Péricope du Dimanche 25 Février 2024 (Carême II)

Table des matières

Ancien testament

Genesisy 22 : 1 – 18 (MRV)

1 Taorianan’izany dia nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra. Hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! Dia hoy i Abrahama: Inty aho.
2 Ary hoy Andriamanitra: Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao, dia Isaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary any no hanoloranao azy ho fanatitra dorana manontolo, ao amin’ny tendrombohitra iray izay holazaiko aminao.
3 Dia nifoha vao maraina i Abrahama, nanisy lasely ny borikiny ka nitondra ny mpanompony roa lahy sy Isaka zanany niaraka taminy. Namaky ny hazo harehitra amin’ny fanatitra dorana manontolo izy, dia niainga ka nankany amin’ny tany izay nolazain’Andriamanitra taminy.
4 Nony tamin’ny andro fahatelo, raha nanopy ny masony i Abrahama, dia nahatazana ilay tany terỳ lavitra erỳ.
5 Hoy i Abrahama tamin’ny zatovony: Mijanòna eto amin’ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy dia handeha hankerỳ mba hivavaka, avy eo hiverina eto aminareo indray.
6 Dia nalain’i Abrahama ny hazo harehitra amin’ny fanatitra dorana manontolo ka natataony an’Isaka zanany, fa izy kosa no nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tanany. Dia niara-nandeha izy mianaka.
7 Ary hoy Isaka tamin’i Abrahama rainy hoe: Dada ô! Dia hoy izy: Inty aho, anaka! Ary hoy ny zanany: Indreto ny afo sy ny kitay, fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana manontolo?
8 Hoy i Abrahama: Anaka, Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana manontolo!
Dia niara-nanohy ny diany ihany izy mianaka.
9 Rehefa tonga teo amin’ny tany izay nolazain’Andriamanitra taminy izy mianaka dia nanorina ny alitara teo i Abrahama ka nandahatra ny kitay. Dia namatotra an’Isaka zanany izy ka nametraka azy teo amin’ny alitara teo ambonin’ny kitay.
10 Ary nanatsotra ny tanany i Abrahama ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany.
11 Fa niantso azy avy any an-danitra ilay Anjelin’NY TOMPO ka niteny hoe: Ry Abrahama ô, ry Abrahama ô! Dia namaly kosa izy hoe: Inty aho!
12 Hoy ilay Anjely: Aza manatsotra ny tananao amin’ny zaza ary aza maninona azy akory ianao; hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.
13 Ary niherika nijery i Abrahama ka indro, nisy ondrilahy teo aorianany, voasarangotry ny kirihitra ny tandrony; dia lasa naka ilay ondrilahy i Abrahama ary nanolotra azy ho fanatitra dorana manontolo ho solon’ny zanany.
14 Ary ny anaran’izany tany izany dia nataon’i Abrahama hoe NY TOMPO no hahita; izany no ilazana mandraka ankehitriny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan’NY TOMPO.
15 Niantso an’i Abrahama fanindroany avy any an-danitra ilay Anjelin’NY TOMPO
16 ka niteny hoe: Ny tenako no nianianako, hoy NY TOMPO: Satria izany zavatra izany no nataonao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao, ianao,
17 dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina, ary hahazo ny vavahadin’ny fahavalony ny taranakao.
18 Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.

1 Après cela, Dieu mit Abraham à l’épreuve. Il lui dit: «Abraham!» Celui-ci répondit: «Me voici!»
2 Dieu dit: «Prends ton fils unique, celui que tu aimes, Isaac. Va-t’en au pays de Morija et là offre-le en holocauste sur l’une des montagnes que je t’indiquerai.»
3 Abraham se leva de bon matin, sella son âne et prit avec lui deux serviteurs et son fils Isaac. Il fendit du bois pour l’holocauste et partit pour aller à l’endroit que Dieu lui avait indiqué.
4 Le troisième jour, Abraham leva les yeux et vit l’endroit de loin.
5 Il dit à ses serviteurs: «Restez ici avec l’âne. Le jeune homme et moi, nous irons jusque là-bas pour adorer, puis nous reviendrons vers vous.»
6 Abraham prit le bois pour l’holocauste, le chargea sur son fils Isaac et porta lui-même le feu et le couteau. Ils marchèrent tous les deux ensemble.
7 Alors Isaac s’adressa à son père Abraham en disant: «Mon père!» Il répondit: «Me voici, mon fils!» Isaac reprit: «Voici le feu et le bois, mais où se trouve l’agneau pour l’holocauste?»
8 Abraham répondit: «Mon fils, Dieu pourvoira lui-même à l’agneau pour l’holocauste.» Et ils continuèrent à marcher tous les deux ensemble.
9 Lorsqu’ils furent arrivés à l’endroit que Dieu lui avait indiqué, Abraham y construisit un autel et rangea le bois. Il attacha son fils Isaac et le mit sur l’autel par-dessus le bois.
10 Puis Abraham tendit la main et prit le couteau pour égorger son fils.
11 Alors l’ange de l’Eternel l’appela depuis le ciel et dit: «Abraham! Abraham!» Il répondit: «Me voici!»
12 L’ange dit: «Ne porte pas la main sur l’enfant et ne lui fais rien, car je sais maintenant que tu crains Dieu et que tu ne m’as pas refusé ton fils unique.»
13 Abraham leva les yeux et vit [derrière lui] un bélier retenu par les cornes dans un buisson. Il alla prendre le bélier et l’offrit en holocauste à la place de son fils.
14 Abraham donna à cet endroit le nom de Yahvé-Jiré. C’est pourquoi l’on dit aujourd’hui: «A la montagne de l’Eternel il sera pourvu.»
15 L’ange de l’Eternel appela une deuxième fois Abraham depuis le ciel.
16 Il dit: «Je le jure par moi-même – déclaration de l’Eternel –, parce que tu as fait cela et que tu n’as pas refusé ton fils unique,
17 je te bénirai et je multiplierai ta descendance: elle sera aussi nombreuse que les étoiles du ciel, pareille au sable qui est au bord de la mer. De plus, ta descendance possédera les villes de ses ennemis.
18 Toutes les nations de la terre seront bénies en ta descendance, parce que tu m’as obéi.»

