Péricope du Dimanche 25 Aout

Table des matières

Ancien Testament

Josoa 24 : 1 – 18 (MRV)

1 Ary nanangona ny fokon’ny Israely rehetra tany Sekema i Josoa ka niantso ny loholon’ny Israely, ny lehibeny, ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, dia niara-niseho teo anatrehan’Andriamanitra izy ireo.
2 Ary hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Tany andafin’ny ony Eofrata no nonenan’ny razanareo tany aloha, dia i Tera, rain’i Abrahama sy i Nahora; ary nanompo andriamanitra hafa izy.
3 Dia naka an’i Abrahama razanareo avy tany andafin’ny ony Eofrata Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an’Isaka ho zanany.
4 Ary Isaka koa dia nomeko an’i Jakoba sy i Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan’i Esao ny tendrombohitra Seìra; fa i Jakoba sy ny taranany kosa dia nankany Ejipta.
5 Dia naniraka an’i Mosesy sy i Arona Aho ka namely an’i Ejipta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany dia nitondra anareo nivoaka avy tany Aho.
6 Nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Ejipta Aho dia tonga teo amin’ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin’ny Ranomasina Mena ny Ejiptiana, nitaingina kalesy fitondra miady sy soavaly.
7 Dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy ka nasiany haizina teo anelanelanareo sy ny Ejiptiana sady nakatony taminy ny ranomasina ka nasarony azy ary ny masonareo dia nahita izay nataoko tany Ejipta; ary nitoetra ela tany an-tany efitra ianareo.
8 Nentiko ho any amin’ny tanin’ny Amorita izay nonina tany andafin’i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho mba handovanareo ny taniny ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.
9 Dia nitsangana i Balaka, zanak’i Zipora, mpanjakan’i Moaba, ka niady tamin’ny Israely; dia nandefa iraka haka an’i Balama, zanak’i Beora, izy, hanozona anareo.
10 Fa tsy nety nihaino an’i Balama anefa Aho, koa nitahy anareo tokoa izy ary namonjy anareo tamin’ny tanany Aho.
11 Nita an’i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin’ny Amorita, ny Perizita, ny Kananita, ny Hetita, ny Girgasita, ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny.
12 Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra izay nandroaka ny mpanjaka roa tamin’ny Amorita teo anoloanareo, fa tsy tamin’ny sabatrao na tamin’ny tsipìkanao.
13 Ary nomeko tany izay tsy nisasaranareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo dia nonina tao; ary nihinana ny avy amin’ny tanim-boaloboka sy ny tanin’oliva izay tsy nambolenareo ianareo.
14 Koa ankehitriny, matahora NY TOMPO ka manompoa Azy amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany andafin’ny ony Eofrata sy tany Ejipta ka manompoa NY TOMPO.
15 Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo NY TOMPO dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany andafin’ny ony Eofrata na ny andriamanitry ny Amorita izay mponina teto amin’ny tany onenanareo fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo NY TOMPO izahay.
16 Dia namaly ny vahoaka hoe: Sanatria raha hahafoy NY TOMPO izahay ka hanompo izay andriamanitra hafa.
17 Fa NY TOMPO Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano nanandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin’ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin’ny firenena rehetra izay notetezintsika.
18 Ary NY TOMPO nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin’ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo NY TOMPO fa Izy no Andriamanitsika.

