Péricope du Dimanche 23 Juin

Table des matières

Ancien Testament

Isaia 49 : 1 – 6 (MRV)

1 Mihainoa Ahy, ry nosy! Atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra! NY TOMPO efa niantso Ahy hatrany am-bohoka, hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon’Ineny no efa notsarovany ny anarako.
2 Nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin’ny aloky ny tanany no nanafenany Ahy. Nataony zana-tsipìka voaranitra tsara Aho; teo amin’ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.
3 Hoy Izy tamiko: Mpanompoko Ianao, ry Israely ô, izay entiko mampiseho ny voninahitro.
4 Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin’NY TOMPO ny rariny tokony ho Ahy, ary ny valin’ny asako dia ao amin’Andriamanitro.
5 Ary ankehitriny dia hoy NY TOMPO izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao Aminy indray sy hamoriana ny Israely ho ao Aminy; fa mahazo voninahitra eo imason’NY TOMPO Aho, ary Andriamanitro no heriko.
6 Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’i Jakoba Ianao
ary hampody ny Israely sisa voaaro; fa hataoko ho fanazavana ny Jentilisa koa Ianao mba hitondra ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.

1 Iles, écoutez-moi! Peuples lointains, soyez attentifs! L’Eternel m’a appelé dès le ventre de ma mère, il a mentionné mon nom dès avant ma naissance.
2 Il a rendu ma bouche pareille à une épée tranchante, il m’a couvert de l’ombre de sa main. Il a fait de moi une flèche aiguë, il m’a caché dans son carquois.
3 Il m’a dit: «Tu es mon serviteur, Israël. Par toi je montrerai ma splendeur.»
4 Quant à moi, je disais: «C’est pour rien que je me suis fatigué, c’est pour le vide, c’est en pure perte que j’ai épuisé mes forces.» Pourtant, mon droit est auprès de l’Eternel et ma récompense auprès de mon Dieu.
5 Maintenant l’Eternel parle, lui qui m’a formé dès le ventre de ma mère pour que je sois son serviteur, pour que je ramène Jacob vers lui, pour qu’Israël soit rassemblé près de lui. J’ai de l’importance aux yeux de l’Eternel et mon Dieu est ma force.
6 Il dit: «C’est trop peu que tu sois mon serviteur pour relever les tribus de Jacob et pour ramener les restes d’Israël: je t’établis pour être la lumière des nations, pour apporter mon salut jusqu’aux extrémités de la terre

.

Epître

Asan’ny Apostoly 13 : 22 – 26 (MRV)

22 Rehefa nanaisotra an’i Saoly Izy dia nanandratra an’i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: «Nahita an’i Davida, zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra Aho» (1Sam 13.14; Sal 89.20).
23 Avy tamin’ny taranak’izany lehilahy izany no nitondran’Andriamanitra an’i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Israely.
24 Talohan’ny nahatongavany dia nitory ny batisan’ny fibebahana tamin’ny olon’ny Israely rehetra i Jaona.
25 Ary rehefa nadiva hahatanteraka ny fihazakazahany i Jaona dia niteny hoe: Heverinareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa indro, misy Iray avy ao aorianako, koa izaho dia tsy mendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory.
26 Ry rahalahy, taranak’i Abrahama, sy izay rehetra matahotra an’Andriamanitra eo aminareo, ho amintsika no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao.

22 Puis il l’a rejeté et leur a donné pour roi David, auquel il a rendu ce témoignage: J’ai trouvé David, fils d’Isaï, un homme selon mon cœur, qui accomplira toutes mes volontés.
23 « C’est de la descendance de David que Dieu, conformément à sa promesse, a amené à Israël un Sauveur qui est Jésus.
24 Avant sa venue, Jean avait prêché le baptême de repentance à tout le peuple d’Israël.
25 Et, lorsqu’il terminait sa course, Jean disait: ‘Je ne suis pas celui que vous pensez, mais le voici qui vient après moi et je ne suis pas digne de détacher ses sandales.’
26 « Mes frères, descendants d’Abraham et vous qui craignez Dieu, c’est à vous que cette parole de salut a été envoyée.

