo 4 : 14 – 16 (MRV)

14 Koa satria manana Mpisoronabe lehibe izay lasa namakivaky ny lanitra isika, dia Jesosy, Zanak’Andriamanitra, aoka hihazona ilay efa nekentsika isika.
15 Fa tsy manana Mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika isika; fa ny antsika dia izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
16 Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.

Hébreux 4 : 14 – 16 (S21)

14 Ainsi, puisque nous avons un souverain grand-prêtre qui a traversé le ciel, Jésus, le Fils de Dieu, restons fermement attachés à la foi que nous professons.
15 En effet, nous n’avons pas un grand-prêtre incapable de compatir à nos faiblesses; au contraire, il a été tenté en tout point comme nous, mais sans commettre de péché.
16 Approchons-nous donc avec assurance du trône de la grâce afin d’obtenir compassion et de trouver grâce pour être secourus au moment opportun.

Evangile

Marka 10 : 35 – 45 (MRV)

35 Ary nanatona an’i Jesosy i Jakoba sy i Jaona, zanak’i Zebedio ka niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay hataonao aminay izay mba angatahinay Aminao.
36 Dia hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo?
37 Hoy izy mirahalahy Taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay any amin’ny voninahitrao, koa ny iray dia ho eo amin’ny ankavananao ary ny iray dia ho eo amin’ny ankavianao.
38 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay isotroako, na ny hatao batisa amin’ny batisa izay anaovana Ahy batisa?
39 Dia hoy izy mirahalahy Taminy: Hainay ihany izany. Hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay isotroako dia hisotroanareo ihany ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hatao aminareo ihany;
40 fa ny hipetraka eo ankavanako na eo ankaviako kosa dia tsy anjarako ny hanome izany fa natao ho an’ireo izay nanamboarana azy izany.
41 Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra noho ny nataon’i Jakoba sy i Jaona.
42 Fa Jesosy niantso azy ireo hanatona Azy ka niteny taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken’ny Jentilisa ho mpanapaka aminy dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia manapaka aminy.
43 Fa tsy mba toy izany aminareo. Fa na iza na iza no te ho lehibe eo aminareo dia ho mpanompo anareo izy.
44 Ary na iza na iza no te ho ambony eo aminareo dia ho mpanompon’izy rehetra izy.
45 Fa ny Zanak’Olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.

35 Jacques et Jean, les fils de Zébédée, s’approchèrent de Jésus et lui dirent: «Maître, nous voudrions que tu fasses pour nous ce que nous te demanderons.»
36 Il leur dit: «Que voulez-vous que je fasse pour vous?»
37 «Accorde-nous, lui dirent-ils, d’être assis l’un à ta droite et l’autre à ta gauche, quand tu seras dans ta gloire.»
38 Jésus leur répondit: «Vous ne savez pas ce que vous demandez. Pouvez-vous boire la coupe que je vais boire ou être baptisés du baptême dont je vais être baptisé?» «Nous le pouvons», dirent-ils.
39 Jésus leur répondit: «Vous boirez en effet la coupe que je vais boire et vous serez baptisés du baptême dont je vais être baptisé.
40 Mais quant à être assis à ma droite ou à ma gauche, cela ne dépend pas de moi et ne sera donné qu’à ceux pour qui cela est préparé.»
41 Après avoir entendu cela, les dix autres commencèrent à s’indigner contre Jacques et Jean.
42 Jésus les appela et leur dit: «Vous savez que ceux que l’on considère comme les chefs des nations dominent sur elles et que leurs grands les tiennent sous leur pouvoir.
43 Ce n’est pas le cas au milieu de vous, mais si quelqu’un veut être grand parmi vous, il sera votre serviteur;
44 et si quelqu’un veut être le premier parmi vous, qu’il soit l’esclave de tous.
45 En effet, le Fils de l’homme est venu non pour être servi, mais pour servir et donner sa vie en rançon pour beaucoup.»

Retour en haut