1 Josué rassembla toutes les tribus d’Israël à Sichem et convoqua les anciens d’Israël, ses chefs, ses juges et ses officiers. Ils se présentèrent devant Dieu.
2 Josué s’adressa à tout le peuple: «Voici ce que dit l’Eternel, le Dieu d’Israël: ‘Vos ancêtres, notamment Térach, père d’Abraham et de Nachor, habitaient autrefois de l’autre côté de l’Euphrate et servaient d’autres dieux.
3 J’ai pris votre ancêtre Abraham de l’autre côté de l’Euphrate et je lui ai fait parcourir tout le pays de Canaan. J’ai multiplié sa descendance et je lui ai donné Isaac.
4 J’ai donné à Isaac Jacob et Esaü. J’ai donné la région montagneuse de Séir en propriété à Esaü, tandis que Jacob et ses fils sont descendus en Egypte.
5 J’ai envoyé Moïse et Aaron et j’ai frappé l’Egypte par les prodiges que j’ai réalisés au milieu d’elle, puis je vous en ai fait sortir.
6 J’ai fait sortir vos pères d’Egypte et vous êtes arrivés à la mer. Les Egyptiens poursuivaient vos pères jusqu’à la mer des Roseaux, avec des chars et des cavaliers.
7 Vos pères ont alors crié à l’Eternel et l’Eternel a mis des ténèbres entre vous et les Egyptiens; il a ramené la mer sur eux et elle les a recouverts. Vos yeux ont vu ce que j’ai fait aux Egyptiens. Puis vous êtes restés longtemps dans le désert.
8 Je vous ai conduits dans le pays des Amoréens, qui habitaient de l’autre côté du Jourdain, et ils ont combattu contre vous. Je les ai livrés entre vos mains. Vous avez pris possession de leur pays et je les ai détruits devant vous.
9 Balak, fils de Tsippor, le roi de Moab, s’est levé et a combattu Israël. Il a fait venir Balaam, fils de Beor, pour qu’il vous maudisse,
10 mais je n’ai pas voulu écouter Balaam. Il vous a bénis et je vous ai délivrés de Balak.
11 Vous avez passé le Jourdain et vous êtes arrivés à Jéricho. Les habitants de Jéricho ont combattu contre vous, tout comme les Amoréens, les Phéréziens, les Cananéens, les Hittites, les Guirgasiens, les Héviens et les Jébusiens. Je les ai livrés entre vos mains
12 et j’ai envoyé devant vous les frelons, qui les ont chassés loin de vous, comme les deux rois des Amoréens. Cela ne s’est pas passé grâce à ton épée ou à ton arc.
13 Je vous ai donné un pays que vous n’aviez pas cultivé, des villes que vous n’aviez pas construites et que vous habitez, des vignes et des oliviers que vous n’aviez pas plantés et qui vous servent de nourriture.’
14 Maintenant, craignez l’Eternel et servez-le avec intégrité et fidélité. Faites disparaître les dieux que vos ancêtres servaient de l’autre côté de l’Euphrate et en Egypte et servez l’Eternel.
15 Mais si vous ne trouvez pas bon de servir l’Eternel, choisissez aujourd’hui qui vous voulez servir: soit les dieux que vos ancêtres servaient de l’autre côté de l’Euphrate, soit les dieux des Amoréens dans le pays desquels vous habitez. Quant à ma famille et moi, nous servirons l’Eternel.»
16 Le peuple répondit: «Nous n’avons certainement pas la pensée d’abandonner l’Eternel et de servir d’autres dieux!
17 En effet, c’est l’Eternel qui est notre Dieu. C’est lui qui nous a fait sortir, nous et nos pères, d’Egypte, de la maison d’esclavage. C’est lui qui a réalisé sous nos yeux ces grands prodiges et qui nous a gardés pendant tout le chemin que nous avons parcouru et parmi tous les peuples au milieu desquels nous sommes passés.
18 Il a chassé devant nous tous les peuples, y compris les Amoréens qui habitaient ce pays. Nous aussi, nous servirons l’Eternel, car c’est lui qui est notre Dieu.»

.

Epître

Efesiana 5 : 21 – 32 (MRV)

21 Mifaneke amin’ny fahatahorana an’i Kristy ianareo;
22 ny vehivavy hanaiky ny vadiny, tahaka ny anekena ny Tompo
23 satria ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy koa izay Lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.
24 Tahaka ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy koa no haneken’ny vavy ny lahy amin’ny zavatra rehetra.
25 Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy
26 mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana ao amin’ny teny;
27 mba hasehony ho an’ny tenany izany ho fiangonana malaza, tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy.
28 Dia tahaka izany koa, ny lehilahy dia tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
29 Fa tsy mbola nisy mihitsy olona tsy tia ny tenany, fa mamelona sy mitaiza azy izy tahaka izay ataon’i Kristy amin’ny fiangonana,
30 satria momba ny tenany isika.
31 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24).
32 Zavamiafina lehibe izany; milaza ny amin’i Kristy sy ny fiangonana mantsy aho.

