Péricope du Dimanche 24 Mai 2026 – Pentecôte

Table des matières

Actes des Apôtres

Asan’ny Apostoly 2 : 1 – 11 (MRV)

Ny nirotsahan’ny Fanahy Masina
1 Nony tonga ny andro Pentekosta, dia teo amin’ny toerana iray izy rehetra.
2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery mifofofofo ka nanenika ilay trano niangonany.
3 Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara, ary nipetraka tamin’izy rehetra isan’olona.
4 Dia samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.
5 Nisy Jiosy nonina tany Jerosalema; olona mpivavaka tsara avy tany amin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra izy ireo.
6 Rehefa niely izany feo izany dia olona maro no vory sady very hevitra, satria samy nahare azy ireo niteny tamin’ny fiteniny avy izy rehetra.
7 Dia talanjona sady gaga izy ireo ka niteny hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo?
8 Koa ahoana no andrenesantsika azy amin’ny fitenintsika avy izay nahabe antsika,
9 isika izay Partiana, Mediana, Elamita, mponina any Mezopotamia, Jodia, Kapadokia, Ponto, Azia,
10 Frigia, Pamfilia, Ejipta sy ny faritr’i Libia izay manodidina an’i Kirena, ary vahiny avy any Roma,
11 Jiosy sy prozelita*, Kretana, Arabo, koa ahoana no andrenesantsika azy ireo miteny amin’ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’Andriamanitra?

L’Esprit Saint vient sur les croyants
1 Quand le jour de la Pentecôte arrive, les croyants sont réunis tous ensemble au même endroit.
2 Tout à coup un bruit vient du ciel. C’est comme le souffle d’un violent coup de vent. Le bruit remplit toute la maison où ils sont assis.
3 Alors ils voient apparaître des langues, comme des langues de feu. Elles se séparent et se posent sur chacun d’eux.
4 Tous sont remplis de l’Esprit Saint et ils se mettent à parler d’autres langues. C’est l’Esprit qui leur donne de faire cela.
5 À Jérusalem, il y a des Juifs venus de tous les pays du monde. Ce sont des gens fidèles à Dieu.
6 Quand ils entendent ce bruit, ils se rassemblent en foule. Ils sont profondément surpris, parce que chacun entend les croyants parler dans sa langue.
7 Ils sont très étonnés et pleins d’admiration et ils disent : « Tous ces gens qui parlent sont bien des Galiléens.
8 Alors, comment chacun de nous peut-il les entendre parler dans la langue de ses parents ?
9 Nous venons du pays des Parthes, de Médie, d’Élam, de Mésopotamie, de Judée et de Cappadoce, du Pont et de la province d’Asie,
10 de Phrygie, de Pamphylie. Nous venons aussi d’Égypte, de la partie de la Libye qui est près de Cyrène, de Rome,
11 de Crète et d’Arabie. Parmi nous, certains sont juifs, et d’autres aussi obéissent à la loi de Moïse. Et pourtant, chacun de nous les entend annoncer dans sa langue les grandes choses que Dieu a faites. »

.

Epître

1 Korintiana 12 : 3 – 13 (MRV)

3 Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin’ny Fanahin’Andriamanitra ka miteny hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin’ny Fanahy Masina.
4 Zarazaraina ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana nefa ny Fanahy dia iray ihany.
5 Zarazaraina ho samihafa ny fanompoana nefa ny Tompo dia iray ihany.
6 Zarazaraina ho samihafa ny asa nefa iray ihany Andriamanitra izay miasa ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra.
7 Ary ny tsirairay dia samy nomen’ny Fanahy hahay mampiseho amin’ny olona rehetra ny fanomezam-pahasoavana.
8 Fa ny iray dia nomen’ny Fanahy teny fahendrena; ny iray dia teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany;
9 ny iray dia finoana, amin’izany Fanahy izany ihany; ny iray dia fanomezam-pahasoavana hoenti-manasitrana, amin’izany Fanahy iray izany ihany;
10 ny iray dia ny manao fahagagana; ny iray dia ny maminany; ny iray dia ny mahafantatra fanahy samihafa; ny iray dia ny miteny amin’ny fiteny samihafa tsy fantatra; ary ny iray dia ny mandika fiteny tsy fantatra.
11 Ireo rehetra ireo dia asan’ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.
Iray ny tena, kanefa maro ny momba ny tena
12 Fa tahaka ny tena iray ihany kanefa maro ny momba azy, ary ireo rehetra momba ny tena ireo na dia maro aza dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.
13 Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy, na Grika, na andevo, na olona afaka; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.