Evangile

Lioka 1 : 57 – 80 (MRV)

Ny nahaterahan’i Jaona Mpanao batisa
57 Nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta dia niteraka zazalahy izy.
58 Ary nandre ny mpiaramonina taminy sy ny havany fa efa nohalehibeazin’ny Tompo ny famindrampony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.
59 Tamin’ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy ireo, koa efa saika hantsoiny araka ny anaran’ny rainy hoe Zakaria, izy.
60 Fa hoy ny reniny: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.
61 Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin’ny havanao izay manana izany anarana izany.
62 Ary nanao baiko moana tamin’ny rainy izy ireo ka nanontany ny amin’izay tiany hatao anarany.
63 Dia nangataka solaitra iray izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.
64 Ary nisokatra niaraka tamin’izay ny vavany ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an’Andriamanitra.
65 Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin’ny tany be havoana any Jodia rehetra ny lazan’izany rehetra izany.
66 Izay rehetra nandre koa dia nandatsaka izany tao am-pony ka niteny hoe: Ho zaza toy inona re io? Fa ny tanan’ny Tompo no nomba azy.
Ny hira fiderana nataon’i Zakaria
67 Dia feno ny Fanahy Masina i Zakaria rainy ka naminany hoe:
68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Israely; fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,
69 ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika ao amin’ny taranak’i Davida mpanompony Izy,
70 araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin’ny fahagola,
71 dia famonjena antsika amin’ny fahavalontsika sy amin’ny tanan’izay rehetra mankahala antsika.
72 Manefa famindrampo amin’ny razantsika Izy sady mahatsiaro ny fanekeny masina,
73 dia ny fianianana izay nianianany tamin’i Abrahama razantsika
74 mba hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, satria afaka amin’ny fahavalontsika isika,
75 amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany, amin’ny andro rehetra hiainantsika.
76 Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe Mpaminanin’ny Avo Indrindra; satria hialoha eo anatrehan’ny Tompo ianao, hamboatra ny lalany.
77 Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin’ny famelàna ny helony,
78 noho ny halehiben’ny famindrampon’Andriamanitsika. Izany no hiposahan’ny mazava avy any amin’ny avo ho antsika
79 mba hanazava izay mipetraka ao amin’ny maizina sy ao amin’ny aloky ny fahafatesana sady hanitsy ny diantsika ho amin’ny lalam-piadanana.
Ny fahatanoran’i Jaona Mpanao batisa
80 Ary nihalehibe ny zazakely ka nitombo hery am-panahy; nitoetra tany an-tany efitra izy ambara-pahatongan’ny andro nisehoany tamin’ny Israely.

Naissance de Jean-Baptiste
57 Le moment où Elisabeth devait accoucher arriva et elle mit au monde un fils.
58 Ses voisins et ses parents apprirent que le Seigneur avait fait preuve d’une grande bonté envers elle, et ils se réjouirent avec elle.
59 Le huitième jour, ils vinrent pour circoncire l’enfant. Ils voulaient l’appeler Zacharie, d’après le nom de son père,
60 mais sa mère prit la parole et dit: «Non, il sera appelé Jean.»
61 Ils lui dirent: «Il n’y a dans ta parenté personne qui porte ce nom»
62 et ils firent des signes à son père pour savoir comment il voulait qu’on l’appelle.
63 Zacharie demanda une tablette et il écrivit: «Son nom est Jean.» Tous furent dans l’étonnement.
64 Immédiatement sa bouche s’ouvrit, sa langue se délia, et il parlait et bénissait Dieu.
65 La crainte s’empara de tous les habitants des environs, et dans toute la région montagneuse de Judée on s’entretenait de tous ces événements.
66 Tous ceux qui les apprirent les gardèrent dans leur cœur, et ils disaient: «Que sera donc cet enfant?» Et [en effet] la main du Seigneur était avec lui.
67 Son père Zacharie fut rempli du Saint-Esprit et prophétisa en ces termes:
68 «Béni soit le Seigneur, le Dieu d’Israël, parce qu’il a visité et racheté son peuple.
69 Il nous a donné un puissant Sauveur dans la famille de son serviteur David.
70 C’est ce qu’il avait annoncé par la bouche de ses saints prophètes des temps anciens:
71 un Sauveur qui nous délivre de nos ennemis et de la domination de tous ceux qui nous détestent!
72 Ainsi, il manifeste sa bonté envers nos ancêtres et se souvient de sa sainte alliance,
73 conformément au serment qu’il avait fait à Abraham, notre ancêtre:
74 il avait juré qu’après nous avoir délivrés de nos ennemis il nous accorderait de le servir sans crainte,
75 en marchant devant lui dans la sainteté et dans la justice tous les jours de notre vie.
76 « Et toi, petit enfant, tu seras appelé prophète du Très-Haut, car tu marcheras sous le regard du Seigneur pour préparer ses chemins
77 et pour donner à son peuple la connaissance du salut par le pardon de ses péchés,
78 à cause de la profonde bonté de notre Dieu. Grâce à elle, le soleil levant nous a visités d’en haut
79 pour éclairer ceux qui sont assis dans les ténèbres et dans l’ombre de la mort, pour diriger nos pas sur le chemin de la paix.»
80 L’enfant grandissait et se fortifiait en esprit. Il resta dans les déserts jusqu’au jour où il se présenta devant Israël.

Retour en haut