21 soumettez-vous les uns aux autres dans la crainte de Dieu.
22 Femmes, [soumettez-vous] à votre mari comme au Seigneur,
23 car le mari est le chef de la femme, comme Christ est le chef de l’Eglise qui est son corps et dont il est le Sauveur.
24 Mais tout comme l’Eglise se soumet à Christ, que les femmes aussi se soumettent en tout à leur mari.
25 Maris, aimez votre femme comme Christ a aimé l’Eglise. Il s’est donné lui-même pour elle
26 afin de la conduire à la sainteté après l’avoir purifiée et lavée par l’eau de la parole,
27 pour faire paraître devant lui cette Eglise glorieuse, sans tache, ni ride, ni rien de semblable, mais sainte et irréprochable.
28 C’est ainsi que les maris doivent aimer leur femme comme leur propre corps. Celui qui aime sa femme s’aime lui-même.
29 En effet, jamais personne n’a détesté son propre corps. Au contraire, il le nourrit et en prend soin, tout comme le Seigneur le fait pour l’Eglise
30 parce que nous sommes les membres de son corps, [formés de sa chair et de ses os].
31 C’est pourquoi l’homme quittera son père et sa mère, s’attachera à sa femme, et les deux ne feront qu’un.
32 Ce mystère est grand, et je dis cela par rapport à Christ et à l’Eglise.

Evangile

Jaona 6 : 60 – 69 (MRV)

60 Maro tamin’ny mpianany izay nandre Azy no niteny hoe: Sarotra izany teny izany, iza no afaka hihaino izany?
61 Ary fantatr’i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona ny amin’izany ny mpianany, koa hoy Izy tamin’izy ireo: Mahatafintohina anareo va izany?
62 Mainka raha mahita ny Zanak’Olona miakatra ho any amin’izay nitoerany taloha ianareo.
63 Ny fanahy no mahavelona; ny nofo dia tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.
64 Kanefa misy tsy mino ny sasany aminareo. Fantatr’i Jesosy hatramin’ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy.
65 Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ny Ray azy izany.
66 Hatramin’io dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha Taminy intsony.
67 Dia hoy Jesosy tamin’ny roa amby folo lahy: Ianareo koa va mba te hiala?
68 Hoy i Simona Petera Taminy hoe: Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.
69 Ary mino izahay ka mahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra.

60 Après l’avoir entendu, beaucoup de ses disciples dirent: «Cette parole est dure. Qui peut l’écouter?»
61 Jésus savait en lui-même que ses disciples murmuraient à ce sujet. Il leur dit: «Cela vous scandalise?
62 Si vous voyiez le Fils de l’homme monter là où il était auparavant!
63 C’est l’Esprit qui fait vivre, l’homme n’arrive à rien. Les paroles que je vous dis sont Esprit et vie,
64 mais il y en a parmi vous quelques-uns qui ne croient pas.» En effet, Jésus savait dès le début qui étaient ceux qui ne croyaient pas et qui était celui qui le trahirait.
65 Il ajouta: «Voilà pourquoi je vous ai dit que personne ne peut venir à moi à moins que cela ne lui soit donné par mon Père.»
66 Dès ce moment, beaucoup de ses disciples se retirèrent et arrêtèrent de marcher avec lui.
67 Jésus dit alors aux douze: «Et vous, ne voulez-vous pas aussi vous en aller?»
68 Simon Pierre lui répondit: «Seigneur, à qui irions-nous? Tu as les paroles de la vie éternelle.
69 Et nous, nous croyons et nous savons que tu es le Messie, le Fils du Dieu vivant.»

Retour en haut