Péricope du Dimanche 28 Juillet

Table des matières

Ancien Testament

2 Mpanjaka 4 : 42 – 44 (MRV)

Ny nampitomboana ny mofo
42 Nisy lehilahy avy tany Baala-Salisa nitondra mofo avy amin’ny voaloham-bokatra ho an’ny lehilahin’Andriamanitra, dia mofo varimbazaha roapolo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Hoy anefa i Elisa: Omeo ny olona ireny hohaniny.
43 Hoy ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan’ny zato lahy? Ary hoy indray i Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain’NY TOMPO: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany.
44 Dia narosony teo anoloany ka nihinana izy ireo, ary mbola nisy tokoa sisa tsy lany, araka ny tenin’NY TOMPO.

42 Un homme arriva de Baal-Shalisha. Il apportait dans son sac du pain de la première fournée pour l’homme de Dieu: 20 pains d’orge et de blé nouveau. Elisée dit: «Donnes-en à ces gens et qu’ils mangent.»
43 Son serviteur répondit: «Comment pourrais-je en donner à 100 personnes?» Mais Elisée répéta: «Donnes-en à ces gens et qu’ils mangent, car voici ce que dit l’Eternel: ‘On mangera et il y aura des restes.’»
44 Il mit alors les pains devant eux. Ils mangèrent et laissèrent des restes, conformément à la parole de l’Eternel.

.

Epître

Efesiana 4 : 1 – 6 (MRV)

Manorina ny tenan’i Kristy ao amin’ny firaisan-tsaina sy ny fifankatiavana
1 Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ny Tompo, dia mangataka anareo mba handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo
2 amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po, mifandefitra amin’ny fitiavana,
3 mazotoa mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana.
4 Iray ny tena ary iray ny Fanahy, dia araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray;
5 iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
6 iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’izy rehetra.

L’unité de l’Esprit
1 Je vous encourage donc, moi, le prisonnier dans le Seigneur, à vous conduire d’une manière digne de l’appel que vous avez reçu.
2 En toute humilité et douceur, avec patience, supportez-vous les uns les autres dans l’amour.
3 Efforcez-vous de conserver l’unité de l’Esprit par le lien de la paix.
4 Il y a un seul corps et un seul Esprit, de même que vous avez été appelés à une seule espérance par votre vocation.
5 Il y a un seul Seigneur, une seule foi, un seul baptême,
6 un seul Dieu et Père de tous. Il est au-dessus de tous, agit à travers tous et habite en [nous] tous.

Evangile

Jaona 6 : 1 – 15 (MRV)

Ny nampihinanan’i Jesosy ny dimy arivo lahy
1 Taorianan’izany dia lasa Jesosy nita ny ranomasin’i Galilia, dia ny ranomasin’i Tiberiasy izany.
2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin’ny marary.
3 Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao Izy mbamin’ny mpianany.
4 Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan’ny Jiosy.
5 Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy dia hoy Izy tamin’i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?
6 Nataony izany mba hizahany toetra azy; fa Izy nahalala ihany izay efa hataony.
7 Dia namaly Azy i Filipo hoe: Na dia mofo vidìna amin’ny denaria roanjato aza tsy ho ampy azy rehetra hananany kely avy.
8 Ny mpianany iray, i Andrea, rahalahin’i Simona Petera, dia nilaza taminy hoe:
9 Misy zazalahy manana mofo varimbazaha dimy sy hazandrano madinika roa atỳ, fa ho ampy inona moa izany amin’izao olona betsaka izao?
10 Fa hoy Jesosy: Asaivo mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Dia nipetraka ireo ka tokony ho dimy arivo ny isan’ny lehilahy.
11 Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra Izy dia nizara izany tamin’izay nipetraka hihinana; ary ny hazandrano koa dia araka izay nilainy.
12 Rehefa voky ny olona dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany mba tsy hisy ho very.
13 Dia nangoniny ka nahafeno harona roa amby folo ny sombintsombin’ny mofo varimbazaha dimy, izay ambiny tsy lanin’ny mpihinana.
14 Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon’i Jesosy: Ity tokoa no ilay Mpaminany izay tonga eto amin’izao tontolo izao.
15 Rehefa fantatr’i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka dia lasa niala indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.

Multiplication des pains pour 5000 hommes
1 Après cela, Jésus s’en alla de l’autre côté du lac de Galilée, ou lac de Tibériade.
2 Une grande foule le suivait, parce que les gens voyaient les signes miraculeux qu’il faisait sur les malades.
3 Jésus monta sur la montagne, et là il s’assit avec ses disciples.
4 Or la Pâque, la fête juive, était proche.
5 Jésus leva les yeux et vit une grande foule venir vers lui. Il dit à Philippe: «Où achèterons-nous des pains pour que ces gens aient à manger?»
6 Il disait cela pour le mettre à l’épreuve, car lui-même savait ce qu’il allait faire.
7 Philippe lui répondit: «Les pains qu’on aurait pour 200 pièces d’argent ne suffiraient pas pour que chacun en reçoive un peu.»
8 Un de ses disciples, André, le frère de Simon Pierre, lui dit:
9 «Il y a ici un jeune garçon qui a cinq pains d’orge et deux poissons, mais qu’est-ce que cela pour tant de monde?»
10 Jésus dit: «Faites asseoir ces gens.» Il y avait beaucoup d’herbe à cet endroit. Ils s’assirent donc, au nombre d’environ 5000 hommes.
11 Jésus prit les pains, remercia Dieu et les distribua [aux disciples, qui les donnèrent] à ceux qui étaient là; il leur distribua de même des poissons, autant qu’ils en voulurent.
12 Lorsqu’ils furent rassasiés, il dit à ses disciples: «Ramassez les morceaux qui restent, afin que rien ne se perde.»
13 Ils les ramassèrent donc et ils remplirent douze paniers avec les morceaux qui restaient des cinq pains d’orge après que tous eurent mangé.
14 A la vue du signe miraculeux que Jésus avait fait, ces gens disaient: «Cet homme est vraiment le prophète qui doit venir dans le monde.»
15 Cependant Jésus, sachant qu’ils allaient venir l’enlever pour le faire roi, se retira de nouveau sur la montagne, tout seul.

Retour en haut