Péricope du Dimanche 25 Janvier 2026

Table des matières

Ancien Testament

Isaia  8.23 – 9.3 (MRV)

8.23 Tsy hanjombona mandrakariva anefa ilay efa niharam-pahoriana. Taloha dia natao tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; fa amin’ny ho avy kosa dia homeny voninahitra ny lalana amoron-dranomasina, any andafin’i Jordana, dia any Galilia, tanin’ny Jentilisa.
9.1 Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; izay mitoetra amin’ny tanin’ny aloky ny fahafatesana no amirapiratan’ny mazava.
9.2 Hamaroinao ity firenena ity ary ampitomboinao ny hafaliany. Mifaly eo anatrehanao tahaka ny hafaliana amin’ny fararano izy; eny, tahaka ny fibitahan’ny olona raha mizara babo.
9.3 Fa ny bao fitondrany entana sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny, izay tsorakazon’ny mpampiasa azy,
dia tapahinao tahaka ny tamin’ny andro namelezana ny Midianita.

8.23 Ceux qui sont dans cette nuit ne peuvent pas s’en échapper. Dans le passé, le Seigneur a couvert de honte le territoire de Zabulon et celui de Neftali. Mais dans l’avenir, il couvrira d’honneur la route qui suit la mer, la région à l’est du fleuve Jourdain et la Galilée, région des étrangers.
9.1 Le peuple qui marche dans la nuit voit une grande lumière. Pour ceux qui vivent dans le pays de l’obscurité, une lumière se met à briller.
9.2 Seigneur, tu les inondes de bonheur, tu fais grandir leur joie. Ils se réjouissent devant toi comme on se réjouit en faisant les récoltes, comme on crie de joie en partageant les richesses des ennemis vaincus.
9.3 Oui, tu arraches ton peuple au pouvoir qui pèse sur lui. Le bâton qui blesse ses épaules, le fouet qui le frappe, tu les brises comme tu l’as fait le jour où tu as vaincu les Madianites

.

Epître

1 Korintiana 1 : 10 – 13 ; 17 (MRV)

10 Mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ka hiray saina sy hevitra.
11 Efa nambaran’ny avy amin’ny ankohonan’i Kloa tamiko mantsy ny mombamomba anareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.
12 Miteny izany aho satria misy aminareo milaza hoe: Izaho dia an’i Paoly, izaho dia an’i Apolosy, izaho dia an’i Kefasy, izaho dia an’i Kristy.
13 Voazarazara va Kristy? I Paoly va no voahombo tamin’ny hazofijaliana hamonjy anareo, sa ho amin’ny anaran’i Paoly no nanaovana batisa anareo?
17 Fa tsy naniraka ahy hanao batisa Kristy fa hitory ny Filazantsara, tsy tamin’ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazofijalian’i Kristy.

1 Corinthiens 1 : 10 – 13 ; 17 (PDV)

10 Frères et sœurs chrétiens, au nom de notre Seigneur Jésus-Christ, je vous le demande, soyez tous d’accord entre vous. Parmi vous, pas de divisions ! Soyez très unis, ayez un même esprit et une même pensée.
11 Oui, mes frères et mes sœurs, les gens de la famille de Chloé m’ont appris qu’il y a des disputes entre vous.
12 Voici ce que je veux dire : chacun de vous affirme des choses différentes. L’un dit : « Moi, j’appartiens à Paul. » L’autre dit : « Moi, à Apollos. » Un autre encore : « Moi, j’appartiens à Pierre. » Et un autre dit : « Moi, au Christ. »
13 Est-ce que le Christ est divisé ? Est-ce que c’est Paul qui a été cloué sur une croix pour vous ? Est-ce que c’est au nom de Paul que vous avez été baptisés ?
17 Le Christ ne m’a pas envoyé baptiser, mais il m’a envoyé annoncer la Bonne Nouvelle sans me servir des paroles de la sagesse humaine. Ainsi, la mort du Christ sur la croix ne perd pas son pouvoir.

Evangile

Matio 4 : 12 – 23 (MRV)

12 Nony ren’i Jesosy fa voasambotra i Jaona dia nihataka nankany Galilia Izy.
13 Koa rehefa niala tany Nazareta Izy dia nankany Kapernaomy, izay any amoron-dranomasina, ao amin’ny zaratanin’ny Zebolona sy ny Naftaly ka nonina tao
14 mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe:
15 «Ny tanin’i Zebolona sy ny tanin’i Naftaly, ny lalan’ny ranomasina, any andafin’i Jordana, dia Galilia, tanin’ny Jentilisa,
16 ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe; ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny fahazavana» (Isa 8.23; 9.1).
17 Tamin’izany andro izany no nanomboka nitoriteny Jesosy ka nilaza hoe: Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.
18 Raha nitsangantsangana teny amoron’ny ranomasin’i Galilia Jesosy dia nahita olona mirahalahy, dia i Simona, izay atao hoe: Petera, sy i Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ny ranomasina izy ireo fa mpanarato.
19 Hoy Jesosy tamin’izy ireo: Andeha hanaraka Ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo.
20 Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy.
21 Ary raha mbola nandroso Izy dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona, rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin’i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka nanamboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy koa Izy.
22 Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy.
23 Ary Jesosy nandeha manerana an’i Galilia ka nampianatra tao amin’ny sinagogan’ny olona teo sy nitory ny Filazantsaran’ny fanjakana ary nanasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra tamin’ny olona.

12 Jean a été mis en prison. Quand Jésus apprend cela, il part pour la Galilée.
13 Il ne reste pas à Nazareth et il va habiter à Capernaüm, au bord du lac, dans la région de Zabulon et de Neftali.
14 Ainsi se réalise cette parole du prophète Ésaïe :
15 « Pays de Zabulon et de Neftali, près de la mer, de l’autre côté du Jourdain, Galilée, pays de ceux qui ne sont pas juifs !
16 Le peuple qui habite dans la nuit a vu une grande lumière. Pour ceux qui vivent dans le sombre pays de la mort, une lumière a brillé. »
17 À partir de ce moment, Jésus se met à annoncer : « Changez votre vie ! Oui, le Royaume des cieux est tout près de vous ! »
18 Jésus marche au bord du lac de Galilée. Il voit deux frères : Simon, qu’on appelle Pierre, et André son frère. Ce sont des pêcheurs, et ils sont en train de jeter un filet dans le lac.
19 Jésus leur dit : « Venez avec moi, et je ferai de vous des pêcheurs d’hommes. »
20 Aussitôt, ils laissent leurs filets et ils suivent Jésus.
21 En allant un peu plus loin, Jésus voit deux autres frères : Jacques et Jean, les fils de Zébédée. Ils sont dans la barque avec leur père Zébédée. Ils réparent leurs filets. Jésus les appelle.
22 Aussitôt ils laissent leur barque et leur père et ils suivent Jésus.
23 Jésus va dans toute la Galilée. Il enseigne dans les maisons de prière juives, il annonce la Bonne Nouvelle du Royaume, il guérit les gens de toutes leurs maladies et de toutes leurs douleurs.

Retour en haut