Péricope du Dimanche 26 Avril 2026

Table des matières

Actes des Apôtres

Asan’ny Apostoly 2 : 14a ; 36 – 41 (MRV)

2.14 Nitsangana i Petera sy ny iraika amby folo lahy, dia nanandra-peo ka niteny tamin’izy ireo hoe : …
2.36 Koa aoka ho fantatry ny taranak’Israely rehetra tokoa fa iny Jesosy nohomboinareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra Tompo sy Kristy.
Ireo olona telo arivo voalohany niova fo
2.37 Raha nandre izany ny olona dia voatsindrona tao am-pony ka niteny tamin’i Petera sy ny apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?
2.38 Hoy i Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina,
2.39 satria ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’NY TOMPO Andriamanitsika hanatona Azy.
2.40 Ary nanamafy izany izy sady nananatra azy ireo tamin’ny teny maro hafa koa hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity ianareo.
2.41 Dia natao batisa ireo izay nandray tsara ny teniny ka tokony ho telo arivo ireo olona vao nanampy ho isany tamin’izany andro izany.

2.14 Alors Pierre, debout avec les onze apôtres, se met à dire d’une voix forte : …
2.36 « Tout le peuple d’Israël doit donc le savoir de façon très sûre : ce Jésus que vous avez cloué sur une croix, Dieu l’a fait Seigneur et Christ. »
Trois mille personnes s’ajoutent au groupe des croyants
2.37 Quand les gens entendent cela, ils sont très émus, ils demandent à Pierre et aux autres apôtres : « Frères, qu’est-ce que nous devons faire ? »
2.38 Pierre leur répond : « Changez votre vie ! Chacun de vous doit se faire baptiser au nom de Jésus-Christ. Ainsi, Dieu pardonnera vos péchés et il vous donnera l’Esprit Saint.
2.39 En effet, la promesse de Dieu est pour vous et pour vos enfants. Elle est pour tous ceux qui sont loin, pour tous ceux que le Seigneur notre Dieu appellera. »
2.40 Pierre parle encore longtemps pour les persuader et les encourager. Il leur dit : « Les gens d’aujourd’hui sont mauvais. Quittez-les, et Dieu vous sauvera. »
2.41 Ceux qui acceptent la parole de Pierre se font baptiser. Ce jour-là, à peu près 3 000 personnes s’ajoutent au groupe des croyants.

.

Epître

1 Petera 2 : 20 – 25 (MRV)

20 Fa inona no laza raha toa kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka miaritra an’izany? Fa raha toa ka manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy miaritra dia fahasoavana eo anatrehan’Andriamanitra izany.
21 Fa ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo mba hanarahanareo ny diany;
22 «Izay tsy nanota akory sady tsy nisy fitaka teo am-bavany» (Isa 53.9);
23 raha notevatevaina Izy dia tsy mba nanevateva; raha nijaly dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny raharahany ho amin’ny Mpitsara marina;
24 ary Izy no nitondra ny fahotantsika (Isa 53.12) tao amin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika fa ho velona ny amin’ny fahamarinana; ary «ny dian-kapoka taminy no nanasitranana anareo» (Isa 53.5).
25 Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isa 53.6) nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin’ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.

1 Pierre 2 : 20 – 25 (PDV)

20 En effet, si vous avez fait le mal, quel mérite avez-vous à supporter les coups ? Mais si vous souffrez avec patience quand vous avez fait le bien, c’est une belle chose devant Dieu.
21 Oui, c’est à cela que Dieu vous a appelés. Le Christ aussi a souffert pour vous, il vous a montré le chemin, pour que vous suiviez ses traces.
22 Lui, il n’a pas fait le mal, il n’a jamais trompé personne.
23 Lui, quand on l’a insulté, il n’a pas rendu l’insulte. Quand il a souffert, il n’a menacé personne, mais il a mis sa confiance en Dieu qui juge avec justice.
24 Sur le bois de la croix, il a porté lui-même nos péchés dans son corps. C’est pourquoi nous avons cessé de vivre pour le péché et nous pouvons mener une vie qui plaît à Dieu. C’est par ses blessures qu’il vous a guéris.
25 Oui, vous étiez comme des moutons perdus, mais maintenant, vous êtes revenus vers le berger qui protège vos vies.

Evangile

Jaona 10 : 1 – 10 (MRV)

Ny mpiandry ondry sy ny ondriny
1 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry fa mananika ny fefy dia mpangalatra sy jiolahy.
2 Fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ny ondry.
3 Ary izy no vohàn’ny mpiandry vavahady; ary ny ondry dia mihaino ny feony; koa izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany avy ary entiny mivoaka avy tao.
4 Rehefa mamoaka ny ondriny rehetra izy dia mialoha azy ireo; ary manaraka azy ny ondriny satria mahalala ny feony ireo.
5 Ny vahiny dia tsy mba harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ny vahiny.
6 Izany fanoharana izany no nataon’i Jesosy taminy, nefa tsy azon’ireo nihaino, izay tiany nolazainy taminy.
Ny Mpiandry tsara
7 Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ondry.
8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.
9 Izaho no vavahady; raha Izaho no idiran’ny olona dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.
10 Ny mpangalatra dia tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa avy mba hananany fiainana sady hananany be dia be.

Jésus est le bon berger
1 « Oui, je vous le dis, c’est la vérité : si quelqu’un n’entre pas par la porte dans l’enclos des moutons, mais s’il passe par-dessus le mur à un autre endroit, c’est un voleur et un bandit.
2 Mais celui qui entre par la porte, c’est le berger des moutons.
3 Le gardien lui ouvre la porte, et les moutons écoutent la voix du berger. Il appelle ses moutons chacun par son nom et il les conduit dehors.
4 Quand il les a tous fait sortir, il marche devant eux. Et ses moutons le suivent, parce qu’ils connaissent sa voix.
5 Ils ne suivront jamais quelqu’un d’autre. Au contraire, ils fuiront loin de lui, parce qu’ils ne connaissent pas la voix des autres personnes. »
6 Jésus utilise cette comparaison, mais les gens ne comprennent pas ce qu’il veut dire.
7 Alors Jésus ajoute : « Oui, je vous le dis, c’est la vérité : la porte pour les moutons, c’est moi.
8 Tous ceux qui sont venus avant moi sont des voleurs et des bandits. Mais les moutons ne les ont pas écoutés.
9 La porte, c’est moi. Celui qui entre en passant par moi sera sauvé. Il pourra entrer et sortir et il trouvera de la nourriture.
10 Le voleur vient seulement pour voler, tuer et détruire. Moi, je suis venu pour que les gens aient la vie, et pour que cette vie soit abondante.

Retour en haut