Péricope du Dimanche 21 Juillet

Table des matières

Ancien Testament

Jeremia 23 : 1 – 6 (MRV)

1 Lozan’ireo mpiandry ondry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy NY TOMPO.
2 Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny amin’ireo mpitondra izay miandry ny oloko: Efa nampihahaka ny ondriko sy nandao azy ianareo, fa tsy nikarakara azy; koa indro, hovaliako ianareo noho ny ratsy nataonareo, hoy NY TOMPO.
3 Ary hanangona ny ondriko sisa avy any amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy Aho ka hampodiko ho any amin’ny saha niandrasana azy izy dia hitombo sy hihamaro.
4 Ary hanendry mpitondra ho azy Aho ka ireo no hiandry azy; ary tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy NY TOMPO.
5 Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hananganako Solofo marina ho an’i Davida, koa hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana marina amin’ny tany.
6 Amin’ny androny no hamonjena ny Joda sy handrian’ny Israely fehizay ; ary izao no anarany izay hanononana Azy : NY TOMPO no fahamarinantsika.

1 « Malheur aux bergers qui détruisent et dispersent le troupeau dont je suis le berger ! déclare l’Eternel.
2 C’est pourquoi, voici ce que dit l’Eternel, le Dieu d’Israël, sur les bergers chargés de prendre soin de mon peuple : Puisque vous avez dispersé mes brebis, que vous les avez chassées et n’êtes pas intervenus en leur faveur, je vais intervenir contre vous à cause de la méchanceté de vos agissements, déclare l’Eternel.
3 Je rassemblerai moi-même le reste de mes brebis de tous les pays où je les ai chassées. Je les ramènerai dans leur domaine. Elles se reproduiront et deviendront nombreuses.
4 Je placerai à leur tête des bergers qui prendront soin d’elles. Elles ne connaîtront plus la peur, elles ne seront plus effrayées et plus aucune d’elles ne sera manquante, déclare l’Eternel.
5 « Voici que les jours viennent, déclare l’Eternel, où je donnerai à David un germe juste. Il régnera avec compétence, il exercera le droit et la justice dans le pays.
6 A son époque, Juda sera sauvé et Israël habitera en sécurité. Voici le nom dont on l’appellera : ‘L’Eternel notre justice’.

.

Epître

Efesiana 2 : 13 – 18 (MRV)

13 Ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia tonga akaiky noho ny ran’i Kristy.
14 Izy no fihavanantsika izay nahatonga antsika roa tonta ho iray ka nandrava ny efitry ny fisarahana: Tao amin’ny nofony no nandravany ny fifandrafiana.
15 Nofoanany ny lalàna nisy didy natao hotandremana mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray ka nanaovany fihavanana,
16 sady hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazofijaliana izay namonoany ny fifandrafiana tao aminy.
17 Tonga Izy nitory teny soa mahafaly nilaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana koa tamin’izay akaiky,
18 satria Izy no ahafahantsika roa tonta manatona ny Ray amin’ny Fanahy iray.

13 Mais maintenant, en Jésus-Christ, vous qui autrefois étiez loin, vous êtes devenus proches par le sang de Christ.
14 En effet, il est notre paix, lui qui des deux groupes n’en a fait qu’un et qui a renversé le mur qui les séparait, la haine.
15 Par sa mort, il a rendu sans effet la loi avec ses commandements et leurs règles, afin de créer en lui-même un seul homme nouveau à partir des deux, établissant ainsi la paix.
16 Il a voulu les réconcilier l’un et l’autre avec Dieu en les réunissant dans un seul corps au moyen de la croix, en détruisant par elle la haine.
17 Il est venu annoncer la paix à vous qui étiez loin et à ceux qui étaient près.
18 A travers lui, en effet, nous avons les uns et les autres accès auprès du Père par le même Esprit.

Evangile

Marka 6 : 30 – 34 (MRV)

30 Ary vory teo akaikin’i Jesosy ny Apostoly ka nilaza ny tatitry ny zavatra rehetra izay nataony sy nampianariny.
31 Dia hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany efitra ka mialà sasatra kely. Maro mantsy ny olona nifamezivezy ka tsy nisy hisakafoanany akory aza.
32 Dia nandeha an-tsambokely izy ireo mba hitokana any an-tany efitra.
33 Ary nony nahita azy ireo nandeha ny olona, ary betsaka no efa nahafantatra azy ireo, dia nihazakazaka nandeha an-tongotra avy tany amin’ny tanàna tsirairay ka tonga talohany tany.
34 Nony niala ny sambokely Jesosy dia nahita vahoaka betsaka ka onena azy ireo satria tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; ary nampianatra zavatra maro azy ireo Izy.

30 Les apôtres se rassemblèrent autour de Jésus et lui racontèrent tout ce qu’ils avaient fait et tout ce qu’ils avaient enseigné.
31 Jésus leur dit : « Venez à l’écart dans un endroit désert et reposez-vous un peu. » En effet, il y avait beaucoup de monde qui allait et venait, et ils n’avaient même pas le temps de manger.
32 Ils partirent donc dans une barque pour aller à l’écart dans un endroit désert.
33 Beaucoup de gens les virent s’en aller et le reconnurent, et de toutes les villes on accourut à pied et on les devança à l’endroit où ils se rendaient.
34 Quand il sortit de la barque, Jésus vit une grande foule et fut rempli de compassion pour eux, parce qu’ils étaient comme des brebis qui n’ont pas de berger, et il se mit à leur enseigner beaucoup de choses.

Retour en haut