
Ancien Testament
Eksodosy 22 : 20 – 26 (MBP)
20 Ary aza manao izay sarotra amin’ny vahiny, na mampahory azy; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta ihany hianareo.
21 Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory hianareo.
22 Fa raha mampahory azy na amin’inona na amin’inona hianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,
23 ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin’ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.
24 Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao hianao, dia tsy ho toy ny mpampanàna vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy hianao.
25 Raha maka ny lamban’ny namanao ho tsatòka hianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro.
26 Fa izany ihany no firakofany sady fitafiany amin’ny hodiny, ka inona no ho entiny mandry ? ary raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho.
Exode 22 : 20 – 26 (S21)
20 »Tu ne maltraiteras pas l’étranger et tu ne l’opprimeras pas, car vous avez été étrangers en Egypte.
21 »Tu ne feras pas de mal à la veuve ni à l’orphelin.
22 Si tu leur fais du mal et qu’ils viennent à moi, j’entendrai leurs cris.
23 Ma colère s’enflammera et je vous détruirai par l’épée; ce sont vos femmes qui deviendront veuves, et vos enfants orphelins.
24 »Si tu prêtes de l’argent à quelqu’un de mon peuple, au pauvre qui est avec toi, tu ne te comporteras pas envers lui comme un créancier, tu n’exigeras de lui aucun intérêt.
25 »Si tu prends en gage le vêtement de ton prochain, tu le lui rendras avant le coucher du soleil.
26 En effet, c’est sa seule couverture, c’est le vêtement dont il s’enveloppe le corps. Dans quoi coucherait-il ? S’il crie à moi, je l’entendrai, car je suis plein de grâce.
.
Epître
1 Tesaloniana 1 : 5c – 10 (MBP)
5 … araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondrantenanay teo aminareo noho ny aminareo.
6 Ary hianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin’ny fahoriana be mbamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina
7 ka dia tonga fianarana ho an’ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia hianareo.
8 Fa avy taminareo no nanenoan’ny tenin’ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan’ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.
9 Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ny sampy hiverenana amin’Andriamanitra mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,
10 ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ny maty, dia Jesosy, Izay Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.
1 Thessaloniciens 1 : 5c – 10 (S21)
5 … Vous savez en effet comment nous nous sommes comportés parmi vous à cause de vous.
6 Vous-mêmes, vous êtes devenus nos imitateurs et ceux du Seigneur en accueillant la parole au milieu de grandes difficultés, avec la joie du Saint-Esprit.
7 Ainsi, vous êtes devenus un modèle pour tous les croyants de la Macédoine et de l’Achaïe.
8 En effet, non seulement la parole du Seigneur a retenti depuis chez vous en Macédoine et en Achaïe, mais c’est aussi partout que votre foi en Dieu s’est fait connaître, de sorte que nous n’avons pas besoin d’en parler.
9 De fait, on raconte à notre sujet quel accueil nous avons eu auprès de vous et comment vous vous êtes tournés vers Dieu en abandonnant les idoles pour servir le Dieu vivant et vrai
10 et pour attendre du ciel son Fils qu’il a ressuscité, Jésus, celui qui nous délivre de la colère à venir.
Evangile
Ny nanontaniana an’i Jesosy ny amin’izay didy lehibe.
34 FA ny Fariseo, nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo Izy, dia niangona.
35 Ary ny anankiray tamin’ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe : 36 Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna ?
37 Dia hoy Jesosy taminy : « Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra » (Deo. 6.5).
38 Izany no didy lehibe sady voalohany.
39 Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao : « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao » (Lev. 19.18).
40 Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.
Ny nanontanian’i Jesosy ny Fariseo ny amin’izay maha-Zanak’i Davida ny Mesia.
41 ARY rehefa tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe :
42 Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy ? Zanak’iza moa Izy ? Hoy izy taminy : Zanak’i Davida.
43 Hoy Jesosy taminy : Koa nahoana ary Davida amin’ny Fanahy no manao Azy hoe « Tompo », ka manao hoe :
44 « Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe : Mipetraha eo an-tànako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ny tongotrao » (Sal. 110.1) ?
45 Koa raha Davida ary manao Azy hoe « Tompo », ahoana no maha-zanany Azy ?
46 Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin’izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
Matthieu 22 : 34 – 46 (S21)
34 Les pharisiens apprirent qu’il avait réduit au silence les sadducéens. Ils se rassemblèrent
35 et l’un d’eux, professeur de la loi, lui posa cette question pour le mettre à l’épreuve :
36 « Maître, quel est le plus grand commandement de la loi ? »
37 Jésus lui répondit : « Tu aimeras le Seigneur, ton Dieu, de tout ton cœur, de toute ton âme et de toute ta pensée.
38 C’est le premier commandement et le plus grand.
39 Et voici le deuxième, qui lui est semblable : Tu aimeras ton prochain comme toi-même.
40 De ces deux commandements dépendent toute la loi et les prophètes.»
Reproches de Jésus aux chefs religieux
41 Comme les pharisiens se trouvaient rassemblés, Jésus les interrogea
42 en ces termes: «Que pensez-vous du Messie ? De qui est-il le fils ? » Ils lui répondirent : « De David. »
43 Et Jésus leur dit : « Comment donc David, animé par l’Esprit, peut-il l’appeler Seigneur lorsqu’il dit :
44 Le Seigneur a dit à mon Seigneur : « Assieds-toi à ma droite jusqu’à ce que j’aie fait de tes ennemis ton marchepied » ?
45 Si donc David l’appelle Seigneur, comment peut-il être son fils ? »
46 Aucun ne put lui répondre un mot. Et, depuis ce jour, personne n’osa plus lui poser de questions.