1 Corinthiens 12 : 3 – 13 (PDV)

3 C’est pourquoi je veux vous faire savoir une chose : si quelqu’un parle avec l’aide de l’Esprit de Dieu, il ne peut pas dire : « Que Jésus soit maudit ! » Et sans l’aide de l’Esprit Saint, personne ne peut dire : « Jésus est le Seigneur. »
4 Oui, il y a des dons différents, mais c’est le même Esprit qui les donne.
5 Il y a des façons de servir différentes, mais on sert le même Seigneur.
6 Il y a des activités différentes, mais c’est le même Dieu qui les produit toutes en tous.
7 Chacun reçoit le don de montrer la puissance de l’Esprit Saint, et cela pour le bien de tous.
8 L’un reçoit de l’Esprit le don de parler avec sagesse, l’autre reçoit du même Esprit le don de faire connaître Dieu.
9 Un autre reçoit de ce même Esprit le don d’une foi très solide, un autre reçoit de cet unique Esprit le don de guérir les malades.
10 Un autre peut faire des actions extraordinaires, un autre peut parler au nom de Dieu, un autre sait faire la différence entre ce qui vient de l’Esprit Saint et ce qui ne vient pas de lui. Un autre peut parler en des langues inconnues, un autre peut les traduire.
11 Mais tout cela, c’est le seul et même Esprit Saint qui le rend possible. Il distribue ses dons à chacun comme il veut.
La communauté chrétienne forme le corps du Christ
12 Utilisons une comparaison. Le corps forme un tout, et pourtant, il a plusieurs parties. Malgré leur nombre, toutes les parties du corps ne forment qu’un seul corps. Pour le Christ, c’est la même chose.
13 Tous, Juifs et non-Juifs, esclaves et personnes libres, nous avons reçu le baptême dans un seul Esprit Saint, pour former un seul corps. Nous avons tous bu à la source de cet unique Esprit.

Evangile

Jaona 20 : 19 – 23 (MRV)

Jesosy niseho tamin’ny mpianany
19 Nony harivan’ilay andro voalohany amin’ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran’ny toerana izay niangonan’ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany sady niteny taminy hoe: Fiadanana ho anareo!
20 Rehefa nilaza izany Izy dia nasehony azy ny tanany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra raha nahita ny Tompo.
21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
22 Rehefa nilaza izany Izy dia nanisy fofonaina ka hoy Izy taminy: Raiso ny Fanahy Masina;
23 na helok’iza na helok’iza no avelanareo dia voavela izany; ary na an’iza na an’iza kosa no tsy avelanareo dia tsy voavela izany.

Jésus se montre à ses disciples
19 Le soir de ce même dimanche, les disciples sont réunis dans une maison. Ils ont fermé les portes à clé parce qu’ils ont peur des chefs juifs. Jésus vient et se tient au milieu d’eux. Il leur dit : « La paix soit avec vous ! »
20 Après qu’il a dit cela, il leur montre ses mains et son côté. Les disciples sont remplis de joie en voyant le Seigneur.
21 Jésus leur dit encore une fois : « La paix soit avec vous ! Comme le Père m’a envoyé, moi aussi, je vous envoie. »
22 Après ces paroles, il souffle sur eux et il leur dit : « Recevez l’Esprit Saint.
23 Quand vous pardonnerez les péchés à quelqu’un, Dieu donnera son pardon. Quand vous refuserez ce pardon à quelqu’un, Dieu le refusera aussi. »

Retour en haut