Péricope du Dimanche 22 Septembre

Table des matières

Ancien Testament

Jeremia 11 : 18 – 20 (MRV)

18 Nampahafantarin’NY TOMPO aho ka nahalala; nasehonao ahy tamin’izany ny fanaony.
19 Fa izaho dia tahaka ny zanak’ondry bonaika izay entina hovonoina; ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbaintsika ny hazo mbamin’ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin’ny tanin’ny velona izy mba tsy hotsarovana intsony ny anarany.
20 Nefa, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo, aoka ho hitako ny famalianao azy; fa Aminao no efa nanankinako ny adiko.

18 L’Eternel me l’a fait savoir, et je l’ai su. «A ce moment-là, tu m’as fait voir leurs agissements.
19 J’étais comme un agneau confiant qu’on conduit à l’abattoir, j’ignorais les projets qu’ils avaient formés contre moi: ‘Détruisons l’arbre avec son fruit! Supprimons-le de la terre des vivants et qu’on ne se souvienne plus de son nom!’
20 Mais l’Eternel, le maître de l’univers, est un juste juge qui examine les reins et les cœurs. Je verrai ta vengeance s’exercer contre eux, car c’est à toi que j’ai confié ma cause.»

.

Epître

Jakoba 3.16 – 4.3 (MRV)

3.16 Fa izay misy fialonana sy fiheveran-tena ho zavatra dia misy fikorontanana mbamin’izay asa ratsy rehetra.
3.17 Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia, voalohany indrindra, madio, manaraka izany, tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy asa soa, tsy miangatra na mihatsaravelatsihy.
3.18 Ary ny vokatry ny fahamarinana ao amin’ny fihavanana dia afafin’izay mikatsaka ny fihavanana.
4.1 Avy aiza ny ady ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Moa tsy ny filanareo izay miady ao anatin’ny tenanareo va no iavian’izany?
4.2 Maniry zavatra ianareo nefa tsy manana; mamono olona sy mialona ianareo nefa tsy mety mahazo ihany; mifandìtra sy miady ianareo nefa tsy manana satria tsy mangataka.
4.3 Mangataka ianareo nefa tsy mahazo ihany satria diso fangataka fa mba holaninareo amin’ny filanareo fotsiny.

Jacques 3.16 – 4.3 (S21))

3.16 En effet, là où il y a de la jalousie et un esprit de rivalité, il y a du désordre et toutes sortes de pratiques mauvaises.
3.17 La sagesse d’en haut est tout d’abord pure, ensuite porteuse de paix, douce, conciliante, pleine de compassion et de bons fruits, elle est sans parti pris et sans hypocrisie.
3.18 Le fruit de la justice est semé dans la paix par ceux qui travaillent à la paix.
4.1 D’où viennent les conflits et d’où viennent les luttes parmi vous? N’est-ce pas de vos passions qui combattent dans vos membres?
4.2 Vous désirez et vous ne possédez pas; vous êtes meurtriers et jaloux, et vous ne pouvez rien obtenir; vous avez des luttes et des conflits. Vous ne possédez pas parce que vous ne demandez pas.
4.3 Quand vous demandez, vous ne recevez pas parce que vous demandez mal, dans le but de satisfaire vos passions.

Evangile

Marka 9 : 30 – 37 (MRV)

30 Dia niala teo izy ireo ka nizotra namakivaky an’i Galilia, ary tsy tian’i Jesosy ho fantatry ny olona izany.
31 Fa nampianatra ny mpianany Izy ka niteny taminy hoe: Ny Zanak’Olona dia hatolotra eo an-tanan’ny olona ka hovonoiny; ary rehefa maty Izy dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
32 Tsy azon’ireo anefa izany teny izany sady natahotra ny hanontany Azy izy.
33 Ary nankany Kapernaomy izy ireo, koa rehefa tonga tao an-trano Jesosy dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?
34 Tsy nisy nahateny anefa izy ireo satria niady hevitra teny an-dalana ny amin’izay lehibe indrindra.
35 Rehefa tafapetraka Jesosy dia niantso ny roa amby folo lahy Izy ka niteny taminy hoe: Raha misy te ho voalohany dia aoka izy no ho farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra.
36 Ary nandray zaza iray Izy ka nametraka azy teo afovoan’izy rehetra; rehefa notrotroiny ilay zaza dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
37 Na zovy na zovy no mandray iray amin’itony zaza itony amin’ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia tsy Izaho no raisiny fa Ilay naniraka Ahy.

30 Ils partirent de là et traversèrent la Galilée. Jésus ne voulait pas qu’on le sache,
31 car il enseignait ses disciples et il leur disait: «Le Fils de l’homme sera livré entre les mains des hommes; ils le feront mourir et, trois jours après avoir été mis à mort, il ressuscitera.»
32 Cependant, les disciples ne comprenaient pas cette parole et ils avaient peur de l’interroger.
33 Ils arrivèrent à Capernaüm. Lorsqu’il fut dans la maison, Jésus leur demanda: «De quoi discutiez-vous en chemin?»
34 Mais ils gardèrent le silence, car en chemin ils avaient discuté entre eux pour savoir qui était le plus grand.
35 Alors il s’assit, appela les douze et leur dit: «Si quelqu’un veut être le premier, il sera le dernier de tous et le serviteur de tous.»
36 Il prit un petit enfant, le plaça au milieu d’eux et, après l’avoir pris dans ses bras, il leur dit:
37 «Celui qui accueille en mon nom un de ces petits enfants, c’est moi-même qu’il accueille, et celui qui m’accueille, ce n’est pas moi qu’il accueille, mais celui qui m’a envoyé.»

Retour en haut