Péricope du Dimanche 27 Octobre

Table des matières

Ancien Testament

 Jeremia 31 : 7 – 9 (MRV)

7 Fa izao no lazain’NY TOMPO: Mihobia amin’ny fifaliana noho ny amin’i Jakoba, ary mifalia noho ny amin’ny lohan’ny firenena, torionareo, deraonareo, ka lazao hoe: TOMPO ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’ny Israely.
8 Indro, hitondra azy avy any amin’ny tany avaratra Aho ary hanangona azy avy any amin’ny faran’ny tany, dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba, na ny mandringa, na izay bevohoka, na izay mihetsi-jaza; vahoaka marobe no hiverina atỳ.
9 Amin’ny fitomaniana no hiaviany, amin’ny fifonany no hitondrako azy; ary hoentiko ho eny amoron’ny renirano izy, amin’ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; fa Rain’Israely Aho ary i Efraima no lahimatoako.

7 car voici ce que dit l’Eternel: Poussez des cris de joie à propos de Jacob, éclatez d’allégresse avec la plus importante des nations! Faites retentir votre voix, chantez des louanges et dites: «Eternel, délivre ton peuple, ce qui reste d’Israël!»
8 Je vais les ramener du pays du nord, je les rassemblerai des extrémités de la terre. Parmi eux figureront l’aveugle et le boiteux, la femme enceinte et celle qui accouche. Ensemble ils forment une grande assemblée, ils reviennent ici.
9 Ils reviennent en pleurant, mais je les conduis au milieu de leurs supplications. Je les conduis vers des torrents d’eau par un chemin tout droit où ils ne trébucheront pas. En effet, je suis un père pour Israël et Ephraïm est mon premier-né.

.

Epître

 Hebreo 5 : 1 – 6 (MRV)

1 Fa ny Mpisoronabe rehetra dia alaina amin’ny olona ka tendrena ho solon’ny olona hanao ny raharahan’Andriamanitra, hanolotra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota.
2 Izy dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin’ny fahalemena ihany;
3 ary noho izany dia tsy maintsy hanolotra fanatitra hanafaka ota ho an’ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an’ny olona ihany.
4 Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra, tahaka ny tamin’i Arona.
5 Dia toy izany koa Kristy: Tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe fa Ilay niteny taminy hoe:
«Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany» (Sal 2.7).
6 Ary toy ny lazainy eo amin’ny teny hafa koa hoe: «Ianao no mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkizedeka»

 Hébreux 5 : 1 – 6 (S21)

1 En effet, tout grand-prêtre pris parmi les hommes est établi en faveur des hommes dans le service de Dieu afin de présenter des offrandes et des sacrifices pour les péchés.
2 Il peut avoir de la compréhension pour les personnes ignorantes et égarées, puisqu’il est lui-même aussi sujet à la faiblesse.
3 C’est d’ailleurs à cause de cette faiblesse qu’il doit offrir des sacrifices pour ses propres péchés aussi bien que pour ceux du peuple.
4 Personne ne peut s’attribuer l’honneur de cette charge à moins d’être appelé par Dieu comme l’a été Aaron.
5 Christ non plus ne s’est pas attribué la gloire de devenir grand-prêtre, il la tient de celui qui lui a dit: Tu es mon Fils, je t’ai engendré aujourd’hui!
6 Il dit aussi ailleurs: Tu es prêtre pour toujours à la manière de Melchisédek.

Evangile

Marka 10 : 46 – 52 (MRV)

46 Ary tonga tao Jeriko izy ireo. Ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin’ny mpianany sy ny vahoaka betsaka dia nisy jamba mpangataka nipetraka teo amoron-dalana, i Bartimeo, zanak’i Timeo.
47 Nony reny fa injay Jesosy avy any Nazareta dia niantso mafy izy hoe: Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!
48 Maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso mafy izy hoe: Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!
49 Dia nijanona Jesosy ka niteny hoe: Antsoy ilay jamba. Ary niantso azy ny olona ka niteny taminy hoe: Matokia, mitsangàna fa miantso anao Izy.
50 Dia navelany teo ny akanjony ivelany ka niantsambotra nankeo amin’i Jesosy izy.
51 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Dia hoy ilay jamba taminy: Rabonỳ, ny mba hampahiratana ny masoko!
52 Hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin’izay ny masony ka nanaraka an’i Jesosy teny an-dalana izy.

46 Ils arrivèrent à Jéricho. Lorsque Jésus sortit de la ville avec ses disciples et une assez grande foule, Bartimée, le fils aveugle de Timée, était assis en train de mendier au bord du chemin.
47 Il entendit que c’était Jésus de Nazareth et se mit à crier: «Fils de David, Jésus, aie pitié de moi!»
48 Beaucoup le reprenaient pour le faire taire, mais il criait beaucoup plus fort: «Fils de David, aie pitié de moi!»
49 Jésus s’arrêta et dit: «Appelez-le.» Ils appelèrent l’aveugle en lui disant: «Prends courage, lève-toi, il t’appelle.»
50 L’aveugle jeta son manteau et, se levant d’un bond, vint vers Jésus.
51 Jésus prit la parole et lui dit: «Que veux-tu que je fasse pour toi?» «Mon maître, lui répondit l’aveugle, que je retrouve la vue.»
52 Jésus lui dit: «Vas-y, ta foi t’a sauvé.» Aussitôt il retrouva la vue et il suivit Jésus sur le chemin.

Retour en haut