.

Epître

Romana 8 : 31 – 34 (MRV)

31 Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
32 Izy izay tsy niaro ny Zanany lahy fa nanolotra Azy hamonjy antsika rehetra, tsy homeny antsika miaraka Aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
33 Iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy!
34 Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty! Eny, mihoatra noho izany aza, nitsangana tamin’ny maty koa Izy ka mitoetra eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika.

31 Que dirons-nous donc de plus? Si Dieu est pour nous, qui sera contre nous?
32 Lui qui n’a pas épargné son propre Fils mais l’a donné pour nous tous, comment ne nous accorderait-il pas aussi tout avec lui?
33 Qui accusera ceux que Dieu a choisis? C’est Dieu qui les déclare justes!
34 Qui les condamnera? [Jésus-]Christ est mort, bien plus, il est ressuscité, il est à la droite de Dieu et il intercède pour nous!

Evangile

Marka 9 : 2 – 10 (MRV)

2 Nony afaka henemana, Jesosy, dia naka an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ka nitondra azy ireo nitokana, niakatra ho any an-tendrombohitra avo iray. Dia niova tarehy teo anatrehan’izy ireo Izy,
3 ary niova ka tonga namirapiratra sady fotsy dia fotsy ny fitafiany ka tsy misy mpanasa lamba ambonin’ny tany mahafotsy lamba toy izany.
4 Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Mosesy izay niresaka tamin’i Jesosy.
5 Ary niteny tamin’i Jesosy i Petera hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary andeha hanao tranolay telo izahay: Ho Anao ny iray, ho an’i Mosesy ny iray ary ho an’i Elia ny iray.
6 Tsy fantany mantsy izay hotenenina satria raiki-tahotra izy rehetra.
7 Ary nisy rahona niseho nanarona azy ireo. Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy!
8 Niaraka tamin’izay, nony nijery manodidina izy ireo dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany izay teo aminy.
9 Ary nony nidina avy teny an-tendrombohitra izy ireo dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin’olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona amin’ny maty.
10 Ary nitana izany teny izany izy ireo ka niady hevitra ny amin’izay hevitr’izany fitsanganana amin’ny maty izany.

2 Six jours après, Jésus prit avec lui Pierre, Jacques et Jean, et il les conduisit seuls à l’écart sur une haute montagne. Il fut transfiguré devant eux;
3 ses vêtements devinrent resplendissants et d’une telle blancheur que personne sur la terre ne peut blanchir ainsi.
4 Elie et Moïse leur apparurent; ils s’entretenaient avec Jésus.
5 Pierre prit la parole et dit à Jésus: «Maître, il est bon que nous soyons ici. Faisons trois abris: un pour toi, un pour Moïse et un pour Elie.»
6 Il ne savait que dire, car ils étaient effrayés.
7 Une nuée vint les couvrir, et de la nuée sortit une voix: «Celui-ci est mon Fils bien-aimé: écoutez-le!»
8 Aussitôt les disciples regardèrent tout autour et ils ne virent plus que Jésus seul avec eux.
9 Comme ils descendaient de la montagne, Jésus leur recommanda de ne dire ce qu’ils avaient vu à personne jusqu’à ce que le Fils de l’homme soit ressuscité.
10 Ils retinrent cette parole, se demandant entre eux ce que signifiait ressusciter.

Retour en haut