
Ancien Testament
19 Horoahiko hiala amin’ny toeranao ianao, haongako hiala amin’ny raharahanao ianao
20 Amin’izany andro izany dia hantsoiko kosa i Eliakima mpanompoko, zanak’i Hilkia ;
21 hampanaoviko azy ny akanjonao sady hosikinako amin’ny fehikibonao izy ka hatolotro ho eo an-tanany ny fahefanao ; dia ho tonga rain’ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak’i Joda izy.
22 Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida, dia hamoha izy ka tsy hisy handrindrina ; ary handrindrina izy ka tsy hisy hahavoha.
23 Hatsatoko toy ny fanantonan-javatra eo amin’ny toerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an’ny fianakavian-drainy.
19 Le Seigneur dit : « Je te chasserai de ton poste, je t’arracherai de ta place.
20 Ce jour-là, je ferai appel à mon serviteur Éliaquim, fils de Hilquia.
21 Je le couvrirai de ton vêtement, je lui mettrai ta ceinture autour de la taille, je lui donnerai ton pouvoir. Il sera un père pour les habitants de Jérusalem et pour tout le royaume de Juda.
22 Je lui remettrai la clé de la maison de David. S’il ouvre, personne ne fermera, s’il ferme, personne n’ouvrira.
23 Je l’enfoncerai comme un piquet dans un endroit solide, et il donnera de l’honneur à la famille de son père. »
.
Epître
33 Endre ny halalin’ny harena sy ny fahendren’Andriamanitra ary ny fahalalany ! Tsy hita lany ny fitsarany ary tsy azo fantarina ny lalany !
34 Fa «iza no nahalala ny sain’NY TOMPO ? Iza no mpanolotsaina Azy ? (Isa 40.13)
35 Iza no nanome Azy aloha mba hamaliana azy indray ?
36 Fa avy Aminy sy amin’ny alalany ary ho Azy ny zavatra rehetra. Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay ! Amena !
33 Dieu est vraiment grand ! Sa sagesse et ses pensées sont vraiment très profondes, personne ne peut connaître ses décisions, personne ne peut comprendre ses projets. Les Livres Saints disent :
34 « Qui connaît la pensée du Seigneur ? Qui peut lui donner des conseils ? »
35 « Qui lui a donné quelque chose le premier, pour que Dieu lui donne à son tour ? »
36 Oui, tout vient de lui, tout existe par lui et pour lui. À Dieu la gloire pour toujours ! Amen !
Evangile
Ny naneken’i Petera an’i Jesosy ho Kristy
13 Rehefa tonga tany amin’ny faritanin’i Kaisarian’i Filipo Jesosy dia nanontany ny mpianany Izy hoe: Lazain’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona ?
14 Ary hoy ireo : Ny sasany dia milaza hoe: Jaona Mpanao batisa ; ary ny sasany dia milaza hoe : Elia; ary hoy ny sasany : Jeremia, na iray amin’ireo mpaminany.
15 Ary hoy Jesosy taminy : Fa ianareo kosa mba milaza Ahy ho iza ?
16 Namaly i Simona Petera hoe : Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.
17 Dia hoy indray Jesosy taminy : Sambatra ianao, ry Simona, zanak’i Jona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany fa ny Raiko izay any an-danitra.
18 Ary Izaho koa milaza aminao fa ianao no Petera, ary eo ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ny fitoeran’ny maty dia tsy haharesy azy.
19 Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra ; koa na inona na inona fehezinao etỳ ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra ary na inona na inona vahànao etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra.
20 Tamin’izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin’olona akory fa Izy no Kristy.
Pierre affirme que Jésus est le Messie
13 Jésus arrive dans la région de Césarée de Philippe. Il demande à ses disciples : « Pour les gens, qui est le Fils de l’homme ? »
14 Ils lui répondent : « Les uns disent que tu es Jean-Baptiste. D’autres disent que tu es Élie. D’autres encore disent que tu es Jérémie ou l’un des autres prophètes. »
15 Jésus leur dit : « Mais vous, qu’est-ce que vous dites ? Qui suis-je ? »
16 Simon-Pierre lui répond : « Tu es le Messie, le Fils du Dieu vivant. »
17 Alors Jésus lui dit : « Simon, fils de Jean, tu es heureux. En effet, ce n’est pas une personne humaine qui t’a fait connaître cela, mais c’est mon Père qui est dans les cieux.
18 Et moi, je te dis ceci : Tu es Pierre, et sur cette pierre, je construirai mon Église, et la puissance de la mort ne pourra rien contre elle.
19 Je te donnerai les clés du Royaume des cieux. Ce que tu refuseras sur la terre, on le refusera dans les cieux. Ce que tu accueilleras sur la terre, on l’accueillera dans les cieux. »
20 Alors Jésus donne cet ordre à ses disciples : « Ne dites à personne que je suis le Messie. »
